Shily : Voasakan'ny Mpianatra Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Mihoa-pefy

Efa hatramin'ny Aprily ireo Shiliana mpianatra mitokona manohitra ny fanavaozana ny rafi-pampianarana no nifamory, ary ao anatin'ity video nalaina sy notontosain'i David Vega ity dia azontsika jerena ny fomba nisamboran'izy ireo andian'olona misaron-tava izay saika hanao fanakanan-dàlana sy handoro azy ireny afo.

Eny fa na dia niezaka nadresy lahatra azy ireo aza ireo tia mandorondoro fa hoe ny fampiasan-kery no làlan-tokana, tamin'ny alalàn'ny fandresen-dahatra sy hiaka no nitenenan'ny mpianatra ireo izay nanafina ny tavany ka nirona hanao herisetra fa tokony hiala izy ireo.

MANIFESTANTES DETIENEN A ENCAPUCHADOS avy amin'i Cinefilia tamin'ny Vimeo.

Zava-dehibe hoan'ny mpianatra ny tsy manome ny fitondram-panjakana na ny miaramila antony hanaovana herisetra amin'izy ireo, tahakà ny efa nataony tamin'ireo andro teo aloha. Nofehezina tamin'ny fitifiran-drano matanjaka ny mpianatra, baomba mandatsa-dranomaso ary lasa navori'ny tafika mitaingin-tsoavaly toy ny andian'omby aza.

Shiliana Maro no tohina amin'ity fampisehoana hery amin'ny mpianatra mitaky ny fanovàna ilaina amin'ny rafi-pampianarana azy ireo ity, izay natao ihany na dia efa maro aza ny porofo mazava toy ny Korontana tany Londona mahatonga ny olona hisaina indray ny amin'ny tsy fananan'ny tanora asa ary ny fampianarana. Ny fanehoana fanohanana ny mpianatra dia tsy tany anaty tambajotra sosialy fotsiny fa hatreny an-dalambe ihany koa niaraka tamin'ny “cacerolazos”, fihetsiketsehana mively vilany nokarakaraina isaky ny alina amin'ny 09 ora. Hitantsika amin’ ity video iray hafa ity ny cacerolazo tamin'ny 4 Aogositra 2011 :

Cacerolazo 4 Aogositra 2011 avy amin'i Jonathan Bravo ao amin'ny Vimeo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.