Hong Kong : Maninona No Bodoina Ny “Foibe”?

Ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny #Bodoy ny Tontolo.

Vondrona iray misy ireo mafàna fo ao Hong Kong no nibàhana ny rihana ambany amin'ilay trano avo lehibe malaza atao hoe HSBC tao amin'ny Distrika Foibe efa ho herinandro nanomboka ny 15 Oktobra 2011, mba ho setrin'ny antso faobe ho amin'ny firaisan-kina miaraka amin'ny “Fibodoana ny Wall Street”

Na dia hitan'ny olona sasany ho diso ideôlôjika loatra aza ilay teny faneva manao hoe “Ambany Ambany ny Kapitalisma”, ilay fibodoana dia nanome toerana hisainana ho an'ny olona mba hijereny ny olana misy eo amin'ny sehatra ara-toekarena izay nanilikilika ny maro an'isa.

A group of activists are camping on the ground floor of HSBC. Photo from Occupy Central Hong Kong.

Vondrona iray ahitàna mafàna fo nitoetra teo amin'ny rihana ambanin'ny HSBC. Sary avy amin'ny Occupy Central Hong Kong.

Ity manaraka ity dia lahatsary fohy maneho ny hetsi-panoherana fanombohan'ny firaisankina ny 15 Oktobra,  tao amin'ny Kianjan'ny Fifanakalozana na “Exchange Square” ao Hong Kong,  nalefan'i RishiWei tao amin'ny YouTube.

Ilay Vondron'ireo Mpianatra Avy amin'ny Elatra Ankavia ao amin'ny Anjerimanontolo Sinoa dia nanoratra  fanambarana iray [zh] izay mamintina ny olana misy ao Hong Kong :

香港的社會問題簡直數之不盡,譬如說香港的堅尼系數在全球數一數二與非洲國家睇齊,貧富極度懸殊,有錢人把社會財富通通都搜刮到自己的口袋裡,窮人就只管賺那僅僅足夠維持生活的微薄薪金;地產霸權主宰人民生活,瘋狂炒樓讓樓價攀升到一個前所未有的水平,後生的就要供死一世樓,永遠做著地產商的奴隸,官員還視之理所當然。

關鍵的是:這些問題從何而來?讓我不厭其煩地重申左翼學會的立場--這些問題的根源就是資本主義的經濟結構。當各大資本必須不斷賺取最大利潤以滿足自身累積的需要,它就必須剝削勞動者… 我們認為,要真正根治這些社會問題,就只有推翻整個資本主義制度一途。

或者我們都被獅子山精神洗腦得太多,或者我們都視而不見,或者我們根本就不知道這些問題的根源──亦因此在香港這幾十年之間,反對資本主義的聲音幾近絕跡,連一次打著「反資」旗號的社會運動也未見出現。

就著這一個反資聲音極度薄弱的處境,這次佔領中環(Occupy Central)的運動便是一次絕好的時機。

Misy olana ara-tsosialy be dia be ao Hong Kong.  Ny Gini index ” dia mitovy amin'ireo firenena Afrikana, goavam-be ny fiparitahan'ny vola miditra. Ny mpanankarena maka ny harena rehetra ho any anaty poketrany raha toa kosa ny mahantra ka mila tsy ho afaka hamelona ny tenany. Ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny trano no mibaiko ny fiainan'ny mponina, ny vidin'ny trano dia nitombo be tsy misy toy izany ka tsy maintsy handany ny fotoanany  hiasàna be toy ny andevo ny olona ho an'ireo mpandraharaha ireo ary ny governemanta mandray izany ho toy ny mandeha ho azy.

Ireny  resaka resahana ireny ve no  nipoiran'ireny olana rehetra ireny ? Andao haverintsika hatsangana ny vondrona iarahantsika mianatra.  Ireny olana rehetra ireny dia avy amin'ny rafitry ny kapitalisma.  Ny kapitalisma dia mila mitrandraka ireo mpiasa ho fanangonan-karena … Vahaolana iray maharitra amin'ireo olana ireo ny fanafoanana ny rafitra kapitalista.

Angamba nosasàna efa ho fotoana ela tamin'ny fanahin'ny Lion Rock [marika amantàrana an'i Hong Kong] ny atidohantsika na angamba tsy azontsika ny fototra nipoiran'ilay olana.  Izay no antony tsy nahenontsika velively hatramin'izay fanambaràna manohitra ny kapitalista  na tsy mbola nanatrehantsika maso hetsika sosialy fanoherana ny kapitalista na kely aza.

Ny mpanohitra ny kapitalista dia tena malemy ary io hetsika “Bodoy i Central” io dia tena fotoan-dehibe fanararaotra tokoa.

