Tonizia: Fihetseham-po sy Filaharana Lava dia Lava Tamin'ny Fifidianana

Voasokitra ao amin'ny tsiaron'ny mpifidy Toniziana, izay nameno ny birao fandatsaham-bato hatry ny vao maraimbe, ny andro androany [alahady]. Nifidy ny antenimieram-panorenana handrafitra ny Lalampanorenan'ny Firenena ny Toniziana.

Nialoha ny fifidianana dia nisy ny fanahiana fandrao ho vitsy ny salam-pandraisana anjara ka handiso fanantenana.

Tamin'ny 17 Oktobra, Toniziana @Arabasta1 ni-tweet hoe:

Mon cauchemar pour le 23/10 : un faible taux de participation, ce jour là ça sera pas les partis qui perdront mais la Tunisie, ALLEZ VOTER!

Ny Nofy ratsiko amin'ny 23/10: fandraisana anjara vitsy amin'io andro io. Tonizia no ho resy amin'izany fa tsy ny antoko politika, MANDEHANA MIFIDY

Ny androm-pifidianana, anefa, tsy maintsy nijoro nandritra ny fotoana maharitra tanaty filaharana ny mpifidy ahafahany maneho ny safidiny. Kamel Jendoubi, lehiben'ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny fifidianana milaza fa ”mihoatra lavitra noho izany noeritreretina” ny mpifidy.

Ny lahatsary manaraka etoana ao amin'ny  YouTube no mampiseho izany filaharana lava dia lava izany ao ivelan'ny biraom-pifidianana iray.

Fotoana fohy mialoha ny hikatonan'ny biraom-pifidianana, mbola mijoro milahatra handrotsa-bato amin'izay eritreretin'ny rehetra ho fifidianana marina sy malalaka voalohany amin'ny tantaran'i Tonizia ny mpifidy.

@Karim2k misiokantsera:

ow.ly/i/jKjR 4ora folakandro fa mbola mirona mankany amin'ny foibem-pifidianana ihany ny olona.

Renin i Bouzizi tao amin ny foibem-pifidianana iray, Saripika <a href='http://twitpic.com/74njrw'>@nashmiq8</a> via twitpic

Heniky ny sarangam-piainana rehetra ny biraom-pifidianana, vonona ny haneho ny safidiny sy ho re amin'ny heviny avokoa ny Toniziana. Anisan'izany ny renin'i Mohamed Bouazizi, ilay mpivarotr'anana sy voankazo izay nandoro ny tenany tao Sidi Bouzid tamin'ny 17 Desambra 2011 ka niteraka ny hetsi-panoherana nampiala ny filoha teo aloha Zine Al Abideen Ben Ali.

Ranomaso, fihetseham-po sy fahatsapana ho manana rehareha sy sambatra no nameno ity androm-pifidianana ity. Indreto ny domberina sasantsasany avy amin'ny mpifidy Toniziana amin'ny alalan'ny tenifototra #tnelec.

@MedAliChebaane:My mom never voted before. Had a hard time trying to stop her tears 🙂 She made my day!

@MedAliChebaane:Tsy nifidy mihitsy ny reniko hatramin'izay. Sahirana nampangina azy 🙂 Lany taminy ny androko!
تونس واقفة في طابور ,طابور جماعي ينتظر الديمقراطية ,,النظام والصبر أول خطوة نحو الديمقراطية حقيقة فخورة بوعي وتحضر التونسيين #Tnelec
@tounsiahourra: Mijoro ao anaty filaharana i Tonizia, filaharan'ny olona miandry ny demokrasia, filaminana sy faharetana no mampiseho ny dingana voalohany mankamin'ny demokrasia, Mirehareha amin'ireo Toniziana liam-baovao sy sivilize aho.

@Styledeouf: I waited about 2h 45 minutes to vote. #worthwaiting #tnelec

@Styledeouf: Niandry adiny telo latsaka fahefany aho ahafahana mifidy. #worthwaiting [mendrika andrasana]

@Emnabenjemaa: Ce qui se passe en Tunisie est unique dans le monde. tout le monde est tres content d'avoit un doigt tout sale avec de l'encre bleu #TnElec

@Emnabenjemaa: Tokana aman-tany ny zava-mitranga eto Tonizia. Faly amin'ny fisiana fanondro misolitiky ny ranomainty manga avokoa ny rehetra

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.