Libya: Bilaogera Eo Anelanelan'ny Jadona Sy Ny Ady

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny laharanay manokana mikasika ny Fanonganam-panjakana tao Libia  2011.

Efa enim-bolana izay no nanombohan'ny Fanoherana tao Libia.  Nanao ahoana ny  sehatry ny bilaogy Libiana talohan'ny revolisionan'ny 17 Febroary ary ahoana ny fizotran'izany ny volana vitsivitsy farany teo?

Tany ho any amin'ny taona 2009 tany ary lalàna mankany amin'ny Revolisionan'ny 17 Febroary araka izay hahafantarana azy amin'izao fotoana izao,  fikambanana mpitoraka bilaogy Libiana tsy tambo isaina no namindra ny resany hikisaka any amin'ny Facebook ary  ho ao amin'ny Twitter taoriana kely, izay tsapan-dry zareo fa misy fifaneraserana kokoa ary ‘eo noho eo ‘.  Amin'io topimaso io,  ireo bilaogy isan-karazany Anglisy sy Arabo dia toy ny trano tsy misy n'inon'inona misy fanavaozana tsindraindray mikasika ny zavatra heverin'izy ireo ho mavesa-danja mitranga eo amin'ny fiainany na rehefa mitambesatra ny ‘ nenina’.  Na izany aza, izany tsy midika akory fa tsy foana ilay sehatra fa kosa tsy misy larony firy – ankoatr'ireo efa ahiahiana hatrizay na ireo  bilaogera mazan-doha tany am-piandohana toa an'i Khadijateri sy Imtidad,  ary koa ireo izay mankafy manoratra lahatsoratra lava be, izay ahitana voanteny maherin'ny 140.

Khalid Al Jorni,  bilaogera Libiana iray izay nanidy ny tsenany nanomboka teo,  dia nanao ezaka be tamin'ny fampivondronana bilaogy Libiana sy bilaogy miresaka ny mikasika ny Libiana ho amin'ny toerana iray antsoina hoe All Libyan Blogs(na Ireo bilaogin'ny Libiana rehetra).  Nosokajiany ho Anglisy sy Arabo aza izy ary izay nandrindra ilay vohikala dia nitohy nanao izany hatramin'ny volana Febroary 2011 farafahakeliny.  Izay nosoratan'i Khalid avy ao Libia dia nametra ny mba azo ekena amin'ny fanakianana ny governemanta sy ny politikany ara-ekonomika ary ny toe-draharaha iainana ao Libia. Ny antony tokana heveriko nanajanonany ny fitorahana bilaogy ka namafany ny bilaoginy  dia satria fanta-daza loatra teo amin'ireo tanora izy.  Nanoratra izy indray andro, azavaiko toy ity, fa ny resaka haren'i Libia taloha sy ny firodanana taloha dia nahafinaritra, saingy ny tanora no mitady Libia maoderina ahitàna tanan-dehibe miodina tsara.  Mino aho fa raha azony atao dia efa ao anaty aterineto izy amin'izao.

Tamin'ny lahatsoratra teo aloha izahay dia  nizara taminareo tao amin'ny Global Voices ny karazanà lohahevitra izay niadin-kevitra tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Libiana. Ary nozaraina ho antoko telo io vondrom-piarahamonina io : (1) Ireo Libiana mipetraka ao Libia ( tafiditra ao koa ireo vahiny manambady Libiana), (2) Ireo Libiana mipetraka tsy fotoana maharitra any ivelany noho ny antony maro samy hafa ary (3) Ireo Libiana mifindra monina. Ny ankamaroany dia nanomboka nitoraka bilaogy tamin'ny teny Anglisy, ny hafa mifindra amin'ny teny Arabo, raha mitoraka bilaogy amin'ny teny Arabo fotsiny ny sasany.

Ny fitsidihana ny bilaogy Libiana dia ahitàna fa ambony kokoa ny isan-jaton'ny bilaogy amin'ny Teny Arabo fa tsy dia fantatra loatra any amin'ny tontolon'ny tsy Libiana sy tsy miteny Arabo satria tsy dia hita miseho. Mila heno koa ny feon-dry zareo satria mitondra anjara biriky mampakatra avo ny endrik'i Libia izy ireo.  Koa satria sady manana lohahevitra manokana no miresaka ihany koa ry zareo momba ny fiarahamonina, kolotsaina ary politika, ny taham-pihainoana ary ny fototra iorenany dia tsy maintsy samihafa, ankoatra ireo olona mahay tenim-pirenena roa izay misabaka amin'ny lafy roa.