Protest Banner on October 15, 2011, Hong Kong. By inmediahk.net CC: NC-SA

Sora-baventin'ny mpanao hetsi-panoherana ny 15 Oktobra 2011, Hong Kong. Avy amin'ny inmediahk.net CC: NC-SA

Sarotra ho an'ny filazam-baovao efa mahazatra ao Hong Kong ny mijanona eo akaikin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny fanontanian'ilay Bilaogera B irdlw [zh] no maneho ny ahiahy iraisan'ny olona :

歐美經濟差, 赤字債務高, 失業率高, 民怨高, 有此行動, 我可以理解。
但是, 香港經濟穩定, 失業率只有3%, 為何要發起「佔領中環」這種活動?
我真的不明白。
示威者想表達什麼, 或爭取什麼?
給他們佔領中環之後, 又會做什麼? 大肆改革香港的金融體系?
如何改變? 朝哪一個方向改變? 哪個方向是香港市民會接受的?
如果, 示威者沒想過要改革金融業。那麼, 「佔領中環」這項行動的意義何在?是為了示威而示威? 玩完, 吵完, 再找別的活動來示威?
金融業是香港一項十分重要的行業, 有很多人賴以為生, 一旦被動搖了, 將會有很多人失業, 政府從金融業方面的稅收減少, 社會福利開支定必縮減, 影響之大, 「佔領中環」的示威者有沒有想過?

Ny Toekarena  ao Eraopa sy Etazonia dia tena ratsy be. Ny trosany, ny tahan'ny tsy an'asa ary ny fitotonganan'ny sosialiny dia tena mampanahy ihany. Azoko ny hetsika ataon'izy ireo.
Na izany aza, ny Toekaren'i Hong Kong dia marin-toerana, ny tahan'ny tsy an'asa ato amintsika dia 3% fotsiny, maninona no mbola bodoina ny “Central”?
Tena tsy azoko mihitsy.
Inona no tena tian'ireo mpanao fihetsiketsehina hambara sy hitokonany?
Aorian'ny fibodoan'izy ireo ny “central”, dia inona indray ny manaraka? Fanavaozana tanteraka ny rafitra ara-bola hatrany amin'ny fotony ao Hong Kong?
Ahoana no hanaovana izany? Ahoana no haneken'ny mponina ao Hong Kong ny fiovàna toy izany?
Raha tsy nisaina ny hanavao ny rafitra ara-bola ireo mpanao hetsi-panoherana, inona izany no anton'io fibodoana io? Noho ny fitia te-hanao hetsi-panoherana fotsiny ve? Aorian'io fetin'ny hetsi-panoherana io, hitady lohahevitra hafa hanaovana hetsi-panoherana indray ve izy ireo?
Ny indostrian'ny fampiasam-bola dia sehatra iray manan-danja tokoa ao Hong Kong. Betsaka ny olona no miantehitra amin'io ny fivelomany. Raha vao kitihana izany, betsaka ireo olona no ho very asa. Ny hetra miditra amin'ny governemanta dia hihena aryho tapaka ny fiahiana ara-tsosialy ny mponina. Mba noeritreretin'izy ireo ve izany zavatra rehetra izany?

Anthony Chung dia nino fa [zh] ny tsy fiparitadritahan'ny vola miditra dia zavatra tsy azo ialàna satria tendan-kanina ny olona :

 

假如…現在政府宣佈,所有人的財富要拿出來均分!
假如…李嘉誠的身家也要分,每人 100 萬、1 個物業。
不出 10 年…大部份財富又會回到現在的有錢人手裡!
當大部份小市民,高高興興的拿著這些資產享受人生…
中環的金融高手,還是會用花碌碌的金融產品,引發散戶貪念,將財富塞進自己口袋。旺角、銅鑼灣的生意高手,還是會引進人人趨之若鶩的時尚商品,毫不留情大賺一筆。各區各地的物業投資高手,還是會運用眼光與財技,一層樓變兩層樓、四層樓。
他們贏的…是洞悉遊戲規則,有理財智慧、執行力而己!
貧富懸殊?…政府救不到我們,只有我們自己能自救。

Na dia ho zarain'ny governemanta mitovy aza ny fananana rehetra amin'izao fotoana izao, na dia ho zarain'i Li Ka-shing amin'ny olon-drehetra ao Hong Kong aza ny fananany ka hahazo iray tapitrisa tsirairay avy sy efitrano tsirairay avy isika, afaka 10 taona dia hiverina amin'ireo sokajin'olona ireo ihany ny harena.
Ny olona sasany dia handany ny volany amin'ny fanaovana izay danin'ny kibo… ny manam-pahaizana ara-bola ao dia handranitra ny hetahetan'ny olona amin'ny fomba fampiasam-bola rehetra ary dia hamindra ny volan'izy ireo anaty poketrany manokana. Ny manam-pahaizana manokana amin'ny fandraharana ao Mongkok ary ao Causeway Bay dia hampiditra vokatra manara-damaody mba hahazoam-bola. Ny manam-pahaizana manokana amin'ny trano fonenana dia hampiasa vola amin'ny fanorenan-trano ary dia hahazo trano fonenana maro hatrany.
Mandresy izy ireo satria fantany ny fitsipi-dalao ary hainy tsara ny mitantana ny hareny. Fiparitahan'ny vola miditra? Kely ihany no afaka ataon'ny governemanta, ny tenanao ihany no afaka ianteheranao.

