Masedonia: Fankalazana Ny Fandresena Amin'ny Lalao Basketball Manerana An'i Litoania

Niely manerana ny araben'ny firenena, lavarangana sy kianjan'ny tanàna, tanaty tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny fidiran'ny Masedoniana amin'ny manasa-dàlana amin'ny fiadiana ny ho tompon-daka Eoropeana amin'ny lalao basket-ball.

Ny bilaogy Ogledalo na edna dusha (Fitaratry ny Fanahy) dia namoaka[mk] sary sy lahatsary avy amin'ilay fankalazana ny fandresen'ny ekipa nasionaly Masedoniana nanoloana ny firenena nampiantrano, Litoania, tany amin'ny EuroBasket 2011, izay mbola avo noho ny teo aloha tany Gresy ny fatran'ny hafaliambe.

Barabass dia mandray [mk] ity fandresena ity ho fotoana hamaritra ny andian-taranaka misy azy, “zavatra ho tantaraina an'ireo zafikely.”

Nihazakazaka ireo mpanao politika eo amin'ny fitondrana mba ho ao anatin'ilay fiarandalambin'ny fandresena tamin'ny lalao basketball. Efa nanome mariboninahitra ho an'ny ekipam-pirenena sahady ny filoha tany absentia, raha nampiasa ny volan'ireo mpandoa hetra kosa ny governemanta mba hividianana tapakila ho an'ireo “mpankafy matihanina” natao an-tsapaka [mk] mba hijery ny lalao.

Naneho ny ahiahiny manokana ny vahoaka mikasika ny tsy fahampian'ny mangarahara sy ny fandraisan'andraikitra, indrindra fa noho ny sasany amin'ireo media mpomba ny fitondrana nampiasa ny fehezanteny hoe”ho an'ny fandaniany manokana”, ohatrany dia efa hoe mandoa avy any am-paosiny iny ery ireo minisitra. Notohanan'ny Fikambanana Tiorka TAV, mpamatsy iray goavana any Masedonia ilay sidin'io vondrona politika io. Araka ny Netpress [mk], nifanditra  tany anatin'ilay fiaramanidina ireo vondron'olona “voafantina” ireo ka  nampanano-sarotra ny fahatonian'ny dia, ka dia nolavin'ny mpitondra fiaramanidina ny hitondra ny 11 tamin'izy ireo nony hiverina.

Ny volam-panjakana ihany koa no namatsy afomanga ho fankalazàna tany amin'ny kianjan'i Skopje :

Ireo mpampiasa media sosialy dia nanely ity hatsikana manaraka ity, maka ohatra amin'ny hakelin'ny fahalalàna an'iMasedonia raha resaka ara-jeografia ivelan'ny faritra Balkan (maro amin'ireo Masedoniana izay nipetraka tany ivelany no afaka mizara tantara momba ny fifanenàny tamin'ny olona tsy mahalala ny misy izany, ka na niteny fa nosy iray any Afrika izany, na zavatra tahaka an'izany).

- Avy aiza izanao?
– Avy any Masedonia.
– Ary aiza i Masedonia?
– Any amin'ny antsasa-dalana!!!

Biljana, mpampiasa Twitter, dia nanamarika [sr] ihany koa fa niely tany Serbia ireo fankalazana [sr] – hetsika “fifamaliana” voalohany voarakitry ny tantara. Maro amin'ireo Masedoniana mpankafy fanatanjahantena no manam-piaviana avy amin'ireo ekipa Yogoslavy taloha izay tonga hatrany amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena, rehefa tsy nifanandrina tamin'i Masedonia izy ireo.

Nefa na dia izany aza, ireo mpampiasa Twitter dia naneho ny fihomboan'ny resaka  noho ireo tsikera manala-baraka sy diso fipetraka ataon'ny media sasany avy amin'ireo firenena ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.