Peace & Sport : Fifampiresahana sy Filaminana Amin'ny Alalan'ny Fanatanjahantena

Meday alimo nandritra ny Lalao Olaimpika 1984, tompondaka erantany amin'ny taranja pentathlon [dimy indray miaraka] maoderina tamin'ny 1987, Joël Bouzou no mpanorina sy filohan'ny Peace and Sport, fikambanana miaro ny fandriampahalemana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, niorina tamin'ny 2007. Te-handrafitra fandriampahalemana maharitra manerana ny tany ity tetikasa ity.

Burundi : le centre sportif Peace & Sport de Gihanga  - Photo Peace and Sport

Burundi : foibe fanatanjahantena Peace & Sport ao Gihanga – Saripika Peace and Sport

Any amin'ny firenena izay idirany an-tsehatra, miara-dia amin'ny mpandray anjara ao an-toerana eo amin'ny fandrafetana sy ny fametrahana fandaharan'asa ho an'ny tanora marefo ary amin'ny fanatsarana ny fotodrafitrasam-panatanjahantena misy ao an-toerana sy izay efa potika nandritra ny fifandonana mitam-piadiana ny Peace and Sport.

Ao Burundi, ohatra, Peace & Sport no mamatsy vola ny fanavaozana ny kianjam-panatanjahantena, ny fampitaovana sy ny fanofanana ny mpanentana ara-tsosialy sy ara-panatanjahantena. Ankizy mpianatra na niala tamin'ny fianarana 300 ao Gitegha, kamboty noho ny ady ary ankizy tsy manan-kialofana avy amin'ny arabe manodidina, no nampianarina hilalao fandakabaolina, atletisma, karate, biathle (hatramin'ny 2008), judo, volleyball, basketball ary tennis madinika. Nisy ihany koa ny fikarakarana fifaninanana eo amin'ny samy fokontany ho amin'ny fampihavanana sy fanabeazana ary ho amin'ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana ihany koa.

Iray amin'izany andian-tanora izany i Pascal, 16 taona, mpialokaloka teo aloha ary mieritreritra ny hilalao baolina ao amin'ny ivotoeran'i Gihanga
:

Le sport, ça m’aère la tête. Quand je joue au football, je dépense beaucoup d’énergie : du coup, je ne pense plus à la mort de mes proches, je m’enlève les pensées noires de l’esprit. Ça me tranquillise. En plus, grâce au football, je peux mieux discuter avec les autres enfants : j’apprends à les guider, sans les commander forcément, j’aime bien ça. 

Manadio ny saina ny fanatanjahantena. Mandany angovo betsaka aho rehefa milalao fandaka baolina : eo noho eo ihany dia adino ny fieriteretana ny havako maty, esoriko ny eritreritra maizina ao an-tsaiko. Mampitony ahy ilay izy. Ankoatra izany, noho ny fandaka baolina dia afa-mifampiresaka amin'ny ankizy hafa aho : mianatra ny manoro lalana azy ireo, tsy voatery hibaiko, izay rahateo no tiako.

Tany Côte d’Ivoire, nandritra ny fikorontanana politika sy ny adim-poko tamin'ny fiandohan'ny taona 2011, dia niditra an-tsehatra ary mbola any amin'ireto tanàna manaraka ireto ny Peace & Sport : Bouake, Abidjan (Marcory), Daloa, Man ary Yamoussoukro amin'ny fanohanana ny ONG any an-toerana mba hahazoan'ankizy eo ho eo amin'ny 600 eo fandaharam-pampianarana sy famerenana ny ankizy eny anivon'ny fiaraha-monina (fampianarana mamaky teny sy manoratra, fahasalamana, fahaiza-miaina anivon'ny fiaraha-monina)

Nahoana ianao no nanangana ny Peace & Sport ?

Joël Bouzou miaraka amin i Nelson Mandela – Saripika: vohikala Peace & Sport

Joël Bouzou : Nanangana ny Peace and Sport aho tamin'ny 2007 satria , fantatrareo aho fa nahazo meday olaimpika, hitako ny fahafahan'ny fanatanjahantena mampiray hina ny olona na dia eo aza ny fahasamihafana eo amin'ny safidy politika, na ara-piarahamonina, na ara-poko na fivavahana, ary matetika na dia eo anivon'ny fifanandrinana anatin'ny planeta aza.

Aiza ny firenena efa niasanareo ?

JB : Efa nifandray sy nandrindra fandaharan'asa tamina firenena 7 izahay : Côte d’Ivoire, Burundi,  Timor Atsinanana,  KolombiaHaïtiIsiraëly-Palestina ary ny vao haingana teo ny tao R. D. Kongo.

Aiza ho aiza moa no ahafahanareo mieritreritra fa mampiroborobo ny fandriampahalemana ianareo ?

JB : Ho ahy ny fandriampahalemana tsy hoe rehefa tsy misy ady miseho : ampianarina, ianarana ary ifampitana ny fandriampahalemana. Fitaovam-pampianarana mahomby ny fanatanjahantena. mora aorina, na tsy misy foto-drafitr'asa aza. Efa misy rafitra ny mampianatra azy hanampy ny tanora marefo hitombina ara-tsaina sy hanana marika ifikirana. Mianatra ny te-hivoatra indray sy ny hahomby. Mahita indray ny lalan'ny fiaraha-mientana, ny fifampizakana ary ny firahalahiana indray ry zareo. Mianatra ny manatona ny hafa, mianatra ny mandresy ny fitsaratsara-poana ary mianatra ny hiresaka.

Peace & Sport, izay teo ambany fiarovan'ny Printsy Albert II de Monaco, manentana ihany koa ny ekipa Champions de la Paix, izay mampivondrona atleta avo lenta 56 manerantany, ery manome loka ihany koa ho an'ny fikambanana isan-toerana na hetsika ara-panatanjahantena, tahaka ny fikambanana Skateistan ohatra, izay mampianatra skate board amin'ny ankizy Afghana lahy sy vavy.

Ny 21 septambra, nandritra ny Andro Iraisampirenena momba ny Fandriampahalemana, dia nikarakara varavarana misokatra manokana ihany koa ny ivontoeran'ny Peace & Sport mba hampakarana ny sandan'ny fanatanjahantena.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.