Tontolo Arabo: Mandria Am-piadanana Steve Jobs

Misaona ny tontolo Arabo noho ny fahafatesan'i Steve Jobs , mpitarika manana vina ao amin'ny orinasa Apple. Mameno ny valantserasera ny Fanomezam-boninahitra azy ary taitra tamin'ny torimasony ny mpiserasera raha nandre ny vaovao.

Avy any Arabia Saodita, Aziz Shalan ni-tweet hoe:

شكراً ستيف، ماقدمتة لنا ليس منتجات ربحية، بل فرصة لتغير عالمنا #Stevejobs #StevejobsAR
@Azizshalan: Misaotra anao Steve. Tsy vokatra nitondra tombotsoa ny zavatra nomenao anay fa zavatra iray lehibe manova ny fiainanay.
RIP Steve Jobs. Image by Flickr user noppyfoto1 (CC BY 2.0).

Mandria am-piadanana Steve Jobs. Sary: mpisera Flickr noppyfoto1 (CC BY 2.0).

Ahmed Naguib, terantany ejypsianina nanamarika hoe:

@ahmednaguib: Miresaka momba an'i Steve Jobs avokoa ny Aterineto rehetra. Izany no maha-olona manana ny lanjany sy ny maha izy azy. #SteveJobs

 

Shaden Fawaz, avy any Ejypta ihany koa, nanampy hoe:

@shadenfawaz: “Teraka ivelan'ny fanambadiana i Steve Jobs, zaza natsangana nanomboka tamin'ny fahaterahany izy, tsy nanohy ny fianarany hatramin'ny farany, ary nanova izao tontolo izao avy eo. Inona indray no mbola holazainao?”

Saleh Al Braik avy any Etazonia, nanoratra hoe:

@FearlessinDubai: #MisaotranaoSteve noho ny nanomezanao hery sy zoto ho an'ny tanaraka ankehitriny mba tsy hiala amin'ny nofinofiny. #RIPSteveJobs

Saingy raha tsy noterena napetraka tamin'izany ny finoana, tsy ho Afovoany Atsinanana mihitsy izany.

Bassem Sabry, avy any Ejypta nampahafantatra anay hoe:

شخص شبه معروف على تويتر كتب تويت بيطالب المسلمين بعدم الحزن او الدعاء لستيف جوبز لأنه غير مسلم. المهم انه كتب تلك التويت من iphone…

@Bassem_Sabry
: Nisy olona sasany somary-malaza ni-tweet mba hiantso ny Miozolomana tsy halahelo na hivavaka ho an'ny fanahin'i Steve Jobs satria tsy Miozolomana izy. Ny zava-dehibe dia ny nandefasany ny tweet-ny tamin'ny alalan'ny iPhone

Dalia nanambara mafy hoe:

@Daloosh: Ry namana #Salafi: raha hi-tweet hanohitra ny fisaonana ho an'i Steve Jobs ianao, miangavy indrindra anao tompoko tsy hanao izany amin'ny Iphone. #RIDICULOUS

Ho an'ilay bilaogera Jordanianina Roba Al Assi, zavatra manokana kokoa ny fahalasanany. Nibilaogy izy hoe:

Vao haingana, nanontany ahy ny namako raha hitomany aho raha misy olo-malaza hindaosin'ny fahafatesana. namaly aho hoe, “Eny indrindra, tsy hitomany aho”.

Kanefa androany maraina, raha vao nifoha aho dia nahare vaovao mahatsiravina momba ny fahafatesan'i Steve Job.

Nitomany aho.

Tsy olo-malaza i Steve. Lehilahy nanova izao tontolo izao izy.

Tsy nitomany noho ny fahalasanan'ilay lehilahy marani-tsaina ihany aho. Fa nitomany noho ny fahafatesany. Maty noho ny homamiadana. Maty noho ny homamiadan'ny sarakaty. Kanefa mbola vao 56 taona monja izy. Tsy noeritreretiko mihitsy ny hanoratra izao eto, kanefa very ray isika, namely azy ny aretina homamiadan'ny sarakaty, telo taona lasa izay. Tampoka tokoa izany. Vao 53 taona monja izy tamin'izany. Marani-tsaina hafa, lehilahy manam-pahaizana, no nandao antsika mandrakizay.

Mandria am-piadanana Steve Jobs.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.