Syria: Nanjavona Tany Damaskosy Ny Mpitoraka Blaogy Malaza Iray

Niala tao an-tranony tao Damaskosy ilay mpitoraka blaogy Siriana Hussein Ghrer tamin'ny Alatsinainy 24 Oktobra, ary tsy mbola niverina. Izy dia lehilahy 30 taona, manambady ary manan-janaka roa, ary nitoraka blaogy sy nandray anjara tamina hetsika firaisankina maro ho an'i Palestina, ary koa ny hetsiky ny mpitoraka blaogy manohitra ny fanjanahantany Israeliana atao amin'ireo Havoanan'i Golan, ary ireo hetsika firaisankina ho an'ireo niharan'ny asa ratsy.

Ny lahatsoratra farany indrindra ao amin'ny blaogin'i Ghrer dia mifantoka amin'ny fisamborana an'ilay mpitoraka blaogy Siriana Anas Maarawi (izay efa afaka amin'izao fotoana izao), momba ny fahalalahana any Siria. Tafiditra aoa anatin'izany lahatsoratra izany ny filazalazana ny momba ny zavatra atrehan'ny mpitoraka blaogy any amin'ny firenena:

كمدونين لا نملك غير قلمنا لنعبر عن جزء يسير جداً مما يعتمل في قلوبنا من خوف على الوطن من هذا الوحش الذي يسمى فساداً والمحمي بقوة القانون الأمني الذي لا يعلوا فوقه قانون

“Amin'ny maha-mpitoraka blaogy anay dia tsy manana na inona na inona izahay afa-tsy ny asa soratra mba hanehoana ampahany kely indrindra amin'izay mankarary anay. Marary ny fonay manoloana ity biby antsoina hoe kolikoly ity, izay arovan'ny herin'ny lalànan'ny filaminana, izay ambonin'ny lalàna ambiny rehetra aty amin'ny firenena.”

Niara-nanao fanentanana amin'ny Facebook ireo mpitolona mitaky ny famotsorana azy, sy blaogy iray hitakian'izy ireo amin'ny manampahefana Siriana mba hamoaka vaovao momba an'i Ghrer sy hamotsotra ireo nosamborina, noho ny tsy fanajàna ny lalàna sy ny zon'olombelona (fanambaran feno amin'ny teny Anglisy ato):

Mangataka izahay ny filazana tsy an-kiandriandry izay hitranga amin'ny namanay sy mpiara-mitoraka blaogy, Hussein Ghrer, sy ny famotsorana ireo gadra noho ny fahatsiarovan-tena, satria tsy mifanaraka amin'ny lalàna sy ny zon'olombeloa ny fisamborana azy ireo. Mangataka ny fanatsaharana ny fanenjehana ato amin'ny fahalalahana miteny, satria ny hery jamba, na hatraiza na hatraiza herin'izany, dia hijanona ho jamba, ary hitongilahila mandra-pianjerany tanteraka.

 

Miaraka amin'izany fanentanana izany ireo mpitoraka blaogy maneran-tany, izay haingam-pitombo noho ny fanaparitahana natao tamin'ny twitter:

Omniya: Mety ho ianao no Hussein, mety ho izaho. mety ho iray amin'ireny mandeha eny an-dalana ireny . # FreeHussein #Syria

Syriangavroche:الحرية لحسين غرير!! # freehussein#Syria

 

Anatin'izay tsindrihazolena ataon'ny governemanta Siriana amin'izay endrika fanoherana rehetra, toa manan-danja lalina ankehitriny ireo tenin'i Ghrer ao amin'ny lahatsorany farany:
Tsy momba antsika ny fahanginana ankehitriny. Tsy mila firenena izay managadra antsika noho ny fitenenana zavatra iray isika. Mila firenena mitia sy mandray teny izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.