Ejipta: Vonona Avokoa Ny Zava-dRehetra Amin'ny Fifidianana Parlemantera 2011

Efa mananontanona ny fifidianana Parlemantera any Ejipta. Ankilan'ny maha-fidianana voalohany taorian'ny nionganan'i Hosni Mubarak azy, dia ity antenimiera ity ihany koa no tompon'andraikitra hanendry ny komity handrafitra ny Lalapanorenana vaovao ao amin'ny firenena izay hanokatra ihany koa ny lalana ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena avy eo.

Ny Lalàm-Pifidianana

Hanomboka ny Alatsinainy 28 Novambra 2011 ho avy izao ny fifidianana Antenimieram-bahoaka (Lower House) ary hisy dingana telo – araka ny isan'ny governorà Ejipsiana, izay ahitana daty ho amin'ny fiodinana faharoan'ny fifidianana raha toa ka tsy misy mahatratra ny ampaham-bato ilaina any amin'ny distrika sasany ny kandidà.

Hifarana amin'ny 10 Janoary 2012, araka ny tabilao aseho etsy ambany, ny dingana telo sy ny fiodianana faharoa ary antenaina hivoaka amin'ny 13 Janoary 2012 ny valim-pifidianana. Mandritra izany fotoana izany, hanomboka ny 29 Janoary ny fifidianana ny Shura (filankevitra) (Antenimieran-Doholona).

Egyptian elections timetable

Egyptian elections timetable

Sarotsarotra ihany ny fomba fizarana seza ao amin'ny Parlemanta ka izany no nahatonga ny vohikala ofisialin'ny fifidianana parlemantera nanampy pejy manokana ho an'ny fanontaniana miverimberina matetika, mba hanampiana ny olona hahazo ny rafi-pifidianana izay andraisany anjara.

Nanamarika ny vohikala [ar]:

يتم انتخاب ثلثي أعضاء مجلسي الشعب والشورى بنظام القوائم الحزبية المغلقة والثلث الآخر بنظام الانتخاب الفردي إذ يجب أن يكون عدد الممثلين لكل محافظة عن طريق القوائم الحزبية المغلقة ضعف عدد الأعضاء الممثلين لها عن طريق الانتخاب الفردي.
و تقسم الجمهورية لانتخابات مجلس الشعب إلى ٨٣ دائرة تخصص للانتخاب بالنظام الفردي ينتخب عن كل دائرة منها عضوان يكون احدهما على الأقل من العمال والفلاحين و ٤٦ دائرة أخرى تخصص للانتخاب بنظام القوائم.
وتقسم جمهورية مصر العربية لانتخابات مجلس الشورى إلى ٣٠ دائرة تخصص للانتخاب بالنظام الفردي، ينتخب عن كل دائرة منها عضوان يكون أحدهما على الأقل من العمال والفلاحين. كما تقسم الجمهورية إلى ٣٠ دائرة أخرى تخصص للانتخاب بنظام القوائم ويمثل كل دائرة ٤ أعضاء
Ny roatokon'ny seza zaraina ao amin'ny Antenimieram-Bahoaka sy ny Filankevitra Shura (Antenimieran-Doholona) dia hofidiana araka ny isan-toerana azon'ny lisitra atolotry ny antoko rehefa fantatra ny isam-bato mahazo toerana iray ary ny ampahatelony ambiny dia hofidiana isan'olona na azon'izay olona iray mandresy. Izany hoe. isaky ny governorà ny isan'ny toerana azon'ny antoko (lisitra) dia avo roa heny noho ny seza azon'ny tokana nandresy.
Ho an'ny Antenimieram-bahoaka, nozaraina ho fari-pifidianana 83 ny firenena ho an'ny fifidianana olona tsirairay, ary ny toerana roa dia omena ny mpiasa na tantsaha farafaharatsiny amin'ny fari-pifidianana iray, raha fari-pifidianana 46 kosa no hifidy amin'ny lisitra.
Ho an'ny Antenimieran-Doholona kosa na ny Vaomieran'ny Shura, dia nozaraina fari-pifidianana 30 mifidy olona tokana, ka ny seza roa amin'izany farafaharatsiny dia tokony ho azon'ny mpiasa na tantsaha, raha mifidy lisitra miady toerana efatra kosa ny any amin'ny fari-pifidianana 30.

