Tontolo Arabo: Loka Nobel Fandriampahalemana Ho An'ny Mpiserasera Niaro ny Revolisiona??

Nientanentana tanteraka ny Twitter tamin'ny alina noho ny anaran'ilay mpiserasera Arabo voatonotonina fa mety ho kandidà voafidy hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana noho ny andraikitra nosahaniny nandritra ny Revolisiona Arabo.

Ejyptiana Wael Ghonim (@Ghonim) sy Esraa Abdelfattah (@Esraa2008) miaraka amin'ny Hetsiky ny Tanora 6 Aprily, no natonin'ny mpanoratra Toniziana ao amin'ny Global Voices Online  sy bilaogera Toniziana Lina Ben Mhenni (@benmhennilina), izay mibilaogy ao amin'ny A Tunisian Girl, araka ny voalazan'ny fampahalalambaovao Reuters. Amin'ny 7 oktobra hoavy izao no hanambarana ny Loka Nobel Fandriampahalemana.

"Free Revolution zone" image by Flickr user khalid Albaih (CC BY 2.0).

"Faritra Revolisiona Afaka" Sary: Flickr, khalid Albaih (CC BY 2.0).

Samy nanampy tamin'ny fahombiazan'ny revolisiona Ejypsiana i Ghonim sy Abdelfattah tamin'ny alalan'ny fahazotoany miserasera. Nanjary malaza eran-tany i Ghonim taorian'ny fihazonana azy 11 andro nandritra ny revolisiona Ejypsiana. Fantatra taty aoriana fa mpandraharaha iray tao amin'ny Google, Wael, no anisan'ireo mpitantana ny pejy Facebook manohana an'i Khaled Said. Noforonina ny We are all Khaled Said mba ho fanomezam-boninahitra ilay tovolahy avy any Alexandria, maty novonoin'ny polisy Ejypsiana tamin-kerisetra, izay nitarika fihetsiketseham-panoherana manoloana ny herisetra ataon'ny polisy . Nifanindry tamin'ny andron'ny Polisy ny andron'ny revolisiona 25 Janoary, daty nosafidian'ireo tanora mpanao fihetsiketsehana hanehoany ny tsy fankasitrahany ny herisetra ataon'ny polisy sy ny fanararaotam-pahefana ataon'ny fitondrana.

Abdelfattah, anisan'ny mpiara-manorina ny vondrona Facebook 6 Aprily, niforona tamin'ny taona 2008, mba hiantso ho amin'ny grevy faobe manerana an'i Ejypta ho fanohanana ny mpiasa ao amin'ny distrika mpamokatra lamba El Mahalla El Kubra. Andron'ny Fahatezerana, araka ny fahafantarana azy, nanao fanandramana hirosoana amin'ny revolisiona, ho fanentanana ny tanora hiserasera sy hampiasa tambazotra sosialy mba hampita vaovao ho an'izao tontolo izao mikasika ny fivoaran-draharaha ao an-toerana.

Tahaka an'i Ghonim, nosamborina ihany koa i Abdelfattah noho ny fahazotoany amin'ny serasera.

Mbola tsy nitantara izay mety ho eritreritr'i Ben Mhenni ny tontolon'ny bilaogy Toniziana. Ny Twitter kosa efa nilazalaza ny fihetseham-pon'ny Ejypsiana ny amin'ny mety hahavoafidy an'i Ghonim sy Abdelfattah.

Omar Elhady niarahaba ireo mety ho voafidy:

مبروك لوائل و6 أبريل وإسراء، ترشيحكم لنوبل فخر شخصي لي، وتكريم لكل شباب مصر الأحرار ‎@Ghonim‏ ‎@GhostyMaher‏ ‎@Esraa2008‏
@Asdax: Arahabaina i Wael, 6 Aprily sy Esraa. Rehareha ho ahy manokana ny fanendrena anareo handrobaka ny Loka Nobel Fandriampahalemana ary voninahitra ho an'ny tanora Ejypsiana rehetra sy ny olona afaka ihany koa

Dalia Mogahed nanazava:

@DMogahed: Fanendrena an'i @Ghonim sy Israa hahazo ny Loka Nobel  Fandriampahalemana, làlana iray ho an'ny fiombonana iraisampirenena handokandoka ny #EgyptianRevolution.

Gigi Ibrahim nanontany hoe:

@GSquare86: Inona no mety hitranga amin'ny fanendrena olon'ny revolisiona Ejyptiana hahazo ny loka nobel fandriampahalemana ?!!

Ahmed Hassan Tantawy namehy izany toy izao manaraka izao:

@Tantawist: Maro ireo Ejypsiana no mialona an'i Ghonim,Esraa & 6 Aprily ny amin'ny fanendrena azy ireo hahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana… mahamenatra tokoa #Fail #Egypt

Ghonim, no tena voatsikera indrindra amin'ny mety ho fanendrena azy.

Arabista nanoratra hoe:

@Arabista: @JustAmira tsy mendrika hahazo izany i #Ghonim. Maro ireo be herimpo tsy fantatra anarana mbola mahery fo kokoa noho izy. Mendrika fotsiny izy noho ny dokambarotra nataony

Tom Gara niaro an'i Ghonim ka nilaza hoe:

@tomgara: @Arabista tena tsy rariny izany filazana izany, tsy mba niara-dalana taminy ny fampahalalam-baovao. Saiky nolaviny avokoa ny fiangavian'ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao vahiny rehetra. @JustAmira

Tarek Shalaby niezaka nanazava.


@tarekshalaby
: Tsy heverin'ny olona ny tsindry lehibe mahazo an'i @Ghonim hatramin'ny hahafahany ary indrindra amin'izao fanendrena azy ankehitriny izao. Tsy nisy nofidiany avokoa ireo rehetra ireo.

Mohammed Abdelfattah nanampy hoe:


@mfatta7
: ny fanohanana rehetra ho an'i @Ghonim ary mirary azy mba hahazo ny Loka Nobel. Rehareha ho antsika rehetra ny lehilahy amin'izao androntsika izao.

Nandritra izany, Libyana Ghazi Gheblawi naneho ahiahy hafa. Ni-tweet izy hoe:

@Gheblawi: Manantena mba tsy ho avy amin'ny revolisiona Arabo no hahazo ny #Loka Nobel Fandriampahalemana, voahosihosy ny fahazoana azy nandritra ny fotoana maro, manahy aho fa mety hanimba ny tolom-pahafahana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.