Myanmar: Sarintanin'ny Fonja Iaraha-manoro

Nisy Sarintanin'ny Fonja Iaraha-manoro ao Myanmar natsangana ho fanohanana ny hetsika fanafahana ny mpanao gazetin-dahatsary ‘Free Burma’. Ny sarintany dia mijery sy manome fampahafantarana fohy momba ny fonja 43 ao Myanmar

Burma dia itoeran'ny fonja 43 sy manodidina ny tobim-piasana anterivozona manodidina ny 100. Malaza ho ratsy sy mahonena ny fiainana any amin'ireny fonja ireny – ampiharin'ny mpiambina ny fonja amin'izy ireo ho fiainana andavanandro ny fampijaliana ara-tsaina sy ara-batana, raha vitsy dia vitsy ny fanafody nefa mahazatra ny fahabetsahan'ny olona tafahoatra. Ny ankamaroan'ny gadra politika dia tazonina ao amin'ny fonjan'Insein ao Rangoon, na dia maro aza no alefa any amin'ny fonja miala an-jatony kilometatra avy amin'ny fianakaviany sy terena hiady amin'ny tazo sy ny toetr'andro ratsy.

Sarintanin'ny Fonjan'i Myanmar

Ny fonjan'Insein no malaza indrindra ao Myanmar itazonana ny gadra politika be mpanohana.

Ny fonjan'Insein fantatra amin'ny hoe ‘lavaka maizina indrindra ao Burma’ dia miorina ao Rangoon any amin'ny faritra ambanin'i Burma. Ny isan'ny voafonja ao dia anelanelan'ny 9000 sy 10.000 ary tafiditra amin'izany ny gadra politika mihoatra ny 300 nefa dia dokotera telo ihany no miandraikitra ireo. Io no fonja tsara fiambenana indrindra izay nifonjan'i Aung San Suu Kyi maharitra tokoa.

Fonja Insein

Ny gadra politika 300 ao Insein dia nogadraina nandritra ny fotoana lava dialava tokoa na dia noho ny raharaha tolona politika bitika aza

Ao anatin'ireo gadra politika ireo ny moanina 225, depiote 11 , mpahay lalàna 12, dokotera 8, vehivavy ny 157 ary manakaiky ny 30 ny mpiasan'ny fampitam-baovao. Fantatra amin'ny fanamelohana olona mbola tanora vao 14 noho ny fiheverana fa nizara trakitra politika i Burma. Lehilahy iray , ny Jeneraly Hso Ten, sekretera jeneralin'ny vaomieram-panjakana misahana ny filaminana dia miasa an-terivozona 106 taona nomelohina no nanao famadihan-tanindrazana.

Ahitana fijoroana vavolombelona avy amin'ny gadra mpanao politika teo aloha izay nizara ny traikefa niainany tao am-ponja  ihany koa ny tranonkala. Wai Moe, iray tamin'ireo gadra niharan'ny fampijaliana mafy.

 

Indray mandeha aho dia nametrahana fonja [ara-bakinteny] tamin'ny kitrokeliko ary tsy nohetsehin-dry zareo izany nandritra ny fito volana. Mihoatra ny 10 ireo ary lasa anisan'ny vatako. Indraindray ihany koa dia terena ianao hanadio ny baravin'ny efitra maizina amin'ny akanjo mandritra ny efatra ora isan'andro – amin'ny 8 ka hatramin'ny 10 maraina sy amin'ny 2 ka hatramin'ny 4 tolakandro. Fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina izany – tsy misy antony tokony hanaovana azy fa raha mandà ny hanatanteraka ianao dia darohana. Ary fanasaziana hafa ihany koa ny fanerena anao hisambotra lalitra amin'ny alalan'ny harona plasika. Raha tsy mahasambotra ireny inao dia darohany na fatorany.

Misy mpanao gazetin-dahatsary avy amin'ny Democratic Voice of Burma (DVB) miisa 17 voafonja. Iray amin'ny mpanao gazety mpaka sary voatazona i Hla Hla Win. Ity vehivavy ity dia notazonina noho ny tsy fampiasana môtô tsy voasoratra araka ny lalànan'ny Fanafarana/Fanondranana saingy naitatra ho 20 taona ny fanagadrana azy

Nandritra ny herinandro tao anatin'ny fanasaziana azy fito taona dia nofotopotorina izy ary noheverina ho mpitati-baovao ao amin'ny DVB. Tamin'ny 20 Desambra 2009, nohalavaina ho 20 taona ny faharetan'ny sazy an-tranomaizina azony noho ny fandikana ny Lalàna Elektronika, izay mandrara ny fampakarana na fitrohana rakitra fototra amin'ny aterineto izay sokajiana fa manohintohina ny filaminan'ny fitondrana miaramila. Tetikady ampiasain'ny fitondrana matetika izany mba hoentiny hanagadrana ireo mpanao gazety mpaka sary. Nosaziana 20 taona fanampiny izy ary tsy manana mpisolovava miaro araka ny lalàna.

Fantatra fa hisy ny Fihetsiketseham-panoherana mitaky ny fanafahana azy amin'ny herinandro hoavy eo anoloan'ny Ambasady Birmana ao Bangkok.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.