Nandritra ny taona maromaro, nataon'ny fitondrana jadona sy mpampivangongo fahefana ny hanakanana ny depiote hanao ny asany ara-dalàna teo amin'ny rafitra politika hany ka niteraka savoritaka teo amin'ny ankamaroan'ny Ejipsiana ny fampifangaroana ny depiote sy ny mpikambana vaomiera ao an-toerana.

Alex News no niezaka hanazava izany fahasamihafana izany eto [ar]:

عضو مجلس الشعب هو من يقوم باصدار التشريعات ووضع القوانيين ومراقبة الاداء الحكومى ومناقشة الميزانية والمشاريع الكبرى للدولة وليس دورة الاهتمام بالجانب العمرانى كرصف الطرق و التى يختص بها “عضو المجلس المحلى”.
Ny depiote no tompon'andraikitra amin'ny resaka fanaovan-dalàna sy ny lalàna, manara-maso ny zavatra vitan'ny governemanta sy ny tetibolany ary ny tetikasa lehibe tontosain'ny firenena. Tsy anjara andraikiny mihitsy ny fikarakarana ny fampandrosoana an-tanandehibe  tahaka ny fanamboaran-dalana izay andraikitry ny mpikambana vaomiera isam-paritra.

Araka ny afitsapan-kevitra nataon'ny Hadihady Sosialista, misy ny Ejipsiana tsy matoky ny valim-pifidianana. Na eo aza izany dia mbola andeha hifidy ihany ry zareo. Nefa misy kosa ireo miantso tsy hifidy ho fanoherana ny fitondran'ny Filan-kevitra faratampon'ny Tafika ny fitondrana tetezamita.

Ejipsiana any ivelany

Hevitreverina ho 8 tapitrisa ny isan'ny Ejipsiana monina any ivelany, efa maro ny adihevitra momba ny zon'ireo hifidy. Efa nanambara ny fitondrana ankehitriny fa tsy misy olana amin'ny tokony ifidianan'ny Ampielezana hifidy. Saingytsy manana fitaovana sy fahafahana manatontosa izany ry zareo. Vao tsy ela izany ny fitsarana ejipsiana namoaka didim-pitsarana fa tokony ho afa-mifidy amin'ny fifidianana parlemantera sy filoham-pirenena ho avy izao ny Ejipsiana monina any ivelany. Hatreo dia tsy fantatra intsony na afa-mifidy ry zareo na tsia.

Fanaraha-maso ny fifidianana

Misy ihany koa iray fikambanana miankina amin'ny fanjakana nivondrona mba hanara-maso ny fifidianana. U-shahid, na Vavolombelona Ianao, dia sarintany andraisana anjara mifototra amin'ny Ushahidi entina hanaraha-maso ny fandikan-dalàna manoloana ny fombafombam-pifidianana. Efa manana nizatra tamin'ny fanaraha-maso ny fifidianana antenimiera tamin'ny 2010 sy ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin'ny volana marsa ihany koa ry zareo.

Misy ihany koa ny fikambanana hafa antsoina hoe Haraket Morakba (Hetsika Fanarahamaso), izay mitady mpanolo-tena hanatona an-dry zareo:

@FouadZayed: If you are interested in volunteering to monitor the upcoming elections kindly check out this account @moorakpa #Egypt #EgyElections #EgElec

Raha liana hanara-maso ny fifidianana ho avy ianao dia miangavy andramo ity kaonty ity @moorakpa

Fampielezan-kevitra

Ary farany, efa nanao fampielezan-kevitra manerana ny firenena ny ankamaroan'ny kandidà amin'izao fotoana izao, ary araka ny voalazan'ny lalàna dia azo atao ny fampielezan-kevitra fa mifarana roa andro mialoha ny handrotsaham-bato. Nanomboka teo dia vavolombelon'ny zavatra mifanohitohitra sy mampihomehy izahay, tahaka ny an'ny Antoko Salafista El-Nour (Ny Mazava)  izay nanapa-kevitra hanolo ny sarim-behivavy ho sarim-boninkazo.

Sameh Hanafy moa naneso ny afisy ato.

Misy ihany koa sary mampisongadina ny kandidà iray miresaka amin'ny tenany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.