India : Fipoahana Baomba Teo Ivelan'ny Fitsarana Avon'i Delhi, Nahafaty Olona Sivy

Farafahakeliny olona sivy no voalaza fa namoy ny ainy ary dimy amby efapolo no naratra  tamin'ny fipoahan'ilay baomba teo ivelan'ny Fitsarana Avon'i Delhi aloha be io maraina io (07 Septambra 2011).  Araka ny fahitana azy dia baomba mahery vaika iray natao tao anaty valizy ilay izy, na izany aza efa eo an-dalana ny fanadihadiana hahitàna ny tena nipoirany. Naneho hevitra tamim-pahatohinana sy tamin-katezerana tao amin'ny Twitter ireo mponin'ny aterineto.

@adityapatawari – Fipoahana baomba tao amin'ny Fitsarana Avon'i Delhi! Porofon'ny tsy fahombiazan'ireo Orinasa mpisahana fiambenana! #delhi#blast#india http://goo.gl/fb/Qu4Kt.

@adityapatawari : Maninona no nisy ny fampitandremana__ tao aorian'ilay__ Fipoahana ? Tsy afaka ny nahazo fampitandremana talohan'ilay fipoahana ve ny mpitandro ny filaminana ka nanavotra io andro io? #delhi #blast #india

@shekharkapur : Ny filazana tonga dia miresaka momba ny isan'ireo maty tao amin'ny Fitsarana Avon'i Delhi, loza mahatsiravina, namely an'i India indray ny horohoro.

@ays7 : Fipoahana baomba teo ivelan'ny Fitsarana Avon'i Delhi…..namely indray ny horohoro!!

The High Court of Delhi. Image from Flickr by Ramesh Lalwani (CC BY-NC 2.0).

Ny Fitsarana Avon'i Delhi. Sary avy amin'i Flickr nalain'i Ramesh Lalwani (CC BY-NC 2.0).

Tao amin'ny Twitter, nametraka fanontaniana tsy tambo isaina ny mponina :

@irfhabib : Ny Governemanta dia tsy nandray fanapahan-kevitra matotra momba ilay fipoahana niseho androany. Moa kely loatra ilay fipoahana tamin'ny volana May 2011  ka tsy nahataitra ny polisy ao Delhi?…..

@falguni : Eo ampihenoana ny fanambarana mikasika ilay fipoahana tao Delhi. Maninona no lasa fahazarana ny maheno vaovao tahaka izany ary tsy dia manao ahoana loatra ny fanehoan-kevitra isak'izay misy izany?

@ghazalawahab : Manameloka ilay fipoahana baomba tao amin'ny Fitsarana Avon'i Delhi ny Governemanta. Izay no zavatra kely mba azony atao, sa izay no zavatra lehibe indrindra azony atao ?

@karthy: Raha toa ny mpitandro ny filaminana anatiny eto amintsika  tsy afaka ny hiaro an'i Delhi amin'ny #blast (Fipoahana) ahoana no hahafahany miaro ny toerana hafa

@satyamnish: Delhi Delhi nisy fipoahana indray…..mahatsiravina rahoviana ny Governemanta vao handray lesona.

Niraradraraka ny vavaka sy ny hevitra tao amin'ny :

@jiteshpillaai : Vavaka mangina iray ho an'ireo namoy ny ainy tamin'ilay fipoahanà baomba teo ivelan'ny Fitsarana Avon'i Delhi. Vavaka ho an'ireo tran'ny manjo sy ireo naratra. Tena malahelo mafy aho.

@ashajkk : Mbola nisy Fipoahana baomba tao Dheli! Nampalahelo sy nahatsiravina !

@testertested : Mankalaza ny nisianà fipoahana faha-10 tamin'ity taona 2011 ity  tao aminy i India. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tao amin'ny Fitsarana Avon'i Delhi irery ihany. Arahabaina! Làlan-kodiavina. #Delhi HC #delhiblast #congress.

@jnemana: Fipoahana baomba tao Delhi! Miàla any ny kabarin'ny Minisitry ny Atitany.  Manantena fa hanambara ny fialàny izy ka hiaiky ny tsy fahalavorarian'ny governemantany amin'ny fanangonam-baovao.

Nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny bilaogera maro,  nandefa bitsika, sy tanaty bilaogy ny laharan'antso fifanampiana. Mbola misy ny sasany miantso ny olona hanao izay kely vitany amin'ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisana isan-karazany ho an'ireo asa tsy dia mila hamehana androany (07 Septambra 2011), mba hanaovana izay hampahalalaka ny telefaonina.

@MihirBijur: Raha ao Delhi ianao, ny zavatra ataonao voalohany dia ny  TSY manapaka ny tambajotran-telefaonina. Ampiasao ny SMS/E-MAIL/FACEBOOK/TWITTER 2communicate (mba hifandraisana). #DelhiBlast PL RT

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.