Goatemala: Fifandirana momba ny filoha voafidy

Mpianatra maintimolaly nahazo diploma Amerikana sady jeneraly misotro ronono Otto Perez Molina no voafidy ho filoha any Goatemala taorian'ny fifidianana niady tokoa sady nifanipaka be ihany, nefa ny ankamaroan'ny mpifidy dia tsy nifidy na nanao vato fotsy. Sambany teo amin'ny tantaran'i Goatemala no nisy vehivavy, Roxana Baldetti [es] -mpikambana ao amin'ny kongresy any an-toerana sady manam-pahaizana amin'ny fifandraisana ara-tsosialy no voafidy ho filoha lefitra.

Niady be ny vokatry ny fifidianana kanefa nahazo tombony tany amin'ny tanà-dehibe ny filoha voafidy, vokatra izay nifanohitra tamin'ny fifidianana taloha, raha nifidy ny filoha sosialy demokraty, Alvaro Colom ny tany ambanivohitra.

Nilamina ny fifidianana na dia henjana aza. Ankoatra ny tsy fetezana madinika nisiana tsy fanarahan-dalàna tamin'ny vato, indrindra teo amin'ny fitaterana ny mpifidy tany ambanivohitra sy tany amin'ireo toerana mitoka-monina, dia tsy nahitana herisetra firy na vonoan'olona nandritra ny fifidianana araka ny hita ao amin'ny sehatra Ushahidi Mirador Electoral [es].

Otto Pérez Molina -Sary mpisera Flickr Lestermosh ambany alalana Attribution 2.0 Generic license (CC BY 2.0) .

Ny blaogera toa an-dry Luis Figueroa niantso ny namany hifidy [es] vao maraina.

Diso fanantenana kosa ny sasany satria tsy namaly ny hetahetany ireo mpilatsaka ho fidiana anankiroa, ary nanapan-kevitra izy ireo fa tsy hifidy satria tsy misy ho avy mamiratra mihitsy ny fireneny, toa an-dry Fe de Rata [es] sy Hunahpu Ixbalanque [es] izay nilaza tany amin'ny bilaoginy, ao koa ny fanehoan-kevitra samy hafa hita amin'ny tambazotra sosialy.

Iván Morales (@ivancarrera) ao amin'ny sorany PoliticalGT: “Matoa izy ireo dia satria misolo tena olon-tokana” [es]:

Después de conocerse los resultados de la primera ronda y hasta el día de hoy ha prevalecido un sentimiento de apatía y frustración por el hecho de que los votantes deben elegir entre dos candidatos que no los representan y por tener que verse obligados a votar por el “menor de los males”. Por otro lado, trato de recordarme a mi mismo que los guatemaltecos que participan en las redes sociales no son el universo de la población del país, sino una muestra pequeña y poco representantiva de la diversidad poblacional que es Guatemala.

Hatramin'ny naharenesana ny valin'ny fifidianana fiodinana voalohany amin'ny fifidianana ho filoha ka hatramin'ny androany, nisy ny fanehoana fahadisoam-panantenana niely (teo amin'ny tambajotra sosialy), satria tsy maintsy mifidy olona roa amin'ireo mpilatsaka hofidiana izay tsy hisolo tena azy akory ny mpifidy, voatery izany izy ireo hifidy “ny azo hiafiana indrindra”. Kanefa, tadidiko tsara fa ireo olona Goatemalteka mandray anjara amin'ny tambajotra sosialy ireo dia tsy mahasolo tena ny mponina akory satria olona vitsy an'isa tsy afaka hisolo tena ny vahoaka iray manontolo any Goatemala.

Ny tena tsy nampoizina, ohatry ny hoe marina hono ireo solontena avy amin'ny tambajotra sosialy ireo, na dia tany an-drenivohitra ihany aza. Ireo mpifidy avy any ambanivohitra nanontanin'i Plaza Publica no nilaza fa  manahy ny amin'ny ho avin'i Goatemala sy ny fiovana mety hoentin'izay filoha voafidy eo ry zareo.

tsy nanolotra olona hofidiana ny antoko eo amin'ny fitondrana teo aloha satria nomelohin'ny fitsarana i  Sandra Torres Casanova tsy nahazo nandray anjara amin'ny fifidianana, dia antoko roa avy amin'ny ankavanana no nanolotra olona hofidiana ary mitovy ny hevitr'izy ireo, atao mafana kokoa ny politika, omena fahefana ny miaramila, omena tombony ny mpampiasa vola vahiny, sy ny fanakelezana ny tsy nety nataon'ny fanjakana tamin'ny programa vatsiany vola.

Mpikambana ao amin'ny tafika any Goatemala ny filoha voafidy, tafika izay mitana ny lohalaharana amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona; niasa tany amin'ny faritra nisian'ny fampijaliana be indrindra, ny famonoan'olona sy ny famonoana ireo zanatany tompontany tany an-toerana izy. Nandritra ny nitondrany, manamboninahitra ambony maro no voarohirohy tamin'ny famonoan'olona faobe sy famonoan'olona amin'ny ankapobeny, araka izay vao nitateran'ny Global Voices azy.

Azonao arahina eto ny resaka momba ny fifidianana amin'ny fampiasana ny rohy#eleccionesgt. Fanehoan-kevitra avy amin'ny mponina any Goatemala sy ny manerana izao tontolo izao no andrasana ao anio sy rahampitso. Iriana ny hisian'ny fitoniana tahaka izay misy ankehitriny, mariky ny fahamatoran'ny demokrasia sy ny maha olom-pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.