Espana : Mpanao Gazety Nosamborina Ary Fihetsiketsehana Voasakantsakana

Ny hetsi-panoherana Espanola 15 m izay nahangona olona an'arivony teny an-dalambe hangataka rafitra ara-demokratika kokoa dia tonga tamin'ny dingana iray vaovao. Nanapa-kevitra ny manampahefana ny 2 Aogositra fa handràra ny fihetsiketsehana rehetra ary nampitandrina ireo mpanao fihetsiketsehana  tsy hivorivory, tamin'ny alalan'ny fanakanana ny làlana mankany amin'ireo toera-malalaka natao ho an'ny daholobe sy tamin'ny alalan'ny herisetran'ny polisy.

Ny 4 Aogositra, nisy famoriam-bahoaka iray  nokarakaraina tao amin'ny kianjan'i Puerta del Sol ao Madrid , ny ivon'ilay hetsika, nefa ny làlana mankany amin'ilay kianja dia vosakana nanomboka ny 2 Aogositra. Ny fiaran-dalamby mandeha ambanin'ny tany sy ny fiaran-dàlamby mivoaka ny tanàna, izay tokony hijanona ao Puerta del Sol raha ny tena izy, dia noraràna  tsy hijanona tao tamin'io andro io ary polisy maro no naparitaka teo mba hahazoana antoka ny tsy hisian'ilay hetsika 15 m tsy hivorivory ao.  Rakotra fanehoan-kevitra tampoka tahaka izao ny Twitter :

@alberarce Dice @RTVE “indignados buscan la manera de llegar a la Puerta del Sol, defendida por la policía”¿defendida de qué? #plazatomada #periodismo

@alberarce ny Televiziona Espanola nilaza hoe ” niezaka ny ho any Sol ireo mpanao fihetsiketsehana, zavatra izay voaràran'ny polisy.” ” Voarara” amin'inona ? #plazatomada #periodismo.

Source: glb

 

Niakatra ny maripàna nandritra io andro io ary ny andro manaraka io, rehefa nivory teo amin'ny  Paseo de la Castellana, Madrid ireo mpanao fihetsiketsehana. Nafonja ny polisy hita teny,  ary niafara tamin'ny fanafihan'ny polisy an'ireo mpanao fihetsiketsehana.  Ito lahatsary ito, izay nozaraina betsaka tao anaty aterineto, dia mampiseho ilay mpanao gazety Gorka Ramos (miasa amin'ilay vohikalam-baovao Espanola La Información) notomorin'ny polisy tamin'izy nibitsika ilay raharaha, ary novelesina taorian'io ( 8 minitra). Araky ny filazan'ny polisy,  Ramos dia nosamborina noho ny nanompany sy  nandroràny polisy.

Nandrehitra fanehoan-kevitra maro teny anivon'ny haino amanjery ara-tsosialy ny mikasika ny fisamborana an'i  Ramos, indrindra fa ny Twitter, lasa lohahevitra resahana be ao ny #periodistadetenido (mpanao gazety voasambotra).

@phumano VIDEO Fría agresión policial al #periodistadetenido por estar mirando la carga, minuto 8. #15M bit.ly/nE39h1 #madridsinmiedo

@phumano VIDEO Cold (lahatsary mangatsiaka ) herisetran'ny polisy taminà mpanao gazety voasambotra teo am-pijerena  (min. 8) #15M bit.ly/nE39h1 #madridsinmiedo.
@bimbacha @ojomagico Las imágenes hablan solas, Carlos. A denunciar y a no parar hasta que le den la razón #periodistadetenido
@bimbacha @ojomagico Miteny kokoa ny sary noho ny teny,  Carlos. Torio ireo ary aza mitsahatra raha tsy azonareo io zonareo io #periodistadetenido.
@mtascon Para inquietar al gobierno solo hay q ponerse en una esquina tranquilo a tuitear #periodistadetenido
@mtasco mba hanadalàna  ny governemanta, ny hany ataonao dia mandefasa bitsika avy eny amin-ny kihon-dàlana #periodistadetenido

Rehefa tsy nasongadin'ny haino aman-jery Espanola ilay fisamborana, dia nahazo ny fandrakofan'ny haino aman-jery iraisam-pirenena toy ny  The Guardian, CBS, Forbes ary ny Associated Press..