Ny bilaogera amin'ny teny Arabo dia toa mirona amin'ny tantara,  poety,  lohahevitra momba ny fiarahamonina Libiana, fanadihadiana sns… raha ireo bilaogera miteny Anglisy kosa manana ny mampiavaka azy manokana amin'ny fampiasàna ny bilaogy ho toy ny gazety hamoahany ny maha-izy azy, ny fiainany ary ny aingam-panahiny.

Amin'ny fampifandraisana ny resaka afaka maka sary an-tsaina an'i Libya isika, izay mistery ho an'ny Firenena any ivelany.ary mitoetra ho toy izany ihany.

Ny sokajinà bilaogera fahatelo , izany hoe ireo izay miaina an-tany lavitra , no hany Libiana mpanakiana voalohany sy nanala baraka ny governemanta Libiana ary hatramin'ireo mpomba azy ao an-tanindrazana. Nilamina ry lerony ry tany ivelany no nonina..

Ny sokajy faha 2 amin'ny Libiana mipetraka mandritra ny fotoana voafetra any ampitan-dranomasina dia niresaka be momba ny asany, ny tantaram-pianakaviana ary ny ankapoben-javatra mikasika an'i Libia raha tsy hoe nisafidy ny hankany amin'ny fanoherana angaha ka dia nampirina ny henatra tsy nahasahiany nilaza ny heviny tamin'ny feo avo.

Ny sokajy 1 dia mandefa bilaogy mivantana avy ao an-tanindrazany, ireo no olona tokana manao sorona ny ainy ary dia nila nitandrina tamin'ny fehezanteniny mba tsy hanohintohina ny fitondrana nefa kosa mampita hatrany ny sary. Niainga tamin'ny diary ny bilaogin-dry zareo, toy ny hoe  “izao no nataoko androany ary afaka tamin'ny fanadinako aho, nihaona tamin'ny namako, niantsena, natao fifamofoana” ary mankany amin'ny resaka matotra kokoa toy ny tontolo iainana , ny loto, fanangonana fako, tetikasa ara-toekarena sy ny kolikoly .Heveriko fa ny kiana ataon'izy ireo ho fanohintohinana sy fanambaniana dia efa fanazarantena amin'ny resaka saro-takarina sy ny sarinteny. Ito misy ohatra avy amin'i Khadijateri:

Miha mampihomehy ilay izy. Toy ny hoe manitsaka siligoma ianao , na koa ny tena loza , tain'alika,  ary miraikitra  ao ambany shib-shib-nao [ar] (kapa) ary tsy hainao esorina. Na dia miezaka mafy aza ianao ;  na kikisanao amin'ny tany ny shib-shib -nao , amin'ny bozaka , amin'ny sisin-dalana , na maka hazo kely ianao hangalàna azy. Fa tsy mety miala tsotra izao fotsiny ilay izy. Ny vahaolana: fotoana izao hanariana io shib-shib-nao io ! [sic]

Na dia ilay  Hala Misrati malaza ratsy aza amin'izao manana bilaogy  mampodimandry antsoina hoe  Nazf na mandeha rà momba ny tantara mampanonofinofy sy fitiavana very izay tena lasa bilaogy sahisahy sy mivantambantana amin'izao fotoana izao.

Ilay bilaogera  Ghida dia iray tamin'ireo olona tsy mataho-miteny mivantana amin'ny lahatsoratra an-gazety aminà fanadihadiana mandra-pialan'ny sarony taorian'ilay Revolisionan’ ny 17 Febroary  tao amin'ny fahitalavitra nasionaly tao anatin'ny valan-dresaka niaraka tamin'i  Hala Misrati miampy ny fiainany manokana sy ireo antso izay ren'ny Libiana rehetra na koa ireo olona mijery fahitalavitra azo avy amin'ny zana-bolana. Voalaza fa sady mpiara-miasa no mpinamana izy sy i Hala.

