Hong Kong: Raràn'ny Birao Misahana Ny Fifidianana Ny Fizaràm-Baovao Anaty Aterineto Ataon'ireo Mpirotsaka Hofidiana

Nanomboka tamin'ny 15 Septambra 2011 teo ny fanendrena ireo ho arotsaka hofidiana amin'ny fifidianana mpanolotsain'ny distrikan'i Hong Kong. Na izany aza, ny Registration and Electoral Office (REO), na Birao Fandraketana sy ny Fifidianana dia nanambara fa ny hetsika rehetra eny anivon'ny media sosialy, tafiditra anatin'izany Twitter sy Facebook, dia raisina ho toy ny fitaovana fampielezan-kevitra ara-politika ka ny mpirotsaka rehetra dia tsy tokony hampilaza ny REO, roa andro mialohan'ny hanavaozan'izy ireo ny satany.

Na dia nangataka fahazoan-dàlana aza ireo mpirotsaka, ny fizaràn'ireo hafa mampiasa aterineto ny satan'izy ireo nefa tsy nangatahana alàlana tamin'ny Birao Misahana  ny Fifidianana dia horaisina ho toy ny fandikàna ny lalàm-pifidianana  ihany koa. Ny fomba fanao toy izany dia efa fanampenam-bava sahady ny fifanakalozan-dresaka eny anaty aterineto mikasika ireo mpirotsaka.

Araka ny tatitry ny Hong Kong Economic Journal, gazety ara-toekarena,  dia niteny tamin'ireo mpirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana ny ho mpanolotsain'ny distrika ny REO, fa ny hetsika rehetra anaty media sosialy tahaka ny  Facebook dia isaina ho toy ny fampielezan-kevitra ary tokony hotaterina amin'ny Birao misahana ny fifidianana, raha tsy izany dia mety ho voampanga ho manitsakitsaka ny Lalàna Mandrindra ny Fifidianana. No 34(6), izay mitaky an'ireo mpirotsaka ho fidiana mba hametraka mialoha ny afisy sy ny fampielezan-keviny, alohan'ny hanapariahana azy. Ny fanitsakitsahana ny Lalàna Mandrindra ny Fifidianana dia mety hahavoasazy handoa lamandy hatramin'ny 2 hetsy Dolara Hong Kong sy fampidirana am-ponja 3 taona. Araka ilay lalàna, ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana dia tsy maintsy ahitàna fampitàna vaovao amin'ny endrika electonika, ary alohan'ny hanapariahana azy dia tsy maintsy mametraka dika anaty CD ry zareo ho an'ny Birao Misahana ny Fifidianana .

Izay rehetra fanavaozana sata ao amin'ny Facebook dia tsy maintsy ampandalovina amin'ny Birao Misahana ny Fifidianana, roa andro mialoha ny hamoahana azy anaty aterineto. Raha sendra manadino ny mametraka ny ‘fampielezan-keviny’ mialoha  any amin'ny Birao Misahana ny Fifidianana ireo mpirotsaka ho fidiana, dia anjaran'ny Komity Mahaleotena Miady Amin'ny Kolikoly no mandinika ilay tranga amin'ny fanaovana fanadihadiana lalindalina kokoa.

Fanampin'izany, na olona iza, na olona iza, tsy nahazo fanomezan-dàlana mialoha hamoaka ‘dokambarotra politika’ dia hampangaina koa ho nanitsakitsaka ny lalànan'ny fifidianana, izay midika fa ny fanindrian'ireo mponin'ny aterineto ny ‘tiako’  eo amin'ny satan'ny mpirotsaka iray ao amin'ny Facebook dia mety ho efa fanitsakitsahana ny fepetran'ny fifidianana

Volana vitsy lasa izay, ny Birao Misahana ny Fifidianana dia niomana ny hanitatra ny ‘fampitoviana ny fotoana’  ho an'ireo mpampahalala vaovao mahazatra, hankany amin'ny media anaty aterineto, mandritra ny fotoam-pifidianana. Araka ny vakiraokan'ilay fepetra, ny media rehetra, isan'izany ny fampielezampeo anaty aterineto dia tokony hanome fotoana mitovy ho an'ireo mpirotsaka ho fidiana tsirairay ao anatin'ny fandaharany mandritra ny vanim-potoananan'ny fifidianana. Ny ankamaroan'ireo mponin'ny aterineto dia mino fa ny governemanta dia te-hanangana tontolon'ny Aterineto manome vàhana ny hery politika mpomba ny fitondràna sy mpomba an'i Beijing, ary nobahanan'ireo mponin'ny aterineto sy ny mpandàla  ny demaokrasia  ny fanitsiana ny fepetran'ny fifidianana nandritra ny vanim-potoana fakàn-kevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.