Tonizia: Fihaonana Amin'ny Tantara

Handeha hifidy ny Antenimieran-dalàmpanorenana ny Toniziana androany, solontena misahana ny famolavolana ny lalàmpanorenana vaovao sy ny fanendrena ny governemanta vaovaon'ny tetezamita. Tamim-kafaliana no nandatsahan'ireo Toniziana rehetra maneran-tany vato tao anaty vata tamin'ity andrana demokratika ao amin'ny firenena ity, izay arahin'ireo Arabo manerantany akaiky. Fotoana talohan'ny fifidianana, naneho ny fihetseham-pony ireo mpamaham-bolongana manoloana ity andro mana-tantara ity.

Fifidianana Toniziana (Sary avy amin'ny Solombavahoaka Eoropena, notontosain'ny CC BY-NC-ND 2.0)

Kiffe Grave nanambara hoe:

 

Demain 23 Octobre 2011, je vais posé la dernière pierre sur ta tombe!
Demain tu n’aurais droit ni au fleurs, ni au pleure!
Demain, mort et enterré tu seras!
Demain, la dictature on décapitera!
Demain avec des millions de tunisiens nous allons donner de la voix,
Demain avec des millions de tunisiens nous allons donner naissance à la Tunisie Libre.
Demain avec des millions de tunisiens nous allons vivre en citoyens libres.
Demain est un rendez-vous avec l’Histoire,
Demain nous allons écrire l’Histoire,
Demain nous allons faire l’Histoire.
Demain rien ne sera plus jamais pareil,
Demain rien ne devra jamais plus être pareil,
Demain rien ne saura être pareil.
Demain, hommes et femmes seront égaux,
Demain, tous les tunisiens seront égaux,
Demain, nous seront tous égaux.

Rahampitso 23 Oktobra 2011, hametraka ny vato farany eo amin'ny fasanao aho!
Rahampitso tsy hahazo voninkazo, na hitomany ianao!
Rahampitso, ho faty ianao ary halevina!
Rahampitso, ho tapahi-tenda ny mpanao didy jadona!
Rahampitso miaraka amin'ny Toniziana an-tapitrasany, haneho ny safidintsika isika,
Rahampitso miaraka amin'ny Toniziana an-tapitrasany, hanangana Toniziana vaovao afaka isika.
Rahampitso miaraka amin'ireo Toniziana an-tapitrasany, hiaina ho toy ny olom-pirenena afaka isika.
Rahampitso no ho fotoana manan-tantara,
Rahampitso, hanoratra tantara isika,
Rahampitso, hanao tantara isika.
Rahampitso hiova tanteraka avokoa ny zava-drehetra,
Rahampitso tsy hisy intsony ny zavatra mitovy,
Rahampitso tsy hisy zavatra tokony hitovy intsony.
Rahamitso, hitovy avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy,
Rahamitso, hitovy avokoa ny Toniziana rehetra,
Rahampitso, hitovy avokoa isika rehetra.

Man Gusta nanoratara hoe:

Je ne voterai pas pour un parti libéral.
Je ne voterai pas pour un parti communiste.
Je ne voterai pas pour un parti islamiste.
Je ne voterai pas pour un parti héritier du RCD.
Je voterai pour une Tunisie libre, arabe et musulmane, juste, égalitaire, progressiste et humaniste.

Tsy hifidy ho an'ny antoko liberaly aho.
Tsy hifidy ho an'ny antoko komonista aho.
Tsy hifidy ho an'ny antoko Islamista aho.
Tsy hifidy ho an'ny antoko mpandimby ny RCD aho.
Hifidy ho an'ny Tonizia afaka aho, Arabo, Miozolomana, marina, mitovy, mandroso ary manam-panahy.

Tao amin'ny lahatsoratra antsoina hoe “My Declaration” “Ny Fanambarako”, Zyed nilaza hoe:

Le sommeil boude mes paupieres
Je leve les yeux et j espere
Non.. Je crois, en un avenir meilleur

Mes larmes coulent de joie
Et je ne les retiens pas
pour la premiere fois

J'y trompe ma plume et j ecris
Le reve de toute une vie
Le reve de tout un pays

Ny torimaso mandositra ny hodi-masoko
Ahiratro ny masoko ka manantena aho
Tsia… Mino ny hoavy mamiratra ahoMirotsaka ny ranomasom-pifaliako 

Ary tsy voatanako izany
vao voalohany

Lemako ao ny peniko ka manoratra aho
Ny nofin'ny fiainako rehetra
Ny nofin'ny firenena rehetra

Notohizany hoe:

Demain je vais voter
Demain je vais exister
Citoyen je serai

Je choisirai en mon ame est conscience
Le chemin vers la delivrance
Loin des sales maniguances

Mon pays sera libre et fier
Son peuple unis et solidaire
Cherissant cette dignité qui nous est chere

Une nation s'erigera
Des tenebres elle emergera
Son destin elle accomplira

Mon pays, mes frere et amis, a defaut de vous donner mon sang.. Je vous offre ma voix

Rahampitso handeha hifidy aho
Rahampitso hiseho aho
Ho olom-pirenena aho
Hifidy am-panahy sy am-piheverana aho

 

Ny lalan'ny famelana
Lavitry ny fikatsahan-dratsy

Ho afaka ny hirehareha ny fireneko
Hiray hina sy hiara-hiasa miaraka ny vahoakany
Hankatò ity anjara lehibe ho antsika ity

Hitsangana ny firenena
Hiseho avy amin'ny aloka izany
Ho tanteraka ny anjarany

Ny fireneko, ny rahalahiko sy ny namako, satria tsy afaka nanome rà ho anao aho… Atolotro ho anao ny feoko

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.