Arzantina: Fepetra Vaovao Hanaraha-maso Ireo Vola Vahiny

Ny 31 Oktobra  2011, nandefa andianà fepetra mba hanaraha-maso ny fivarotana ireo vola vahiny ny governemanta arzantina. Ireo fepetra ireo dia natao mba hanatsaharana ny fiakaram-bidin'ny dollar Amerikana Tavaratra,  ka tao anatin'izany ny Banky Foiben'i Arzantina, noho izany, dia tsy maintsy nampidina ny tahiriny mba hialàna amin'ny fitohizan'ny fidinan'ny sandàm-bola peso arzentina manoloana ny dollar.

Ireo fepetra noraisina nifanarahan'ny Banky foiben'i Arzantina sy ny Minisitry ny toekarena ireo no voalohany natao taorian'ny fifidianana ny Filoha ankehitriny, Cristina Fernandez de Kirchner, voafidy indray tamin'ny 54% n'ny vato.

Miresaka an'ireo fepetra vaovao ireo ny bilaogy Negocioaz :

Hatramin'ny fiandohan'ny tontolo andron'ny Alatsinainy, nanomboka nampihatra fanaraha-maso hentitra tamin'ny fividianana vola vahiny, indrindra ny dollar amerikana ny governemanta Arzantina. Na dia efa misy fanaraha-maso henjana amin'ireo mety ho mpanakalo vola vahiny aza any Arzantina, manomboka androany, mbola hihamafy izany. Ankoatran'ny fitakiana antotan-taratasy famantarana, taratasinà karama, filazàna fametrahana sy dika avy amvy amin'ny fakitiora misy anaranao, dia miampy ny fangatahana ny fahazoan-dàlana na tsia hividy vola vahiny tsy maintsy atao amin'ny Fitantanana Federaly ny Hetram-bahoaka amin'ny alalan'ny Aterineto,

Ary dia manohy izy:

Tsy tokony hadinoina fa nandray fepetra maro ny governemantan'i Arzantina mba hisorohana ny fidangan'ny dollars amin'ny fanaraha-maso ny fivoahan'iy ireny temin'ny alàlan'ny fametrahana andianà fepetra henjana. Ny Alarobia tamin'ny herinandro lasa teo, nanapa-kevitra izy fa tokony mandoa ny fanondranan'izy ireo amin'ny vola vahiny ireo orinasa mpitrandraka solika sy harena an-kibon'ny tany ao amin'ny firenena, izay tsy mampisy dikany ireo fepetra momba ny  hetra natokana izay nahafahana nahazo malalaka ny 70%-n'ireo vola vahiny azo avy amin'ny fanondrànana sy ny solika ary ny harena an-kibon'ny tany.

Sary an'ilay mpampiasa Flikr MoneyBlogNewz, nampiasàna ny Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Avy aiza io tantaram-pitiavana misy eo amin'ny vahoaka Arzantina sy ny dollar io ? Namoaka tatitra  ny Gazety espaniola El País ny 31 Oktobra ho valin'io fanontaniana io :

Arzantina dia iray amin'ireo firenena isan'ny haingam-pitombo indrindra any Amerika Latina, ary izany, na eo aza ny krizy misy eo amin'ny fari-bola ny euro. Ny ankamaroan'ny mponiny dia manohana ny Filohany, Cristina Fernández de Kirchner, izay vao avy voafidy indray. Nefa, ireo orinasa, banky sy ireo olom-pirenena izay manana fahefa-mividy ambony dia tsy matoky ny vola arzantina ary tsy mitsahatra mividy ireo dollars, fialofana mahazatra ho fanaovana tahiry ao anatinà firenena zatra niaina sy nitombo tanaty fitontonganam-bola isak'izay mihetsika

Manohy izy :

Ireo Arzantina izay mividy dolars dia manao izany noho ny tsy fahatokisana ny fiatraikany mety hisy eo amin'ny krizin'ny faritry ny euro, nefa indrindra ihany koa noho ny fiheveran'izy ireo fa nomen-danja be loatra ny peso taorian'ny taona maro nisian'ny fotontongana 20% isan-taona ka nandritra izany fotoana izany dia zara raha niakaratra ny lanjan'ny vola amerikana tavaratra.  Ny tahotra amin'ny fihenan-danjan'ny peso  – izay nohiliky ny governemantan'i Fernández – dia niha-nahazo lanja nandritra ireo roa volana lasa hatramin'ny fihenan-danjan'ny Real Breziliana izay nomen-danja be teo aloha.