Ilay bilaogera fanta-daza, La Pulga y la Locomotora, dia nizara taratasy misokatra [es] ny 5 Aogositra nanontany ny Governemanta Espanola ny antony ambadik’ io dingana mbola tsy mbola nisy toa azy io natao hanakànana fanetsehana maro :

Supongo que son conscientes de que se están vulnerando ciertos derechos fundamentales de los ciudadanos, el más evidente el de Libre Circulación, pero también el de Reunión y el derecho a la Libertad de Expresión.

Mihevitra aho fa efa fantatrareo hoe voahitsakitsaka ny zo fototra , anisan'izany ny zo hivezivezy malalaka, fivoriana ary fahalalahana haneho hevitra. Efa nodinihinareo ve endrik'zany araka ny lalàna?

Ilay taratasy dia nilaza ihany koa ny heverin'ireo mponina fa antony tena  hanakànana ilay fihetsiketsehana sy ny antom-pisian'ny polisy :

Veo bastante más relación con la próxima visita del Papa Benedicto, la verdad, y debería preguntarle sobre ello, pero sé que un estado laico nunca aceptará públicamente el hecho de que está actuando bajo petición de la Iglesia Católica.

Toy ny hoe misy hifandraisany amin'ny fitsidihan'ny Papa ( izay hifandray amin'ireo mpikambana  ao amin'ny Tanora Katolika ao Madrid) ilay izy ary iriko ny hanamarinareo an'izay, na dia fantatro aza fa ny fanjakana laika iray tsy hanaiky ampahibemaso ny hoe nihetsika noho ny fangatahana an-tsoratra avy amin'ny Fiangonana Katolika.

Mpampiasa iray hafa koa no naneho hevitra mikasika ny fiheverany ho fanandramana hampiasa ilay tranga amin'izao fotoan io mba hampizarazaràna ny mponina. Araky ny hevitr'ilay bilaogera  Alberto Vizcaíno [es] :

El poder lo sabe y empieza a gestionar el 15 M: enfrentando ciudadanos contra ciudadanos. Ya tenemos a partidos llamando a la división: “católicos contra indignados”. Como si fuese incompatible ser católico o militar en un partido con estar indignado y querer mejorar el sistema en el que vivimos.

Hain'izy ireo ny mifehy ilay hetsika 15 m. Mampiady  ny mponina. Efa manana ny antoko politika isika izay manindrahindra izao  hevitra izao : “Ireo tsy faly  vs. (manohitra) ny Katolika”. Toy ny hoe tsy mifanentana mihitsy ny maha Katolika sy ny finiavana hanatsara ny rafitra iainana.

Ny delegasion'ny Governemanta (ahitàna ireo Antokon'ny Mpiasa Sosialista eo amin'ny fitondràna fantatra amin'ny hoe PSOE  amin'ny teny Espanola dia nanamafy vao tsy ela [es] izay fa noteren'ny Filan-kevitry ny tanànan'i  Madrid ry zareo (fehezin'ny olona avy amin'ny antoko elatra havanana) mba hanàkana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hameno ny toerana natao ho an’ ny daholobe nandritry ny fitsidihan'ny Papa.  Ny 5 aogositra, toa niova hevitra ireo manampahefana. Ny polisy niala [es] tao Sol ary ny nesorina ny fanakànana tsy hiditra any. Miaraka amin’ ireo mpanao fihetsiketsehana izay miha-tsy faly tsy misy toy izany, tena sahala amin'ny tsy maintsy mbola hitohy ny tantara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.