Belarosia : Ny Atsinanana sy Ny Andrefana, Dia Tsy Misy Na Inona Na Inona Eo Anelanelany ?

“Atsinanana dia Atsinanana ary Andrefana dia Andrefana, ary tsy hifanena na oviana na oviana ireo.” Io andalan-tononkalon'i Kipling io, mazàna diso fampiasa, dia toa mampiseho ny zava-misy marina ho an'ny sarambabem-bahoaka Belarosiana, satria ireo krizy sy hetsi-panoherana farany dia lasa  fanairana an-kerisetra an'ilay  “hatsaràna resin-tory” Sovietika avy tao amin'ny torimasony. Mifoha anaty tontolo tsy mahalala fomba sy mahery setra, maro izao ireo manomboka manontany hoe: “”Iza no mba miraharaha an'i Belarosia?”

Ny lohatenim-baovao hita tany amin'ny vaovaon'ny Tandrefana momba ireo fizotry ny raharaha tato ho ato tao Belarosia dia mifandraika mihitsy amin'ny modely ankapobeny ampiasaina amin'ny famoretana, miaraka amin'ny fanindrahindrana ireo mafana fo vitsivitsy, nefa miaraka hatrany aminà fanampiny kely avy amin'ny tantara fantatra. Marina fa ilay olana ara-toekarena nolalovan'ny firenena sy ny fiakaran'i Rosia tsikelikely teo amin'ny toekarena Belarosiana no vao mainka nanampy trotraka ilay raharaha, raha ny vaovao farany tian ho azo dia ny fanalàna ny Filoha Lukashenko.

Every year on March 25, Belarusian opposition leaders and activists hold public actions to mark Freedom Day, which is not an officially recognised holiday. Image by Ivan Uralsky, copyright Demotix (25/03/2010).

Isan-taona rehefq 25 Marsa, ireo mpitarika ny antoko mpanohitra Belarosiana sy ireo mafana fo dia manomana hetsika ankalamanjàna ho fahatsiarovana ny Andron'ny Fahafahana, izay tsy mbola andro tsy fiasana ofisialy akory. Sary avy amin'ny Ivan Uralsky, copyright Demotix (25/03/2010).

Hatramin'izao, i Belarosia dia toa mijanona ho tany efitra eo anelanelan'ny Andrefana sy Atsinanana. Hitondra fiovana marina ve na misy an'i Lukashenko na tsy misy an'i Lukashenko ? Miha mitombo ny isan'ny olona milaza ao Belarosia fa mbola hisy hatrany io manjavozavo  io, ary voaozona ny hiaina anaty krizy eo anelanelan'ny Atsinanana sy Andrefana i Belarosia.

Noho izany, nitaraina [ru] i by_volunteer, mpampiasa ny LiveJournal   fa ny toekaren'ny firenena dia namidy tamin'ny Rosia, raha be olana be  tsy afaka ny hihevitra ny momba izany ry zareo Eropeana :

Беларусь пошла с молотка и это очевидный конец. Руководство Беларуси заключило сделку и тихонько распродаёт страну, в расчёте на политическое убежище, все наши ура-патриоты спокойно на это смотрят. Основные предприятия страны переходят в собственность к России, это российские капиталовложения в нашу собственность. Как можно это допустить и как может ЕС так спокойно упускать свои перспективы на будущее в Беларуси?! Это же полный провал европейской политики, тем более в ЕС нарастает огромный финансовый кризис, европейский бизнес девать просто некуда. Это немощный инфантилизм и позор, нельзя допускать завершения сделки с Россией, это огромная ошибка, нужно срочно принимать меры!

Natao lavanty i Belarosia ka ny valiny dia efa fantatra mialoha. Efa nanao fifanarahana ireo mpitondra an'i Belarosia ka mivarotra mangingina ny firenena, miantehitra amin'ny fialokalofana ara-politika, ary dia mitazam-potsiny ireo mpiray tanindrazana amintsika. Ny orinasa fototra rehetra ao an-toerana dia nanjary fanànan'i Rosia avokoa. Fampiasam-bola Rosiana aty amin'ny fananantsika. Ahoana no hanomezana alàlana an'izany , ary ahoana no hahafahan'i EU mampiato tsotra izao ny tetikasany ao Belarosia? Tena tsy fahombiazan'ny politika Eropeana tsotra izao sy mazava izao , indrindra indrindra amin'izao kizy ara-bola goavana mitsoka any amin'ny EU izao, ary tsy mahita izay lalan-kombàna ny fandraharahana Eropeana . Fanahin-jaza sy henatra izany. Tsy misy afaka ny hamela ny firenena hiampiraharaha amin'i Rosia na iray aza. Tena fahadisoana lehibe, ary mila mandray fanapahan-kevitra haingana!