Efa nanjavona ny bilaoginy taloha ary ilay iray misy poezia no hany sisa tavela.

Enim-bolana no lasa dia mahavaky fo ny mijery ny toetra mampanahin'ny tontolon'ny bilaogy ao Libia, nangiana noho ny ady misy amin'izao fotona ireo bialogera isan'antokony ao Libia.  Avy amin'ny iray amin'ireny nangiana ireny dia tsapanao fa ao amin'ny tanàna eo ambany vahohon'i  Gaddafi izy ireo ka noho izany, tsy mahita lalàna hadirana Aterineto.

Nitondra ny bilaogera Libiana sasany hivoaka ny ala mikitroka ny ady ao Libya, farafaharatsiny aloha ireo izay nandao ny firenena hanohy fianarana.Tahaka an'i Happymoi izay niteny hoe:

Mijery vaovao aho dia rakotra alahelo ny foko. Toy ny tsapako misy zavatra montsamontsana be any anatiko any.Be loatra ireo olona maty. Malaza be i Libya izao,  fantatry ny olon-drehetra izany, ny rehetra . Ilay tranga mahatsiravina be no mahatonga izany. Tiko raha mba hafa ny fisehon-javatra. Isaky ny mifoha aho ny maraina dia misaina an'i Libya. Mifoha aho isa-maraina maniry mba ho hafa ny fisehon-javatra.

Kanefa fantatrao fa ny goaik'antitra amin'ny olona rehetra izay mibilaogy ao amin'ny aterineto ao dia, na any ivelany amin'izao fotoana, na ao Benghazi, toa an'i  Starlit izay nitaraina hoe : ” Nandalo  zavatra maro tsy noheveriko hiainako aho.[sic]”.

Na i Benghazicitizen izay nanoratra hoe  :

Akipiko ny masoko, hitako ireo olona maty..
Hitako ny tarehin'ny Reniko efa reraka..
Ny tarehin'ny anabaviko rikoriko..
Ny hatezerana ao anatin'ny mason'ny rahalahiko..
Ny fahavononana ao anatin'ny mason'ny raiko..
Ary hitako ao anatin'ny fiainako ireo endrika…
Ireo namako..misy amin'izy ireo ny tsy hiverina intsony..

Hitako izao ny zavatra nentin'ny fahafahana ho an'i  Libyana ao anaty lahatsoratra nantsoin'ny haino aman-jery hoe ireo tany afaka. Azo tsapain-tànana ny fivoarana, indrindra ao amin'ny Omar Al Muktar's daughter na zanaka vavin'i Omar Al Muktar .  Tamin'ny volana Martsa dia tsy mbola nitonona anarana izy ary tena fanin'ny dona nentin'ny fanafahana an'i Benghazi:

Ny mitranga ao  Benghazi & libya dia tena pejy vaovao & zavatra tsy azo ninoana fa ho vitan'ny tanora Libiana marina tokoa ………….& vitan-dry zareo izany [sic]

Nefa ny volana Jona izy dia nahazo natoky ka nametraka ny tena anarany sy ny fanampin'anarany (Ruwida Ashour) ary teo aloha dia zavatra tsy mateti-pitranga sy tsy sahin'ny bilaogera Libiana maro izany ao Libia.

Koa raha any amin'ny faritra afaka ao Libia ianao dia afaka ny hiandrandra ho afaka haneho hevitra malalaka mikasika ny govenemantan'i Gaddafi toy izay  nataon'i PH tamin'ny nametrahany karipetra ka ny sarin'i  Gaddafi  no nampiasaina ho famafàna tongotra.

Tsy mbola fantatro raha afaka manakiana ny Filan-kevi-pirenen'ny Tetezamita koa amin'izany!

Ny lahatsoratra farany avy ao Tripoli dia nosoratan'i Khadijateri sy Highlander efa-bolana lasa izay . Nitondra fanantenana izy ireo rehefa niverina nandritra ny fotoana fohy ny Aterineto .

