Ejipta: Mitohy Hatrany Ny Fahorian'ireo Bilaogera Ao Amin'ny Tribonaly Miaramila

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011..

Nanapa-kevitra ny Tribonaly miaramila tamin'ity anio ity fa haiditra am-ponja mandritry ny 15 andro hafa indray ilay bilaogera Alaa Abd El Fattah, 15 andro taorian'ny nitazonana azy voalohany, ka eo am-piandrasana ny fanadihadiana momba izay nolazain'ny mpiaro raha toa ka diso ny fiampangàna nataony. Ny raharahan'ilay bilaogera Maikel Nabil Sanad ihany koa dia nahemotra indray hatramin'ny 27 Novambra.

Ny 30 Oktobra no notanana i Abd El Fattah, taorian'ny fandavany ny hohadihadian'ny Mpitsara mpanao famotorana Miaramila, mba hanoherany ny maha-ara-dalàna azy io. Ny fisamborana azy, sy ny vokatr'izany teo amin'ny seharta iraisam-pirenena, dia nahataitra sivily maherin'ny 12.000, ka isan'izany i Sanad, izay nanana raharaha ara-miaramila tao Ejipta hatramin'ny nandraisan'ny Supreme Council of the Armed Forces (SCAF) na ny Filankevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana ny fahefana.

I Abdel El Fattah dia voampanga ho nanao antso hanaovana herisetra aamin'ny miaramila, fangalarana fitaovam-piadiana sy fanimbàna ny fananan'ny miaramila nandritry ny Vono olona tao Maspero tamin'ny 9 Oktobra, izay nahafatesana Ejiptiana 25, ka Copte no betsaka tamin'izany, tamin'ny fifandonana nisy teo amin'ny miaramila sy ny mpanao fihetsiketsehana izay nangataka valinteny tamin'ny fandorana ireo fiangonana tao Sohag sy Aswan.

Supporters wrote Freedom for Alaa Abd El Fattah on the ground outside the Military Prosecution building in Cairo. Photo by Nazly Hussein, posted on Twitter

Nanoratra ny teny hoe: "Fahafahana" teo amin'ny tany ireo mpanohana an'i Alaa Abd El Fattah teo ivelan'ny trano lehiben'ny Mpitsara mpanao famotorana Miaramila tao Kairo. Sary avy amin'ny Nazly Hussein, nalefa tao amin'ny Twitter.

Nifanojo tamin'ny an'i Sanad ny raharahan'i Abd l Fattah – ilay bilaogera voalohany tao Ejipta nosamborina sy nanan-draharaha  tamin'ny tribonaly miaramila taorian'ny revolisiona izay nanala tamin-kery an'i Hosni Mubarak teo amin'ny toerana maha filoha azy. Nosaziana telo taona an-tranomaizina i Sanad, noho ny nanoratany lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy, izay noraisin'ny miaramila ho fanompàna azy.

Ny fiampangàna an'i Sanad dia: ny fananompàna ny tafika, ny fanelezana vaovao tsy marina tao amin'ny bilaoginy sy fanakorontanana ny filaminam-bahoaka. Tamin'ny volana lasa, ny Fitsarana Tampony Miaramila dia nanafoana ny fanenjehana kanefa mbola nitazona an'i Sanad ihany, izay nanomboka nanao fitokonana tsy hihinan-kanina, ka nahatonga azy nafindra tany aminà toerena fitsaboana aretin-tsaina.

Rehefa tafaverina tao am-ponja, dia mbola nanohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina sy ny fandavany ny hotsaraina amin'ny tribonaly miaramila i Sanad, toy ny fepetra noraisin'i Abd El Fattah ihany.

Eo imason'ny maro, ny didy navoaka androany dia fanaovana tsinontsinona iray hafa indray ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona ao Ejipta taorian'ny revolisiona.

Mamintina ny tontolo andro i The Big Pharaoh:

@TheBigPharoah: Nolavin'i Alaa ny hankato ny maha ara-dalàna ny tribonaly miaramila, Niteny tamin'ny mpisolovavany i #MaikelNabid mba hangina. Fanajàna. #FreeAlaa

Manampy i Rasha Abdulla hoe:

@RashaAbdulla: Nahazo sazy 15 andro an-tranomaizina indray i Alaa Abdel fattah mandra-piandry ny fanadihadiana. Nahemotr'i MaikelNabil ho amin'ny 27 Novambra. Nahazo fahafahana ireo notanan'ny ny Min ny fiarovana.

Tany am-boalohany, dia nandeha ny vaovao fa hoe nofoanan'ny Mpitsara mpanao famotorana Miaramila ny iray amin'ny fiampangàna an'i Abd El Fattah – ny amin'ny fangalarana fitaovam-piadiana.

Mibitsika i Alfred Raoufs:

@Kemety: mbola ho voatàna 15 andro indray i @alaa, nofoanan'izy ireo ny fiampangàna ho nangalatra fitaovam-piadiana. Izy kosa dia mbola nandà ny hankato ny tribonaly ihany.

Ary manazava i Azza Shaaban [ar]:

رغم اسقاط تهمة سرقة السلاح عن علاء عبدالفتاح لكن تهم التحريض واتلاف والتجمهر واستخدام القوة لسه لم تسقط
@Azza_Shaaban: Eny fa na dia nofoanana aza ny fiampangàna an'i Alaa El Fatth hoe nangalatra fitaovam-piadiana, dia mbola mipetraka avokoa ny fiampangàna azy ho nanao antso hanao herisetra, famoriam-bahoaka, fanimbàna fananana sy fampiasàna hery.

Voafafa iny izany fa “adinon'ny mpitsara ny namadika ny taratasy fitoriana ho ao  aminà pejy hafa.

Mitatitra i Sultan Al Qassemi:

@SultanAlQassemi: Ny  Mpitsara mpanao famotorana Miaramila ao Ejipta: ny fiampangàna an'i @Alaa ho nangalatra ny fitaovam-piadian'ny tafika” dia mbola mipetraka. “Adinon'ny” mpitsara ny namadika ny taratasy fitoriana.

Manamarika i Farah Saafan:

@FarahSaafan: Ny Filankevitra Miaramila izay namoaka tamin'ny fomba ofisialy ny fanambaràny tao amin'ny FB niaraka tamin'ireo mpitsara nanadino ny namadika ny pejy nandritry ny fotoam-pitsarana & tsy afaka miaro ny vitsy an'isa=SCAF

Ary manampy i Moutaz Dawood hoe[ar]:

وبتجديد حبس علاء عبالفتاح .. يثبت المجلس العسكرى أنه لايجيد التفاوض ولا المرواغه .. ادواته الوحيده القضاء العسكرى والشرطه العسكريه
@Moutaz_D: Tamin'ny alalan'ny fanavaozana ny fitananana am-ponja an'i Alaa Abd El Fattah, noporofoin'ny SCAF fa tsy voafehiny ny fanaovana dinika an-databatra boribory ary izy dia fitaovana fotsiny ihany ho an'ny fitsarana miaramila sy polisin'ny miaramila.

Eo anatrehan'izany, i Nazly Hussein dia mitatitra mikasika an'i Abd El Fattah feno fahavononana teo ampivoahana ny fitsarana [ar]:

علاء خرج دلوقتي و هتف يسقط يسقط حكم العسكر من جوة البوكس

@nazlyhussein: Eo ankavia no misy an'i Alaa sady mihiaka hoe: “Arodano, Arodano ny Fitondràna Miaramila” avy ao anatin'ny “jeep”n-ny polisy

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.