Global Voices Amin'ny Teny Aymara: Mitahiry ny Tenin-janatany Ao Anaty Aterineto

Ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Teny sy Aterineto ity lahatsoratra ity.

Iray amin'ireo vohikala vaovaon'ny Global Voices Lingua no sady voalohany amin'ny tenin-janatany, ny Aymara. Ampiasain'ireo vahoaka mihoatra ny 2 tapitrisa manerana ny Andes, indrindra any Bolivia sy Pero ity tenin-janatany ity, izay anisan'ireo teny ofisialy. Misy ihany koa ireo vahoaka miteny Aymara any amin'ny faritr'i Shilia sy Arzantina, tahaka izany ihany koa ny zanaka ampielezan'i Aymara miparitaka ivelan'ny fireneny.

Ny fandikana teny voalohan'ny Global Voices amin'ny teny Aymara dia navoaka ny Septambra 2009 ary nitohy tamin'ny famoahana tsindraindray tamin'ny taona manaraka. Rehefa naka ny toeran'ny  mpamoaka lahatsoratra i Victoria Tinta, nanomboka namoaka fandikan-teny tao amin'ny Global Voices avy amin'ny teny Espaniola mankany amin'ny teny Aymara. Ho fanampin'ny famerenana mamaky sy ny fanomezana endrika ireo fandikan-teny, tompon'andraikitry ny ekipan'ireo mpandika teny mpirotsaka an-tsitrapo ihany koa i Victoria. Raha atambatra, 21 ireo mpirotsaka an-tsitrapo nanampy tamin'ny fandikana teny, ary misy vondron'olona ampolony eo ho eo izay namoaka dikanteny ara-dalàna.

Global Voices in Aymara Editor Victoria Tinta at the Brazilian Digital Culture Forum in São Paulo in October 2010.

Ny Mpamoaka lahatsoratry ny Global Voices amin'ny teny Aymara, Victoria Tinta tany amin'ny Vovonan'ny Kolotsaina Dizitaly Breziliana tao São Paulo ny Oktobra 2010.

Hevitra avy amin'ny tetikasa Jaqi Aru ao El Alto, Bolivia io vohikala vaovao io ary mikendry ny handray anjara amin'ny fametrahana  votoaty amin'ny teny Aymara ao anatin'ny aterineto, ho làlana entina mampandroso sy mitazona ny tenin-drazany. Maro amin'ireo mpandika teny sy mpikambana ao amin'ny tetikasa Jaqi Aru no mpianatra any amin'ny Làlam-piofanana momba ny Teny any amin'ny Anjerimanontolom-panjakan'i El Alto [es] (UPEA ny fanafohezana azy amin'ny teny Espaniola), ary mihazona ny zotom-po hitahiry ny teny ho an'ireo taranaka hoavy. Ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices dia manome fahafahana ho an'ilay vondrona mba hanome zavatra manan-danja amin'ny teny Aymara momba ireo zava-niseho tato ho ato sy ny tranga ara-kolotsaina maneran-tany.

Raha mahafehy teny roa ireo mpandika teny rehetra, ny Aymara sy ny Espaniola, ary indraindray, mahafehy teny telo, dia mbola eo amin'ny ambaratongany voalohany ity tetikasa ity. Amin'ny tranga sasany, tsy misy amin'ny teny Aymara ireo teny mipoitra any anatin'ireo lahatsoratry ny Global Voices. Mba hanampiana amin'ny tranga tahaka izany, misy ireo tetikasa tahaka ny Runasimipi izay miezaka ny hanamboatra fifanekena ho an'ny fandikàna ny teny iray miavaka, indrindra ireo teny mifandray amin'ny teknolojia. Nefa amin'ny tranga maro, ny fandikan-teny dia soso-kevitra omen'olon-tsotra amin'ny fomba tokony handikana ny teny iray. Mety hiova isaky ny mpandika teny izany fomba filàza izany, nefa ny fanombohana amin'izany fomba izany dia hanome toerana ho an'ny adin-kevitra, izay manampy araka izany ny mpandika teny tsirairay hanatsara ny asany.

Members of the Global Voices in Aymara translation team.

Mpikambana ao amin'ny ekipa mpandika teny ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Aymara.

Mety ho marina fa maro ireo mpamaky ny Global Voices amin'ny teny Aymara no tsy manana olana amin'ny famakiana ny Global Voices amin'ny teny Espaniola ho solon'izany, nefa ny tetikasa dia ampahany amin'ny tanjona goavana amin'ny famporisihina ireo mpampiasa ny teny Aymara, indrindra ny vahoaka tanora, mba hitàna ny tenin-drazany. Ny famoahana lahatsoratra manintona ny saina ao amin'ny Aterineto no dingana voalohany amin'ny tetikasa Jaqi Aru ary ny ekipa mpandika teny ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Aymara dia manantena ny fametrahana ohatra ho an'ireo zanatany hafa sy fikambanan'olom-bitsy momba ny teny manerana ny tany.

Ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Teny sy Aterineto ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.