Chiu08112003 tetsy ankilany, nanamafy fa voalohany indrindra dia tsy rariny ny fitsipi-dalao, indrindra indrindra fa taorian'ny famerenana an'i Hong Kong ho an'i Shina. Nofaritany tamin'ny fomba mahatsikaiky ilay raharaha [zh]:

八十後和另類窮光蛋不甘血汗被榨盡變成肉餅,懷念毛澤東打土豪分田地蠢蠢欲動,屁言要罷工造反打劫鬧革命,分光財主高樓大廈與身家,讓股市崩塌,鈔票天女散花任人拾撿;財主針鋒相對不屑一顧,如妖龍一樣仰頭要挾中央,屁言若閉上血盆大口棄葷食素,自己就會腰挾金銀財寶遠走他鄉,到時香港就豈不風雨交加黑運當頭?

回歸後的政府變成木偶,操桿拉線的卻是中央政府和財團富豪,他們一方面口口聲聲保護香港的經濟自由,實際上這個說辭只是保護壟斷盤剝利益的遮羞布。他們一方面卻拖慢開放市場的步伐,強化財閥主導或壟斷市場;或以名目繁多的藉口向他們提供土地發展權或其他特殊優惠,令他們在屁民視野以外獲得巨大的商業及經濟利益。資本在地產壟斷中和政府勾肩搭背,以高地價和高准入門檻排擠中小地產商,手中牢牢掌控大部分香港的地產資源,絕對掌握地產的利潤空間;資本若橫向轉移到其他銷售行業,則以壓迫供應商的手法拒絕供貨予其他競爭對手,從而使自己成為行業的不倒翁。香港大型企業壟斷市場的趨勢日益明顯,超級市場的寡頭壟斷、鐵路公司以及巴士公司的合併都顯示著在某些市場裏已沒有中小企業容身之地。

政府睜一隻眼閉一隻眼,任壟斷在香港各類市場上下其手。壟斷本質上是經濟自由的羈絆,最後導致經濟的極端不自由,特別是體現在對經營自由和屁民消費自由的侵害上,經濟自由度實際上成了自由壟斷的藉口。大亨們和小企業商販玩的競爭遊戲,如同一個端着一挺資本機關槍的壯漢和一個小屁孩對決,有人看不過眼給小孩一條破竹棍,貪婪的壟斷階層大為不滿,發動吹鼓手長舌婦侈談『公平』,責怪社會偏幫這個小屁孩。這些巧舌如簧者真有些『信口放屁,何患無味』的蠻橫。香港多年在資本壟斷的干擾下無法建立起反壟斷法,這樣的市場算自由嗎?

Ny andian-taranaka taorian'ny taona 1980 sy ny lehilahy mahantra eo anelanelany eo dia tsy te-ho voaporiporitra velively anaty fitotoan-kena. Tsy nahatratra ny fizaràna tany nataon'ny Filoha Mao ho an'ireo tompon-tany ry zareo, ka dia miteniteny hadalàna momba ny resaka fitokonana, fitroarana, hala-botry sy ny revolisiona. Tian'izy ireo ho zaraina ny efitrano sy ny haren'ny tompon-tanàna, tiany hitotongana ihany koa ny tsena, tiany hilatsaka avy any an-danitra ny vola; miverina miady indray ny mpanankarena. Toy ny dragona, manao izay hahasempotra ny governemanta foibe izy ireo, miteny toy ny adala fa raha toa ka avelan'ny governemanta ho lasa mpifady hena (vegetarien) izy ireo ary mitsahatra tsy mihinana hena intsony miaraka amin'ny vavan'antsantsany, dia mety haka ny volan'izy ireo rehetra izy ireo ka hifindra monina any ho any. Ary hilatsahan'ny varatra i Hong Kong.

