Kazakhstan: Nitory Ny Fiverimberenan'ny Sakana Atao Amin'ny LiveJournal Ireo Bilaogera

Ny  19 Aogositra, ny sehatra  fitorahana  bilaogy  lehibe indrindra amin'ny teny Rosiana,  Livejournal, dia voasakana tao  Kazakhstan, herintaona   latsaka taorian'ny namerenana nanokatra indray ny fahafahana miditra tao aminy tany amin'ny faran'ny taona 2010.  Araka ny fanapahan-kevitra navoakan'ny  Sary-Arka Fitsarana ao amin'ny Distrikan'i Astana, io Vohikala io dia nahitàna fampielezan-kevitra miendrika  fampihorohoroana, tsy fandeferana ara-pinoana, fiantsoan'ny mponina ho amin'ny asa fampihorohoroana sy ny fandrafetana zava-mipoaka..

Ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny fiainana tsy tena izy toa izany dia nampisavorovoro ny tontolon'ny bilaogy. Tamin'io andro io ihany, nitarika ireo vohikalam-baovao, tambanjotra sosialy sy bilaogy hamoaka lahatsoratra nilaza fanakianana ilay fanapahan-kevitry ny fanjakana ny zavatra rehetra. Fanangonan-tsonia iray anaty aterineto -ho-fanalàna ny sakana, Livejournal no noforonina  [ru]. Ireo mafana fo dia nifampizara vaovao tao amin'ny vondrona Facebook [ru].

LiveJournal voasakana. Sary avy amin'i emarat, nampiasaina nahazoana alàlana

Ny fitsarana dia nandidy ny hanakànana ny LJ ary ny sehatra fitorahana bilaogy Rosiana ambanimbany kokoa (manana mpandray anjara betsaka, na izany aza) LiveInternet — niaraka tamin'ny vohikala ampolony maro hafa — mandritry ny telo volana , hatramin'ny 20 Novambra.

Telo taona lasa izay no nobahanana voalohany indrindra tsy hiditra amin'ny Livejournal ireo Kazhakstan mpampiasa aterineto. Avy eo tsy nisy tamin'ireo solontenam-panjakana nandray andraikitra mba hanazava ny anton'ilay sivana . Kanefa tena ninoana– tsy ofisialy – fa ny antony dia avy ao amin'ny bilaogin'i Rakhat Aliyev, zana-badin'ilay Filoha teo aloha  sy  andrarezin'ny filazam-baovao. Nandefa tanaty lahatsoratra tamin'ny aterineto ny resaka an-telefonin'ireo manampahefana ambony tao amin'ny governemanta izy.

Ilay Kazhak, olo-malazan'ny aterineto,  Constatine Gorojeankin dia nanao fanadihadiana momba ilay raharaha ary namarana hoe [ru]:

… ny biraon'ny mpampanoa lalàna dia tsy nahomby tamin'ny fanalefahana ilay raharaha tany amin'ny dingana mialoha ny fitsarana . Tena mino aho fa raha miangavy ny  Livejournal hanakatona bilaogy iray mahery fihetsika izy ireo, dia tanteraka  izan.  Fa maninona ny mpampanoa lalàna no mangataka fampiantoana amin'ny loharanom-baovao  rehetra, fa tsy bilaogy tokana monja?

… Be ny antony hinoana fa ilay mpitsara dia tsy mitsidika ilay loharanom-baovao akory mba hanamarinana fa tsy manana zavatra mikasika izay  “fampielezan-kevitra mahery fihetsika sy mampihorohoro ” ireo fitaovana ireo. Raha tsy izany vohikala telo amin'ny efatra ambiny folo no efa voafafa  tamin'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana satria tsy misy akory izy ireo.

… Nanao hadisoana goavana ny ministeran'ny serasera tamin'ny nanakatonany ny vohikala raha toa ka tokony ho bilaogy mpanakorontana iray ihany, izay nambara tamin'ny fanampahan-kevitry ny fitsarana  – islamunveiled.livejournal.com.

Nahatonga fanehoan-kevitra niraradraraka ilay vaovao. Kukayeva nilaza hoe [ru]:

Toa tsapa fa ny fitsarana dia mbola mijery ny aterineto ho toy ny biby masiaka. Toy ny hoe tsy azon'izy ireo fa ny vohikala  – indrindra ireo ngezalahy be tahaka ny Livejournal – dia manana mpandrindra , ny asany dia mandravona ny olana amin'ny fomba mihaja.

Nikkkoa dia nanondro ilay tsy fahampian'ny ezaka handravona ilay olana am-pilaminana tsy idiran'ny  fitsarana [ru]:

Mahagaga. Tsy mora amin'ny governemanta ve ny mandefa email ho an'ny mpitantana ao amin'ny  Livejournal ary miangavy azy ireo mba  hanàla ilay kaonty iray  tsy manara-dalana ?

AXE dia tsy faly amin'ny fomba fanaon'ireo manampahefana Kazakh[ru]:

Anaty firenena iray manara-penitra[…] miady amin'ireo mahery fihetsika amin'ny fomba hafa ny fanjakana . Bilaogera mahery fihetsika no misy eto, samborin'ny polisy izy, gadraina ilay ranamana ary nofafàna ny bilaoginy. Manana fomba hafa hiatrehana izany izy ireo. Maninona no tena mahomby? Tapaho fotsiny ilay tariby mampifandray azy.

Bilaogera hafa, megakhuimyak, miresaka[ru] momba ny maha-marefo ireo mpampiasa manoloana ny lalàna :

Araky ny fomba fijerin'ny fitsarana ao Kazakhstan, dia tsy manana sata manara-penitra ireo mpampiasa [aterineto] rehetra. Ny faneken'ny  mpampiasa  dia tsy midika hoe fifanarahana hanome tolotra […] Amin'io tranga io, isika rehetra dia olona mpanjifa fotsiny izay vaovao mivoaka , “mpamaky”. Manorina fifaneraserana miaraka amin'ny Tompon'ny filazam-baovao ny olom-panjakàna, fa tsy miahy antsika.

Farany, tsy be resaka ilaympampiasa Twitter fanta-daza – ary koa praiministra ao  Kazakhstan KarimMassimov nampanantena [ru]:

Hodinihako miaraka amin'ny  LJ izany.

Nefa hatramin'izao,  tsy mbola azo idirana avy ao Kazakhstan foana  ny Livejournal.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.