Roandà: Miresaka amin'ny Tweet Miaraka amin'ny Filoha

Betsaka miresaka momba ny harenan'ilay mpandraharaha Britanika, Lord Alan Sugar, mpiangaly rap 50cent sy  Piers Morgan ao amin'ny CNN,  ny fizotry ny oronan-dahatsoratra ao amin'ny Twitter-ko , kanefa tsy mampino izany hoe mandray valinteny tampoka avy amin'ny filoham-pirenena mahabe fanantenana ao amin'ny firenena Afrikana izany, eny fa na dia ho an'ny mpanao gazety matihanina sy bilaogera tahaka ahy aza.

Paul Kagame: Filoha Rwanda ao amin'ny Tweet. Sary avy amin'ny: Kaonty Twitter an'i Kagame.

Ny olana amin'ny olo-malaza tahaka an'i Lord Sugar izay antsoin'ireo mpanaraka azy ao amin'ny Twitter  matetika hoe Shugs,  Morgan kosa antsoin'ny tafika mpanaraka azy hoe Piersy ary i 50cent sy ny tetikasany mahafatra-po amin'ny fanomezana sakafo ho an'ireo Afrikanina amina miliara (na ara-bakiteny, ny vahoaka manontolo ao amin'ny kaontinanta)  amin'ny dimy taona hoavy, dia mahalana tokoa ry zareo vao mamaly ny tweet raha hamaly.

Andro vitsy lasa,  toa tahaka ny vazivazy fotsiny ihany sy  toy ny avy amin'ny olon-tsandoka sy fahefana sandoka mameno ny Twitter  na ny kaontin'ny valantserasera hafa , namaly tweet ilay nilaza tena fa ny Filoha Roandey Paul Kagame aho, izay tsy nampoiziko mihitsy ny handray valinteny avy aminy. Na izany na tsy izany dia niandry valinteny avy amin'ilay tena namoaka ny fehezanteny mihitsy aho.

Marina tokoa, fifanakalozan-kevitra mahazatra izany izay anaovany ireo karazana haingo rehetra amin'ny alalan'ny iPod mankany amin'ny Blackberry mankany amin'ny iPad izay saiky mitovy ihany ny zava-kendrena.

Toy izao ny fandehan'ny fifanakalozan-kevitra:

@RobertAlai:

@paulkagame mampiasa iPad 2, BlackBerry Torch sy iPod. #Mindspeak

Namaly toy izao aho:

@RobertAlai: @paulkagame mampiasa iPad 2, BlackBerry Torch sy iPod. #MindspeakNihevitra aho fa manana vatsy toa an'ny iPod ny aPAd. Lol.

Tao amin'ny tweet manaraka nalefan'i Paul Kagame, dia ny mombamomba azy toy izao fotsiny no voalazany, “Filohan'ny Repoblika Roandà, manorata amin'ny: paulkagame@gov.rw” ary nanome ny adiresin'ny tranokalany ihany koa izy http://www.paulkagame.com, izay nahatalanjona ahy. Toa manoratra fomba firesaka na fanoratana amin'ny tweet mihitsy izy, tweet iray mankany amin'ny manaraka ary toy izany hatrany:

@PaulKagame:

@GNdhlovu. Saingy azo ela taorian'ny iray hafa ny iray…ary malalaka hampiasa ny iray araka ny itiavako azy, na dia amin'ny fomba fijery sasany aza, dia mety mitovy ihany ny ampiasana azy

@PaulKagame:

@GNdhlovu …tanjona! Mety misy fifanindriana ny amin'izy ireo tsirairay avy….ahoana no fomba ampiasanao ireny amin'ny raharaha ataonao!

@PaulKagame:

@GNdhlovu. Ary manana fampiasana azy samihafa ihany koa…!

@PaulKagame:

Namaly aho talohan'ny nahitako ny oronan-dahatsorany izay mampiseho fa tena miresaka momba ireo pitsopitsonjavatra reehtra ireo izy:

@GNdhlovu:

@PaulKagame: @GNdhlovu. Ary manana fomba fampiasa samihafa ihany koa…!” Nanaiky [Ny Filoha Hajaina]. Afaka atao anaty paosy tsara ny iPod. Misaotra tamin'ny valinteny.

