Chile: Polisy sy Mpianatra Nifanandrina Tanaty Fihetsiketsehana Momba ny Fanabeazana,Tsy Nahazoana Alàlana

An-jatony ireo Shiliana mpianatra, nitaky ny fanavaozana ny rafi-panabeazana azy ireo, no nifampitàna tamin'ny mpitandro filaminana avy amin'ny polisy satria nanao hetsika tsy nahazoana alàlana izy ireo tamin'ny Alakamisy 4 Aogositra 2011, nanerana  ny afovoan-tanànan'i Santiago renivohitra.

Ny Fiombonamben'ny Mpianatra Ao Chile (CONFECH) dia niantso ny mpianatra rehetra manerana an'i Chile hanao hetsi-panoherana tamin'ny Aprily, iray volana taorian'ny nanombohan'ny taom-pianarana.  SLeo ireo mpianatra amin'ny firoboroboan'ny fanolorana ho an'ny tsy miankina miseho ao Chile izay nanomboka fony fitondrana jadon'Ing. Augusto Pinochet tany amin'ny taona 1980 tany ho any.

Hatreto, izay hetsi-panoherana natao hangatahana fanavaozana ny fanabeazana dia niafara hatrany tamin'ny fanondrahana rano sy entona mandatsa-dranomaso ireo mpanao diabe. Tsy nidila tamin'izany ny hetsika natao ny marainan'ny Alakamisy teo, afa-tsy ny nolazain'ireo mpanao politika sasany hoe, tamin'ity indray mitoraka ity dia nihoatra ny fefy ny herisetra natao tamin'ny mpianatra.

Police use a "guanaco" water jet to disperse students. Image by Flickr user FabsY_ (CC BY-NC-SA 2.0).

Polisy mampiasa "guanaco" – tafondro rano hanaparitahana ireo mpianatra. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, FabsY_ (CC BY-NC-SA 2.0).

Maherin'ny 1.000 ireo polisy nanamory fiara mifono vy, na mitafy fitafiana “Carabineros” aro-bàla fanaon'ny polisy ary mihazakazaka an-tongotra, ary misy mitaingin-tsoavaly manosika ireo mpianatra hiala lavitra ny lapan'ny Filoha. Voasakana fefy vy ny maro tamin'ireo toeram-pandraisana fiara an-dalamby ambanin'ny tany.

Ao amin'ny Twitter,  ilay hetsika dia tafakatra ho amin'ny toeran'ny lohahevitra tena resahana be ao an-tanàna noho ireo mpianatra mbola maneho ny hatezerany tsy mitsaha-mitombo amin'ny fampiasàna ny tenifototra tahaka ny hoe #4deagosto, #laalamedaesnuestra sy #camilasomostodos.

Ny vohikalam-baovao El Dínamo dia nanambatra lahatsoratra roa avy ao amin'ny  Storify miaraka amin'ireo fanehoan-kevitry sy ny tatitra avy amin'ny vahoaka, ny iray mifantoka amin'ny hetsika natao tao  Santiago [es], ary ny iray hafa amina'ny  hetsi-panoherana manerana ny firenena [es].

Eder Rivas (@ederivas), nibitsika tamin'ny  1:08 tolakandro:

En las protestas hay toda clase de animales: guanacos y carabineros. Sólo faltan militares y armamos un zoológico.

Amin'ireny hetsi-panoherana ireny dia ahitàna karazam-biby maro: guanacos (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: fiarabe fanondrahana rano fampiasan'ny polisy) sy polisy. Ny tafika sisa no tsy hitantsika tao, dia hanana “zoo” na toerana fitehirizana biby isika.

Mazàna ny mpianatra no mampitaha ny  “guanacos”, ilay rameva be any Chile, amin'ny fiaraben'ny polisy mitifitra rano avy eny ambonin'ny tafony.

Betsaka ireo mpanao fihetsiketsehana nitahiry ny fahatoniana raha ny hafa kosa – misalobona anaty akanjobà misy satrony, manao fonon-tànana sy saron-tava – mitora-bato ireo fiaran'ny polisy. Polisy roa no naratra. Notanan'ny polisy ny 235 tamin'ireo mpianatra 800 teo ho eo naneho tsy hafaliana.

Raha ny marina dia nametraka fangatahana hanao io diabe indroa miantaona io ireo mpianatra, ny Alakamisy manomboka amin'ny 10:30 maraina ho an'ireo mpianatry ny ambaratonga ambony. Ny CONFECH nanomana kosa diabe faharoa manomboka amin'ny 6:30 hariva. Saingy izy roa dia samy nandraisana baiko avy amin'ny manampahefana mba ho foanana avokoa.

Ny Minisitry ny Atitany Rodrigo Hinzpeter dia niteny tamin'ny Alarobia fa tsy hanome alàlana fidinanan an-dalambe vaovao hataon'ireo mpianatra mankeny amin'ny lapan'ny filoham-pirenena, antsoina hoe Alameda izany izy. Nambarany ho antony nanosika ny fandraisana izany fanapahan-kevitra ny fahasimban-javatra an-tapitrisa dolara, ny fitarainan'ireo mpandraharaha ara-barotra, ary  ny fahaverezam-potoana tokony hianarana.