Mitsikera ny antony mahatonga ny olom-pirenena arzantina nifidy ny dollar ho vola tahiry hatramin'izay ny bilaogin'i Abel :

Tsy mitanila io fanapahan-kevitra io satria ny tahiry amin'ny dollar, na dia mety hihen-danja aza izy ireo, dia misokatra ho anao hatrany amin'ny fotoana rehetra. Ny mitahiry vola  amin'ny alàlan'ny tany, fanànana mijoro, na dia miaka-bidy aza ireto farany, dia mifono lesoka roa goavana : tsy takatr'ireo mpampiasa vola madinika izany ary tsy mora  avadika ho vola. …Ary mbola fotoana ela vao ho afaka hanadino isika Arzantina mikasika ireo  zavatra ratsy niainantsika raha resaka fampiasàna vola ahodina na atao tahiry mipetraka

Ahoana ary ny fandehanan'ity fanaraha-maso vaovao ny takalo napetraka tamin'ny 31 Oktobra ity?  Prensa Hoy (Fanaovan-gazety Ankehitriny) dia mitsikera ireo olana nitranga tamin'ny fanomezan-dàlana napetraka ho an'ny rafitra fifandraisan'ny AFIP (Fitantanana Federaly ny Hetram-Bahoaka)  sy ireo banky :

Ny Alatsinainy teo, olana maro no hitanay tamin'ny fotoana nividianana vola vahiny, vokatry ny fametrahana ireo fepetra fanaraha-maso vaovao nataon'ny governemantam-pirenena, izay manery ny AFIP hampitaha ny mombamomba ireo mpividy miaraka amin'ny an'ny sampana alohan'ny firosoana amin'ny raharaha.

Noho ny olana ara-teknika dia saika tsy nisy olona na iray aza afaka nividy ireo vola vahiny. Rehefa nihazakazaka hamonjy ny tsenam-bola ireo mpividy, nikatso ny rindrankajy izay mitazona ny mombamomba azy ireo satria dia be loatra ny olona miara-mijery azy amin'ny fotoana mitovy.

Na izany aza, andro vitsy taty aoriana, nivoatra ny fandehanan'io rafitra io. Nanao ity tsikera manaraka ity ny bilaogy La Generación Siguiente [es] (Ny Taranaka Manaraka)  :

Mihatsara hatrany ny fizotran'ny rafitry ny fividianana sy fivarotana  vola vahiny, izay afaka nohamarinina tamin'ny isan-jaton'ny tsy faneken'ilay milina sy ny fandraharahana tena vita marina vinaina ho 500 tapitrisa dollars tany amin'ireo birao fanakalozam-bola sy banky maro tao an-tanàna. Raha mbola ambony ny tahan'ireo tia karokaroka te-hahalala ka mitsidika ny angon'ny AFIP , hita ho nihena be kosa  ireo fitsidihina. Araka ny voalazan'ny biraon'ny hetra, nidina ho 1,6% ny isan-jaton'ireo raharaha tsy mitombina raha toa ka nanakaiky ny 20% isan-jato kosa izany ho an'ireo banky tsy miankina amin'ny fanjakana.

Nisy fiantraikany ary hisy fiatraikany amin'ireo olona maro ny fahafahany mividy vola vahiny dia hokajiana arakaraky ny fanadihadiana ny vola miditra sy mivoka aminy ity fepetra ity. Ilay mpanolotra fandaharana malaza ao amin'ny fahitalavitra, Susana Giménez, dia iray tamin'ireo olona niharan'izany. Nilaza azy ho “kely karama” tamin'ny AFIP raha nikasa hividy dollars amerikana izy. Mitovy amin'izany ihany dia namoaka ny bilaogin'ny La Generación Siguiente Santiago Llamas [es] mikasika izay nanjo an'ity vehivavy arzantina malaza ity.

Ny fangatahan'i Susana Giménez, izay voarohirohy tamin'ny fividianana fiara tamin'ny fanafoanana ny ampahan-ketra ho an'ireo olona manana fahasembanana (fiara nafenina tao ambany ravinà “luzerne” tany amin'ny toeram-piompiany tany Pilar) sy tamin'ny fisolokiana tao amin'ny Fikambanana “Felices los Niños”, dia nolavina noho ny resaka “karama kely”. Nilaza tamin'ny AFIP ity farany ity fa mampiditra 50 000 pesos isan-taona – eo amin'ny 3850 pesos isam-bolana eo, raha miampy ireo tombondahiny roa an'ny AFIP. Na eo aza izany, hatreto aloha ho an'ity taona mbola tsy mifarana ity, efa nahavidy vola vahiny misimisy ihany izy, mitovy lanja amin'ny 11 tapitrisa pesos (manodidina ny 2 600 000 dollars, amin'ny saran'ny fanakalozana antonony).

Atao amin'ireo vola vahiny rehetra izany fanaraha-maso izany, nefa tsy misy ambara mikasika  ny Yen, ny Euro, ny Real na ireo vola vahiny hafa ifampiraharahana eo amin'ny tsenam-bola vahiny. Hatreto, tahaka ireo tahirin'ny Banky fioben'i Arzantina dia tsy miova ny dollar, nefa manontany tena foana ireo Arzantina raha tokony hampiasa na hividy  dollars, toy izay tantarain'ilay Alemana Rafael Piránd ao amin'ny bilaoginy Argentina Salvajizada [es]:

Tsy haiko manokana ho an'ny governemantam-bahoaka isanisany izany raharaha mahasanganehana izany, fa ho an'ireo niharany dia mitovy avokoa izany ho an'ireo Arzantina rehetra. Ny fampiasàna azy na fitondràna azy mivoaka ny firenena, hikatsahana toerana azo antoka kokoa,  tahaka ireo sidintsidina mifindra monina mitady hafanàna satria tsy mahazaka hatsiaka?

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.