Polonina: Ny “Open Government Data Camp 2011″ Sy Ny Ho Avin'ny “Open Data”

Ny 4 Novambra 2011, dia nandefa ny famintinana ny Open Government Data Camp 2011 i Anna Kuliberda avy ao amin'ny NetSquared, izay natao tao Varsovie, Polonina, ny 21-22 Oktobra :

Ny faha 21-22-n'ny volana Oktobra ny renivohitr'i Polonina dia nampiantrano ny “Open Government Data” (OGD) izay hetsika goavana indrindra maneran-tany tamin'ity taona ity. Izy ity dia nokarakarain'ny Open Knowledge Foundation niaraka tamin'ny fiaraha-miasan'ny Centrum Cyfrowe Projekt Polska (rohy Poloney ihany). Olona maherin'ny 250 avy aminà firenena 41 no hita tao. Afaka miresaka amin'ireo” techies” ianao, ireo mpikambana avy aminà ONG mpandàla ny mangarahara, ireo mpanao gazety, ireo mafàna fo ara-tsôsialy, ireo tompon'andraikitra avy aminà governemanta, ireo solontenan'ny Kaomisionan'ny Vondrona Eoropeana sy ny sisa. Nandritry ny roa andro tena nanaovana ilay fivoriambe sy efa ho herinandrao nanaovana hetsika samihafa manodidina izany, dia nisy fotoana maro nanaraha-maso ny karazana fomba famindra rehetra mba hanokafana ny angon'ny governemanta, indrindra amin'ny lafin'ny fironana vaovao sy ny ho avin'ilay hetsika. […]

Fisokafan'ny "Government Data Camp" : Topimason'ny efitra ambanin'ny Klioba "electronica" M25 teo aloha izay ao amin'ny faritra be indostria ao Varsovie, nandritry ny "OGD Camp". Ny Funky cyberpunk no rivotra niainana. (Sary avy amin'ny mpampiasa flikr RealIvanSanchez; CC BY-SA 2.0)

Ilay hetsika “Open Government Data Camp” teo aloha dia natao tao Londona tamin'ny taon-dasa, ary, araka ny navoitran'i Ramine Tinati

Ny fiantombohan'ny tontolo andro dia nanomboka taminà zavatra tena tsy azo saintsainina akory. Ny toerana misy ‘ilay trano lehibe fivoriana sy ny fanamboarana azy dia samihafa, tena samihafa. Orinasa izy ity tamin'ny voalohany, fa ankehitriny kosa dia navadika ho lasa toerana fanaovana alim-pandihizana. Nangatsiaka sy malomaloka ny maraina, ary tamin'ny 9:45 (katroka) no fotoam-panombohana. I Rufus Pollock no nanokatra ny “Open Government Data Camp 2011″ niaraka taminà kabary miezinezina, izay nanao fampidirana fohy mankamin'ny fandrosoan'ny “Open Data,” ka nanome ireo teboka fototra izay toa nanaraka ny toetr'andro nandritry ny tontolo andro :

• Tsy misy dikany ireo angona” ireo raha tsy misy mpampiasa sy fitaovana
• Ny fitaovana dia ilaina ho “open source”
• Ny mpampiasa “Open Data” dia mila mitombo

Tao anaty lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy, “The State of Open Data 2011,” i David Eaves, dia nitanisa ireo fahombiazana azo tamin'ny taona lasa :

[…] Ny zavatra iray hany mba tena nahagaga tamin'ny 2011 dia firoborobon'ny vavahadin'ny  “Open Data” nanerana izao tontolo izao. Ankehitriny, dia misy katalaoginà angona avy aminà governemanta maherin'ny 50 isa miaraka amin'ireo tovana maro dia maro. Ny tena voamarika tamin'izany dia mazava ho azy fa ny katalaogin'ny Open Data Keniana, izay mampiseho hoe hatraiza sy toy ny ahoana ny firoborobon'ny  hetsiky ny “open data”. […]

Izy ihany koa dia nanoratra ny momba ny fanjakana misy ankehitriny sy ireo fanamby miandry ny hetsika “open data” :

[…] Talanjona aho tamin'ireo olona anjatonjatony tonga eto amin'ny “Open Data Camp eto Varsovie.” Mahafinaritra ny mahita tavan'olona fantatra maro tonga eto, fa ny olana dia ny fahafahako mamantatra ny ankamaroan'izy ireo. Mila ampiroboroboantsiaka ity hetsika ity. Mety ho lasa mpampifalifaly sy mpanome tolotra fotsiny isika, hahita fahafinaretana amin'ny hetsika izay natsangantsika ary, ny zava-dehibe indrindra, dia ny anjara asantsika amin'izany. Raha avy izany dia ho sarotra ny hanjo antsika. Na dia eo aza ny fahombiazantsika, dia mbola lavitry ny tanjona tokony ho tratrarina isika. […]

Open Knowledge Foundation dia nanaparitaka lahatsary maromaro avy amin'ny hetsika tao amin'ny Vimeo.com.

Afaka ahitàna lahatsoratra hafa ihany koa ato sy ao amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.