Malawi: Ilay Tanàna miitatra Sy Ilay Tetezan'ny Mpandeha An-tongotra Andoavam-bola

Efa mahatratra 7 lavitrisa ny isan'ny mponina manerantany amin'ny faran'ity volana oktobra ity, ary hita taratra ao Lilongwe, renivohitr'i Malawi ihany koa ny fitomboan'isa vetivety raha jerena ny habetsahan'ny olona tafangona eny an-tsena. Anankiroa amin'ireo tsena ireo no eny andaniny sy ankilan'ny reniranon'i Lilongwe, izay tanana zara raha mihoatra ny 1 tapitrisa ny mponina ao aminy. Ny tsena iray natao ivarotana legioma sy vokatry ny fambolena, ny iray kosa fivarotana lamba.

Efa-taona lasa izay, raha handeha hizotra avy amin'ny tsena iray ka hankany an-tsena iray hafa ery ampita dia voatery manara-morona ny renirano, avy eo miampita ny tetezan'i Lilonwge, dia manara-morona miverina indray rehefa ery ampita. Ankehitriny, misy tetezana maromaro mampitohy ny tsena anankiroa, kanefa tsy tetezana manara-penitra izy ireo. Nataon-tanana novitaina tamin'ny hazo eo an-toerana ireo tetezana ireo.

A hand-made bridge connecting two markets across the Lilongwe river

Tetezana nataon-tanana mampitohy ny tsena roa manamorona ny renirano Lilongwe. Avy amin i Steve Sharra (CC-BY)

Ny tetezana hitantsika eo amin'ny sary eo ankavanana dia nataona 7 lahy, ary io no fidiram-bolan-dry zalahy. Mifandimby ry zareo miandraikitra ny tetezana, manomboka amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 7 hariva, izany hoe rehefa maizina sy mikatona ny tsena.

Miditra any am-paosin'izay miandraikitra ny tetezana ny vola miditra mandritra ny andro. Avy amin'ny vola azony no nilazan'i Samuel Mbwe tamiko fa nanokafany fivarotana enta-madinika.

Maka K10,00 ($0,06 US na manakaiky ny ariary zato) isan'olona miampita ny mpanori-tetezana.

Vahaolana amin'ny tsy fananana asa sy ny fitomboan'isan'ny mponina an-tanan-dehibe

Ny alahady 2 oktobra 2011, nahita an'i Samuel Mbwe sy Kayen Kayanka, nijoro teo amin'ny  tetezana namboariny aho. Nandritra ny telo taona nananan-dry zareo tetezana teo dia tsy nanisa ny  olona niampita teo isan'andro mihitsy ry zareo. Kanefa nilaza tamiko i Samuel fa mahazo eo amin'ny MK9000 eo izy (54 dôlara) rehefa milamindamina, ary mahatratra MK25000 (150 dôlara) rehefa tsara ny tsena.

Raha  MK10 isan'olona no vola aloa, dia anelanelan'ny 900 hatramin'ny 2500 noho izany ny olona miampita ny tetezana isan'andro. Kanefa tombatombana ihany izany, satria misy ny olona tsy mandoa afa-tsy K5, ary ny sasany aza tsy mandoa mihitsy na kely aza, toy ny namana sy ny mpiara-miasa.

Samuel Mbewe and Kayen Kayanka with friend

Eo amin ny asa ambonin ny tetezana renirano Lilongwe, Samuel Mbewe sy Kayen Kayanka miaraka amina namana. Avy amin i Steve Sharra (CC-BY)

Tsy natao ho an'ny olona mora marary an-doha na mora fanina ny tetezana. Mandeha miadana ny zazavao, fa ny efa zatra kosa mandeha haingana tsara ohatry ny hoe mandeha  Air Jordan manao basikety.

Bilaogera Soisa iray, Janique Racine, nanoratra tamin'ny 2007 mikasika ny  tahotra rehefa miampita ny tetezana mitsingevana. Hoy izy:

Mazava ho azy fa tsy te hijery any ambany ianao kanefa tsy maintsy mijery any ihany satria sao dia mandeha any amin'ny tsy misy na inona na inona ny tongotra!

Misy loza hafa koa atahorana. Tondraka ny reniranon'i Lilongwe rehefa fotoam-pahavaratra. Simban'ny tondra-drano ny tetezana, kanefa amboarina indray rehefa tapitra ny fotoam-pahavaratra . Tamin'ny volana janoary tamin'ity taona ity dia  lehilahy iray no maty an-drano nandritra ny fiampitana ny tetezana.

Tamin'ny volana jolay tamin'ity taona ity ihany, tovolahy maromaro (tsy misy vehivavy hatramin'izao) no nifanaraka fa hanangana “sendikàn'ny tetezana”. Nifanaraka izy ireo fa tokony hanangona K200 (1,20 dôlara) isan'andro amina boatin-drakitra iraisana. Izany hoe MK803.000 (4.808 dôlara) isan-taona. Ny tanjon'ny sendikà dia ny hanohana ny mpikambana raha misy fahafatesana na amin'ny fotoanan'ny manjo na tratran'ny voina. Nanontany aho mikasika ny fampiasam-bola amin'ny ho avy, kanefa mbola tsy manana izy ireo aloha hatramin'izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.