Fa misy koa ireo bilaogera vaovao  ao amin'io sehatra io ary mandika io fihetsiky ny Libiana io amin'ny fijery hafa . Ny Harimna Note dia bilaogy iray amin'ny teny Arabo izay mitanisa ny zava-nisehon'ny revolision'ny 17 Febroary nanomboka ny andro voalohany. Io dia ahitàna ireo tantara nangonin'ireo Libiana izay nisafidy tsy hitonona anarana  ary nomen'ilay mpanoratra fanta-daza avy amin'ny mpanohitra, Ashur Shamis, endrika..

Tao Libia ilay mpilaza vaovao ary roa volana lasa izay no niala tao, noho izany ny diariny dia ahitana ireo heviny isanandro mikasika ny zava-mitranga ao  Libia.

Misy koa ireo bilaogin'ny ady an'i Displaced Libyan (Libiana nafindra toerana) izay tsy ho afaka ny hiverina amin'ny tranony.

Tsy aiko ny hanombohana azy satria vao roa volana izay no namakiana ny rindrin'ny fahanginana . Nitazona diary iray misy naoty maromaro aho , ho ampiasaiko ho toy ny drafitra io ary hataoko mivaingana miandàlana eny. Manana fanamarihana maro koa aho mikasika ny zavatra novakiako tao amin'ny Gazety. Fantatro izao fa be ireo tsy mahatombina rehefa mamaky ny lahatsoratro, izay no maha-izaho ahy … Tsy olona mora manaiky na mandeha an-jambany fotsiny. Tandremo, vonona foana hilaza ny hevitro aho tsy iraharahako izay fijerin'ny hafa any, saingy aza rasina ho famelezana olona manokana izany.

Raha leo ny propagandy avy amin'ny mpanohana an'i Gaddafi sy ny mpanohitra an'i Gaddafi  ianao dia hahita fa ‘maha-maivamaivana’ ilay bilaogy na somary lava ihany aza ilay lahatsoratra.

Bilaogera Libiana iray hafa nanambara ilay ady ny Libya SOS na (hiakam-pamonjena ho an'i Libia). Io dia isan'ireo bilaogy vitsivitsy  tsy miaraka amin'ireo mpihoko.

Ny mampakatra lahatsoratra avy ao  Libia dia tsy maintsy mandalo  amin'ny miaramila ara-elektronikan'i  Gaddafi  satria ny Libiana ao Tripoli dia tsy manana zo amin'ny  fifandraisana Aterineto raha tsy hoe angaha manana finday VSAT na Thuraya . Na dia izany aza , hita fa ny olona mampiasa ilay bilaogy dia manao ezaka lehibe amin'ny fitadiavana vaovao, rohy ary sary maro izay manao izay anasoketana ny vaovao ao amin'ny MSM momba ny firosoan'ireo mpihoko. Mampiseho antsika ny endrika hafan'io ady io izany ary koa mampiato kely ny olona sasany mba  hieritreritra ny zavatra rehetra re sy voavaky mikasika azy. Na toa inona ny toerantsika eo anatrehan'izao ady izao, dia  tsara amintsika ny mijery ny endrika hafa asehon'ilay ady , izay koa no antony anasongadinana izany ato amin'ity lahatsoratra ity

Ireo bilaogera dia manontany tena hoe maninona no tsy navoaka haino aman-jery ny feony :

Tena mahaliana ny tsy maha-ao amin'ny CNN, BBC, AlArabiya, Al Jazeera, SkyNews, France24 ny LibyaSOS
…lisitry ny  Twitter  ? FA NAHOANA ?! Nahoana no tsy ao ?!? Satria tsy miteny anglisy be toy ny @Sbhafreedom @FreeLibya @FreeBenghazi aho … antony ve izany ? sa .. sa satria tsy dia ” milay” toy mpihoko tohanan'ny OTAN [sic] aho.

Na inona na inona valin'ilay ady Libiana ny taona 2011, dia namela ny  Libyana hahita ny feony indray ary raha nampanginina ny feon'izy ireo teo aloha , dia mitantara kokoa sy milaza ny heviny manokana ry zareo amin'izao fotoana izao . Tsy ho voatampim-bava intsony izy ireo.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny Fanonganam-panjakana tao Libya  2011.

Hajian-tsary avy ao amin'ny tanàna Libiana Ajdabiya, any avaratra atsinanana, avy amin'i  Tomasz Grzyb, copyright Demotix (29/04/2011).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.