Jordania: Feo Hafa Avy Amin'ny Vovonana Erantany Momba ny Toekarena

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny #Bodoy Ny Tontolo #Occupy Worldwide.

Ny 21 ka hatramin'ny 23 Oktobra 2011, dia nampiantranoan'i Jordania ny Vovonana Erantany Momba ny Toekarena (World Economic Forum's (WEF) ) izay niompana manokana tamin'ny Fitomboana Ara-toekarena sy ny Famoronana asa ao amin'ny Tontolo Arabo any amin'ny Ranomasina Maty. I Jordania dia nanana fifandraisana lava dia lava tamin'ny World Economic Forum (WEF) hatramin'ny tapaky ny taona 1995, ary nandritra ny taona maro dia nisy andianà tetikasa maro feno haitraitra sy nakalazaina fatratra nifamatotra tamin'ilay vovonana.

Amin'ity taona ity, satria tsy mijanona mifoha amin'ny torimasony sy manavao hatrany ny fisiany ny tontolo Arabo, dia nihanahazo vahana ny feo sy ny fitantaràna hafa, mamoaka ny tetikasa mifandray amin'ny WEF toy izany hiseho masoandro ho an'i Jordania sy ny fanambin'ireo faritra amin'izao fotoana.

Andro vitsivitsy lasa izay, dia nanambatra ny heriko niaraka taminà vondrona Joradaniana mahaleotena aho ary niarahanay nanoratra ny lahatsoratra iray efa nivoaka tao amin'ny bilaogin'ny WEF izay nitondra ny lohateny hoe: ‘Ny Feo avy ao Jordania: Fitantaràna Iray Hafa‘ izay nametrahanay fanontaniana ny amin'ny zava-bitan'i Jordania sy ny haavon'ny dingana vitany niaraka tamin'ny WEF.

Tamin'ny alalan'ny findràmana tsilalaonteny iray mametraka ny ara-toekarena ho ao anatin'ny vanim-potoana ara-politikany, mipasoka ireo olana lehibe aminà teniteny foana tsy dia tena mazava loatra, ary tsy nahavita nanome ny tena marina ny amin'ny toekarena nanditry ny telopolo taona lasa, nakarina ho fikambanana toy ny World Economic Forum (WEF), ary tsy nahomby ihany koa tamin'ny fandrindràna ny tsena na fiantohana fitomboana ara-toekarena mirindra sy maharitra.
Amin'ny maha-vondrona Jordaniana izay ny firenenay  no matetika mampiantrano ny WEF, dia nataonay ho fitaratra izany fandraisana anjara izany. Mipongatra avokoa ireo karazana olana saro-bahàna rehetra: Tsindrio raha te hamaky ny lahatsoratra manontolo.

Participants captured during the Future of Libya session during the World Economic Forum Special Meeting. Image by Flickr user World Economic Forum (CC BY-SA 2.0).

Ireo mpandray anjara azo sary nandritra ny fotoana nandinihana ny Ho avin'i Libya nandritry ny Vovonana Erantany Momba ny Toekarena, fihaonana manokana. Sary avy amin'ny mpampiasa Flikr ao amin'ny World Economic Forum (CC BY-SA 2.0).

Nanontany i Farah Ghniem tao amin'ny Twitter:

 

Tsy maninona ny hoe feno olona manana fahafaha-manao zavatra maro i Jordania. Na aiza na aiza. Ny olana: nahoana no tsy nahomby tamin'izy ireo ilay rafitra?  #OccupyWEF #WEF

Nanao famintinana i Raghda Butros, mpanao hatsikana mafàna fo iray:

Fanapahan-kevitra iray momban'ny fanabeazana no natomboka tamin'ny '03 niaraka tamin'ny #WEF. Ankehitriny ny kalitaom-panabeazana ao Jordania dia nitontongana tokoa. #OccupyWEF

Ny mpahay toekarena, Ibrahim Saif dia nizara ny tsy fahareseny lahatra:

Tsy dia tena nampaharisika ahy loatra ny amin'ny WEF sy izay tolotra omeny ho an'ireo olona natao anjorom-bala, ilaina noho izany ny fomba fisainana vaovao. Tsy ho azo avy amin'ny WEF velively anefa izany.

Nanditry ny fiaraha-misakafon'ireo mpiara-miombon'antoka, dia nandefa bitsika i Dina Shoman, lohan'ny fandraharàna ao amin'ny Banky Arabo:

10 taona niresahana ny momba ny  #fandraharàna nisy tsy fahombiazana avy amin'ny mpametraka ny fitsipika sy ny governemanta ny fandefasana azy #wef #jo

Ny Andriambavy, Printsy Ghida Talal,  filohan'ny “Tranoben'ny Mpanjaka Hussein Hiadiana Amin'ny Homamiadana” dia nanaeho hevitr ary tsy naharitra fa namerina nibitsika indray:

Tena mampihomehy ary tena marina ka tsy vita n y tsy hanao  RT “@ThorayaER: Schwab tao amin'ny #WEF nanolotra ny Andriamanjaka isany. Maro ireo Andriamanjaka, kanefa kely ny tonga lafatra!”

Raha mila fanehoan-kevitra mismisy kokoa, dia mandraisa anjara amin'ny adihevitra ao amin'ny Twitter izay misy ny tenifototra #WEF sy #OccupyWEF, ary ao amin’ny bilaogin'ny WEF

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny #Bodoy Ny Tontolo #Occupy Worldwide.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.