Raha nahafantra fa nampiasaina tamin'ny iPods/iPads foana hatrizay ny lohahevitra, nanaraka izany haingana aho ary nanontany ny karazana feon-kira ao amin'ny iPodny, izay indrisy, fa tsy novaliany akory–hatramin'izao.

@GNdhlovu:

@PaulKagame Amin'izay zava-mahaliana ry Filoha Hajaina, inona no karazana feonkira tao amin'ny iPodnao & iza no mpihira malaza indrindra anatin'izany? Misy Roandey ve amin'izany?

Teo am-pijerena ny oronan-dahatsoratry ny Filoha Kagame ao amin'ny Twitter, toa hita fa mirotsaka amin'ny fiadian-kevitra matetika miaraka amin'ny mpiserasera hafa amina karazana lohahevitra marobe izy. Ohatra amin'izany, ity fifanakalozan-kevitra eto ambany ity izay toa miresaka momba ny toekarena ao Roandà, novelabelariny ao ny fomba fiasan'ny governemanta amin'ny fanatsarana ny toekarena.

@PaulKagame:

@ramaisibo. Samy zava-dehibe na ny fombafomba anaovana azy na ny vokatra – tsara kokoa ny mahazo azy roa – raha toa ka tsy ao ny iray dia aleo tsy ny vokatra azo izany !!

Nanasa ny Minisitry ny Tetibola izy tao amin'ny adihevitra:

@MinFinanceRw. Lazao azy bebe kokoa ny momba ny paikady natomboka izay nitondra vokatsoa satria tsy nitsahatra nitombo ny vola miditra tamin'ny fanondranana! Tokony nataoko ..

@PaulKagame:

@MinFinanceRw …ankoatra ny avy amin'ny @ramaisibo maro kokoa raha resaka hevitra (manampy amin'ny fitadiavana vahaolana) noho ny mametraka karazana fanontaniana!

@PaulKagame:

@ramaisibo. Manontany tena aho raha tena manampy tokoa ity adihevitra miaraka amin'ny olona tahaka anao ity amin'izao fomba izao!!! Raha tsy ampy forum i  @ramaisibo..

@PaulKagame:

@ramaisibo ..amin'inona no hanehoany ny heviny- te-hahazo ny resaka aho! Mino aho fa tsy handroso mihemotra amin'ny zavatra tsy dia manao ahoana ianao.!

@PaulKagame:

@ramaisibo …nikatrokatro-pandeha nandritra ny taona maro! Nihanidina ny fisondrom-bidim-piainana eto amin'ny faritra sy ny manodidina, raha tsy mahafantatra ianao! fa izaho mahafantatra ..

@PaulKagame:

@ramaisibo …te hanoro-hevitra fotsiny fa misy ny fomba tsara hanatsarana ny adihevitra (izay efa hatry ny ela no tokony efa tao)!!!

Fivoarana tokoa ny fifanakalozan-kevitra Twitter miaraka amin'i Kagame ary maha-mpialoha lalana azy miohatra amin'ireo mpitondra Afrikana ankehitriny izay, ny tsara indrindra, dia tsy hitan'ny ankamaroan'ny olom-pirenena iresahana ary, ny ratsy indrindra, tsy misahirana tsotra izao mba hihaino ny olom-pirenena ao aminy, mamela azy ireo ho irery na dia tsy jerena aza ny maha-olompirenena ao aminy azy ireo.

Tamin'ny 5 Mey 2011,  Paul Kagame no mpitondra Afrikanina voalohany natao fanadihadiana tamin'ny YouTube Hita Manerantany. Vao haingana tamin'ity taona ity, bilaogera Kenyana monina ao Roandà nanasa an'i Paul Kagame tamin'ny Twitter mba hitsidika ireo ankizy ao amin'ny kianja filalaovana Ibirunga Tennis ao an-tanànan'i Musanze. Namaly ilay tweet ny Filoha Kagame ary nanaiky ny hitsidika azy ireo.

Kaonty Twitter an'i Paul Kagame mampiseho ny “Badge nohamarinina”. Mampiasa fomba fanamarihana ny Twitter mba ahitana ny fahamarinana momba ilay olona tena mampiasa ny Twitter marina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.