Tsy nilefitra nanoloana ny fandàvan'i Hinzpeter, nampiasain'ireo mpianatra ny zon-dry zareo ho afaka manao fihetsiketsehana araka ny Lalampanorenana. Amin'ny Lalampanorenana ao Chile, Andininy faha-19, No. 13, no miantoka ny  “zo hanao fivoriana am-pilaminana tsy ilàna fangatahana mialoha na fitondrana fitaovam-piadiana.”

Lalàna iray mifanohitra, navoaka tamin'ny 1983 teo ambany fitondràna jadon'i Augusto Pinochet, no ahafahana mandrava izay fihetsiketsehana tsy nahazo fanomezan-dàlana mifanaraka amin'izany avy amin'ny manampahefana, izany hoe ny faneken'Ing. Hinzpeter. Io lalàna io koa no manome fahalalahana ny manampahefana handrava fihetsiketsehana. Ny Equality Institute, na Ivontoerana ho an'ny Fitoviana dia nanara-maso akaiky ilay fifandonana ary nitsara azy io ho tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenana [es]..

Na izany aza, nirona tamin'io didim-panjakàna io ihany i Hinzpeter mba hampanginana ny hetsik'ireo mpianatra.

Camila Vallejo (@camila_vallejo), mpitarika ny CONFECH, nibitsika hoe:

Lo que hoy pasa en nuestro pais, desnuda a la derecha en su verdadera forma de gobernar, nosotros no tenemos miedo, ellos si.

Androany teto amin'ny firenentsika, nasehon'ny governemantantsika ny tena endriny marina, tsy matahotra isika, ry zareo no mifezaka.

Hadisoam-pamindra ara-politika ho an'ny minisitra ny fanapahan-kevitra noraisin'i Hinzpeter. Nanaraka avy hatrany an'ilay hetsika tamin'ny 10:30 maraina, andianà solombavam-bahoaka sy loholona maro no nangataka ny hialàny noho izy nanome alàlana  “famoretana an-kerisetra natao tamin'ireo mpianatra.” [es].

Sary avy amin'i FabsY, mpampiasa Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Tamin'ny Alatsinainy, ny Filoha Sebastián Piñera dia nandroso andianà fanovàna miisa 21 izay mety hametrahana masoivohon'ny governemanta handray an-tànana ny olan'ny fanabeazana. Ny drafitra nomeny dia mangataka ny hampakàrana ny vola atokana ho an'ny fanabeazana mba hanampiana ny fandoavana ny karaman'ny mpampianatra sy hikarakarana ny trosa tsy voaloan'ireo mpianatra. Mety ho fanondrotana vatsim-pianarana eny amin'ny Anjerimanontolo ihany koa io.

Nilaza ry zareo ao amin'ny CONFECH fa hamaly  ny drafitra natolotry ny filoha amin'ny Zoma. Raha raisina ho tondro-marika ireo herisetra misonga sy ireo hetsi-panoherana mitohy ao Santiago sy manerana an'i Chile androany, tsy nampitony ireo mpanao hetsi-panoherana ny drafitr'i Piñera.

Sergio Canales, (@sergiocanalesv), nibitsika hoe:

Esto hace rato dejó de ser tema de derecha o izquierda, es gente normal que quiere las cosas más justas #4deagosto.

Efa elabe no nijanona tsy ho olan'ny havia na ny havanana intsony io. Ny olon-tsotra mihitsy no mangataka ny mba hampadio mangarahara ny zavatra rehetra #4deagosto.

Sentidos Comunes nampakatra  lahatsary azo jerena mivantana momba ilay hetsi-panoherana, toy ny nataon'i @VotaInteligente. Ambonin'izany, ireo mpianatra avy ao amin'ny Anjerimanontolo “Universidad de Concepción” ao atsimon'i Chile dia nandefa mivantana ilay andro manontolo tamin'ny alalan'ny  Twitcam.

Nisy  ‘cacerolazo‘ iray  (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: hetsi-bahoaka maneho fanoherana) nomanina hatao ny Alakamisy alina, araka izay itateran'ny mpanoratry ny Global Voices, Felipe Cordero (@felipe_cordero) azy ao amin'ny  Twitter:

Impressive number of people banging pots throughout Santiago. It hasn't stopped. This is not a struggle of a minority of students #4deagosto

Ny hoe #cacerolazo dia nanjary lohahevitra mafàna resahana be eran'izao tontolo izao tamin'ny alin'ny Alakamisy 4 Aogositra.

 

Katie Manning dia mitatitra ho an'ny  www.MiVoz.cl, izay mamoaka vohikalam-baovaon'olon-tsotra 14 avy amin'ireo faritany ao Chile. Betsaka andinindininy momba ilay hetsi-panoheran'ny mpianatra miely manerana an'i Chile ao anaty aterineto, ao amin'ny  www.elnortero.cl

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.