Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana Yemen 2011.
Vonomoka iray no nojerena maso mivantana , isak'izay bitsika nalefa, tao Sanaa renivohitr'i Yemen. Ny tafika mitam-piadiana Yemenita dia nitifitra ireo mpanao hesi-panoherana, nahafaty olona 22 raha kely indrindra ary naharatràna an-jatony maro hatreto. Mandeha mivantana amin'ny alalan'ny live feed ilay zava-mahatsiravina, ary hitan”ireo mpijery an'aliny maro izay tohina nanerana ny tany.
Habibiana tafahoatra no hita tamin'ilay “livefeed” araka ny nambaran'ireo nahita azy.
Mitatitra ireo mafana fo eo amin'ny sehatry ny virtoaly:
@virtualactivism: Milaza ny iraka any an-toerana fa nisy nitondra teo aminy ny lohan’ olona iray nivantanan'ny roquette nalefa tamin'ny RPG & fa nisafidy ny tsy hamoaka ilay sary nandritra ny fampitàna mivantana izy #yemen
Omar Mashjari mamoahafantatra antsika hoe:
@OmarMash: nanafika mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana ary nikendry ireo tanora tovolahy teny amin'ny lohany ny RPJ. Tsy misy toa azy ity halozàna ity. #Yemen #SanaaMassacre
Iyad El Baghdadi dia manamafy:
@iyad_elbaghdadi: Voamarina: fitaovana fanoherana fanafihana an'habakabaka no nampiasain'ireo mpomba ny fitondrana tao #Yemen androany hanoherana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy nisy afa-tsy tanam-polo. 22 no maty, “an-jatony” naratra. #Sanaa #Massacre
Nadine mampitandrina:
@earthtoinadine: Ny Yemenita no vahoaka tena isan'ny mitàna fitaovam-piadiana indrindra, nefa dia nijanona ho mpandàla hatrany ny filaminana ry zareo nanoloana ireo habibiana efa ho am-bolana maro. Monkon-doha izany.
Ary ilay Maoritaniana mafàna fo, Nasser Weddady dia mamintina hoe:
@weddady: Raha ny hita nandritra ireo volana lasa te aloha, ny vono olona tao #Yemen androany dia tsy hafa fa vokatry ny tsy firaikàna iraisam-pirenena
Miaraha aminay mba hahazo vaovao misimisy kokoa momba an'i Yemen.
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana Yemen 2011.