Arabia Saodita : Mpiaro Ny Zon'olombelona Niakatra Fitsarana

Ny Asabotsy 10 Septambra 2011 dia niatrika ny fitsarana nasionaly tao Jeddah noho ny “faniratsirana ny fitsarana” ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona, Waleed Abu Alkhair (@abualkhair).  Saodiana maro mpandefa tweet no niresaka ilay raharaha Abu Alkhair tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #abualkhair sy #wAbuAlkhair mba hanehoana ny fanohanany sy hanakianana ny fomba fiasan'ny manampahefana manoloana ireo mafàna fo, na etsy ankilany, hilazàna an'i Abu Alkhair ho “mpitsikilo miasa ho an'ny vahiny” izay namadika ny fiandrianana Saodiana tamin'ny fifandraisany.

Taty aoriana kely,nambàra fa ilay Saodiana mafàna fo dia tsy hoe fotsiny niatrika ny fiampangana azy ho naniratsira fitsaràna ihany, fa koa tamin'ny fitakiany momba ny rafitra lalam-panorenana mifototra amin'ny fitondran'olon-tokana ary  fiampangana hafa izay nolavin'ny mpitsara ny hanome ny dika mitovy aminy ho an'i Abu Alkhair. Amin'ireto tweet manaraka ireto, ilay mafàna fo dia nandefa tweet mikasika ny fiampangana azy sy ny zava-nitranga nandritra ny fitsarana azy voalohany :

Picture of Saudi Activist Waleed Abu Alkhair taken from the blog of Abdulrahman Fares

Sarin'ilay mafàna fo Saodiana Waleed Abu Alkhair nalaina avy ao amin'ny bilaogin'i Abdulrahman Fares

قابلت مساعد القاضي وقرأ علي التهم وهي كالتالي الإساءة للقضاء وللعاملين فيه والتواصل مع جهات أجنبية

@abualkhair :Nihaona tamin'ny mpiara-miasa amin'ilay mpitsara aho ary novakiany tamiko ireo fiampangana, tao ny faniratsirana fitsarana sy ireo miasa ao, ary ny fifandraisako tamin'ny vahiny.

من التهم المطالبة بالملكية الدستورية والمشاركة في قنوات إعلامية لتشويه سمعة البلاد

@abualkhair : Ny fiampangàna sasany dia ny fangatahana ny rafitra lalam-panorenana mifototra amin'ny fitondran'olon-tokana sy ny fandraisana anjara tamin'ny haino aman-jery mba hanaratsy laza ny firenena..

ايضا من التهم تحريض زوجتي سمر بدوي على السلطات, القاضي رفض إعطائي نسخة من لائحة الاتهام

@abualkhair : Ary koa, iray tamin'ireo fiampangana ny fitarihako ny vadiko, Samar Badawi, hanohitra ny manampahefana. Nandà ny hanome ny dika mitovin'ireo fiampangana ireo ilay mpitsara.

وأيضا رفض تحديد موعد للجلسة القادمة, أخبرني بأنهم سوف يتصلون بي لموعد الجلسة القادمة

@abualkhair : Izy [ilay mpitsara] koa dia nandà ny hilaza amiko hoe rahoviana ny fitsarana manaraka, ka nilaza tamiko ny hiandry antso avy amin'izy ireo mikasika an'izay.

القضية منظورة لدى القاضي عبدالمجيد الشويهي والمدعي العام لم يحضر وانا راجع بيتنا خخخ

@abualkhair : ilay raharaha dia eo an-tanan'ilay mpitsara Abdulmajid Al-Shuwaihi ary ilay mpampanoa lalàna dia tsy nanatrika tao ka hody aho hahaha.

نسيت أن أضيف أن من ضمن التهم: تأليب الرأي العام ضد النظام العام للبلد

@abualkhair: Adinoko ny nanampy fa isan'ny niampangana ahy koa ny fitaritako ny olona hanohintohina ny filaminam-bahoaka eto amin'ny firenena

Mansour johny (@Alasbani1), Saodiana mpandefa bitsika, dia nanoratra fanakianana an'io fitsarana io :

في السعوديه فط تحاكم بسبب اراءك .. كانك أقترفت جريمة ضد أحدهم

@Alasbani1 : Ao Arabia Saodita irery no miakatra fitsarana noho ny fanehoanao ny hevitrao ianao, tahaka ny hoe nanao heloka bevava taman'olona izany ianao

Saodiana iray hafa mpandefa tweet i (@MyyVoicee) no nanoratra mikasika io mifandray amin'ny resaka fahafahana maneho hevitra :

نعرف جميعا ان محاكمه ابو الخير هي محاكمه مزروه هدفها قمع الحريات

@MyyVoicee : Isika rehetra mahafantatra fa ny fitsarana an'i Abu Alkhair dia fitsarana hosoka ikendrena ny hamoretana ny fahafahana.

Mosfer Alwadee (@MosferAlwadee) nandefa tweet manakora mikasika ilay fitsarana :

المطالبه بالاصلاح الدستوري جناية والدعوة لاصلاح القضاء اهانه والدفاع عن حقوق الناس تاليب ضد الدولة،مالذي بقي من المضحكات?

@MosferAlwadee :Ny fitakiana rafitra lalam-panorenana mifototra amin'ny fitondran'olon-tokana dia heloka bevava, ny fangatahana fanavaozana ny fitsarana dia ompa, ny fiarovana ny zon'ny vahoaka dia fanoherana ny fanjakana. Inona no mbola mampihomehy ankoatra izay?

Ilay  mpiara-manorina & Filohan'ilay Fikambanana Miaro ny Zon'ny Saodiana sivily sy ara-politika, Mohammad Al-Qahtani (@MFQahtani), dia nampifandray ilay fitsarana tamin'ny famoretana :

@MFQahtani:ny fitsarana an'i #abualkhair dia nampiharihary fa tena mpanavakavaka sy anjakàn'ny politika ny fitsarana #saodiana! Moa ve dia lasa fitaovana iray hamoretana koa ny fitsarana?

Saodiana mpandefa tweet antsoina amin'ny anaram-petaka hoe  (@Saamaa2) na izany aza no mijoro ery amin'ny lafiny iray manohitra an'i Abu Alkhair :

@Saamaa2 : Mampihomehy hoe ahoana ireo saribakoly voro-damba tahaka an'i  #abualkhair #wAbuAlkhair no tsy manana olona na dia iray aza hiaro azy afa tsy ny saribakoly voro-damba tahaka azy ihany & fikambanana tsy ampy fahamatorana.

Abdulaziz (@abumjd) niainga tamin'ny maha” mpitsikilo miasa ho an'ny vahiny” an'i Abu Alkhair :

عندما يهاجم القضاء من أجل عميل فابتسم أنت في السعودية

@abumjd :  Rehefa ny fitsarana no voatafiky noho ny mpitsikilo iray , mitsikia fa eto Arabia Saodita ianao.

Saodiana iray amin'ny anaram-petaka hoe  (@SAHER1010) no nanoratra :

وليد ابوالخير..يعتقد ان كونه “عميل” في منظمة “هيومن رايتس”سيوفر له غطاء “عالمياً”عند محاكمته…مايمديك العب غيرها

@SAHER1010 : Waleed Abu Alkhair dia mihevitra fa ny maha “mpitsikilo”-n'ny fikambanana Human Rights Watch, mpiaro zon'olombelona azy dia afaka ny hanome azy fiarovana iraisam-pirenena amin'ny fitsarana azy. Tsy manam-potoana ianao, manandràma fika hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.