Hatramin'izay namerenana an'i Hong Kong ho an'i shina izay, ny governemanta dia lasa saribakoly vorodamban'ny governemanta foibe sy ireo mpanam-bola. Milaza izy ireo fa miaro ny fahalalahana ara-toekaren'i Hong Kong, kanefa izany dia toa fanakonana ny fibodoany sy ny fomba fanararaotany. Mamindra miadana izy ireo amin'ny fanokafana lalàm-barotra hanamafisany ny ampihimambany; na koa mampiasa ny ala-olana rehetra mba hahazoany sitraka manokana amin'ny zo ho fampandrosoana marina ny tanàna. Ireo olon-dresy dia tsy hahalala velively ny fomba nahazoany tombony ho azy. Ny kapitalista dia miara-miasa amin'ny governemanta amin'io resaka ampihimamba io. Ny fiakaran'ny vidin-tany dia nanaporitra ireo  mpandraharaha madinika teo amin'ny tsena ary dia ireo mpandraharaha goavana no mibaiko ny vokatry ny tany sy ny tahan'ny tombony azo. Manitatra ny fahefany ho any amin'ny resaka hafa izy ireo toy ny indostrian'ny varotra, tamin'ny alalàn'ny fanerena ireo mpamatsy mba hanome azy ireo ny zo hanao ampihimamba ny famarotana ny zavatra vokarin'izy ireo .Ny fihetsik'ireo mpandraharaha lehibe ireo amin'ny fanaovana ampihimamba ny tsena dia mihamazava. Ny fanaovana ampihimamba ny varotra an-tsinjarany, ny fitambarana ho iray teo amin'ny orinasan-dalàmby vao misondrotra sy ny fiarakaretsaka dia nanilika ny Orinasa Madinika sy Salantsalany hivoaka ny tsena.

Ny governemanta dia toa manadino ny ampihimamba ary mamela ireo  mpandraharaha lehibe hibaiko ny tsena. Ny tena atin'ny fanaovana ampihimamba mantsy dia mifanohitra amin'ny fahalalahana ara-toekarena ary mety hanelingelina ny tontolon'ny fandraharana sy ny zon'ny mpanjifa. Ilay antsoina hoe Toekarena malalaka dia fialàna olana fotsiny amin'ny fanaovana ampihimamba. Ny fifaninanana misy eo amin'ireo fandraharahana lehibe sy ny fandraharana madinika dia toy ny ady eo amin'ny lehilahy mitam-piadiana iray sy ankizikely iray, na izany aza rehefa misy olona manome tànana ankizy mba hiarovany tena dia tsy faly ireo mpanao ampihimamba ary milaza ireo mpivarotra ao aminy sy ireo vehivavy be resaka ka manome lesona momba ny “rariny”, manome tsiny ny fiarahamonina tamin'ny fanampiany ny ankizy. Ny resak'adalan-dry zareo dia maimbo be.  Hong Kong dia mbola mila mandany ny lalàna momba fanoherana ny ampihimamba eo ambany aloky ny kapitaly antana-tsaka, mbola afaka antsointsika ihany ve izany fa hoe toekarena malalaka?

Hui Yuk dia mino fa [zh] ny zava-dehibe vita tamin'ilay fibodoana dia ny toera-malalaka fampieritreretana izay naterany.:

當人們能接受不需要確切的目標的時候,想像就真正開始﹕無限的訴求(infinitively demanding)。佔領中斷了我們固有的操作手法,並開拓了一個新的思考空間。我想許多人並未能真正領會這樣的驚嘆﹕「佔領竟然可以在香港發生!」。要留意「佔領」並不是一個純粹的反抗行動,例如駐地留守 、保衛家園。傳媒的鏡頭永遠只會將「佔領」視為抗爭,而無法理解「佔領」實踐上的多層意義。最基本的,是它嘗試顛覆空間既定的符號(symbol),例如將一個辦公室當成了住所,將那裡工作的人當成客人或者入侵者,於是人們重新建立空間的秩序,行動者重新去論釋空間、物件的使用,使他們從一個使用者、消費者的被動身分,重奪(re-claim)他們的主權。

Rehefa manomboka manaiky tanjona tsy voafaritra ny olona, manomboka maminavina izy ireo, izay toetoetrin'ny fangatahana. Ilay  fibodoana dia nanelingelina ny fahazaranay ary habaka fisaintsainana. Mila mahazo aloha ny olona ary mihika hoe : ny fibodoana dia mety hitranga ao Hong Kong! Ilaina ny mahafantatra fa ilay fibodoana dia tsy fanoherana be fahatany fotsiny toy ny fiarovana ny tranony. Ny filazam-baovao dia mahita ny fibodoana ho toy ny ady ara-sosialy fotsiny ka tsy afaka ny hahatakatra ny dikany marolafy mihitsy. Nampisavoritaka ilay toerana izany, toy ny manova ny biraony ho trano ary manova ny mpiasa ho vahiny. Ny olona dia mila mamerina manangana ny filaminan'ilay toerana ary ireo mafàna fo dia mila mamerina mandika indray ny dikan'izany toerana. Ny olona ao anatin'izany toerana izany dia miala amin'ny toerana maha-mpampiasa sy mpamjifa mpitazam-potsiny ho amin'ny mpandika mafàna fo ka nangataka ny fahavitan-tenany manaraka ny fandaminana izy ireo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.