Fa aiza i Eraopa ary aiza ny fitsarana? Miely be ny fahatsiarovan-tena ho tsy raharahiana ary, amin'ny endriny rehetra, fitondrana tsy rariny, miampy fahadisoam-panantenana amin'ny ankapobeny ny tsy fisian'ny fanantenana amin'ny fiainana andavanandro sy ny fanantenana amin'ny ho avy. Mitantara ny tsy nahazoan-janany lahy “visa Schengen” ho any Eraopa, mitaraina [ru] mafy ity reny iray fahatsapany ny fomba ieritreretan'ny hafa ny avy ao Belarosia :

Нет правды в Беларуси. Десятки лет мы получаем лживую информацию, слышим безответственные обещания, видим потемкинские деревни. Наелись. Все цивилизованные страны единодушны в оценке и называют такое поведение властей издевательством над народом. Но как оценить издевательство над многострадальными гражданами посольств этих цивилизованных стран, когда после заявлений о смягчении визовых режимов для белорусов, отказывают в визе даже тем белорусам, которые по всем критериям очень даже выездные. [—] Мой сын закончил третий курс университета. Хотел съездить во Францию по частному приглашению. Получил отказ. Поскольку ничего плохого за ним никогда не водилось, единственной причиной отказа считаю административный арест 19 декабря на 15 суток. Он проходит по спискам и, скорее всего, поэтому посольство Франции ответило: «У нас нет уверенности, что вы покинете страну по истечению срока визы». Интересно получается. Два списка фигурируют для запрета въезда в Евросоюз: официальный – список чиновников и неофициальный список задержанных. [—] И стало, знаете, очень обидно. И очень одиноко. И за демократию бьют по голове, и демократия бьет по голове. И никому мы не нужны. Ладно бы не нужны – и на порог не пускают. А главное, никакими демократическими процедурами это решение не оспорить. Где справедливость, где права человека, какие гаагские суды рассматривают отказы в выдаче визы? Какие правозащитные организации защищают таких людей? А главное, отличается ли белорусская судья, превентивно выносящая приговор за несовершенное правонарушение, от французского чиновника, отказывающего в визе за несостоявшийся невозврат?

Tsy misy fahamarinana ao Belarosia. Nandritra ny taompolo maro, voky lainga isika, nihaino fampanantenana poak'aty sady nijery ireo tanàna Potempkine. Leo an'izany izahay. Miray hevitra daholo ireo firenena mandroso ary miara miteny hoe io karazana fitondrana io dia fanadalàna vahoaka. Saingy ahoana ny fiheverin'nyAmbasadin'ireo tanàna mandroso ireo ihany ny amin'ny fanadalana toa izany, izay iaretan'ny mponina mangina, raha – tao aorian'ny fanambaràna ny fanamorana ny fahazoana “visa” ho an'ny Belarosiana – lavina ny fahazoana “visa” na dia ho an'ireo izay hita fa mahafeno ny fepetra hahazo izany aza. [—] Ny zanako lahy nahavita ny taona fahatelo teny amin'ny anjerimanontolo, ary naniry ny ho any Frantsa noho ny fanasàna manokana. Nolavina izy [ny fangatahany “visa”]. Kanea tsy nanao zava-dratsy mihitsy izy, ny antony tokana fantatro ho nandàvana azy dia ny fihazonana azy [ mifandray aminà hetsi-panoherana talohan'ny fifidianana] ny 19 Desambra nandritra ny 15 andro.
Tao anatin'ny lisitra izy, ary toa sahala amin'ny namaly Masoivoho Frantsay hoe : «Tsy fantatray ianao raha handao ny firenena  aorian'ny fahataperan'ny fahazoan-dàlanao». Ary izay no nahazendana. Toa misy lisitra roa izany ny fandàvana ny fidirana ao Eraopa : ny iray ofisialy – ny lisitr'ireo mpitana birao – ary ny tsy ofisialy ny an'ireo efa voasambotra. [—] ary avy eo, hainao ihany, fa tena maharary izany. Mahatsiaro tena ho irery ianao . Voakapoka mafy any an-tampon-doha ny demokrasia, ary avy eo mikapoka mafy any antampon-doha ny demokrasia. Tsy misy mila antsika. Tsy maninona raha tsy ilaina isika, ary tsy afaka hivoaka ny faritra. Fa ny tena olana dia ny tsy fisian'ny rafitra ara-demokratika hanoherana an'io fanapahan-kevitra io. Aiza ny fitsarana, aiza ny zon'olombelona, fitsarana inona no hanamarina ireny fandàvana ny “visa” ireny? Fikambanana sivily aiza no miaro ireny olona ireny? ary ambonin'izany, moa ve ny mpitsara Belarosiana izay manome ny didy fampitandremana noho ny heloka bevava tsy natao, mitovy amin'ny Frantsay mpitàna birao izay mandà ny “visa” noho ny resaka tsy  fiverenana izay tsy nisy akory?

Mikasika ilay fanontaniana  “Tolstoian” momba ny devoly ao anatintsika ao sy ny tokony hanalàna azy, dolka777, mpampiasa  LJ dia nanontany [ru] hoe ahoana no namelàn'ny olonan y fitondran'i  Lukashenko hiroborobo :

Как мы вскормили диктатора. Это вопрос, который я себе задаю постоянно. Мучительно вспоминаю, как и когда я сама впустила в себя эту диктатуру. Свято верю, что в каждой судьбе должен быть такой момент, когда ты соглашаешься со злом только потому, что твой двоюродный брат работает в КГБ и он – клевый парень, а тебе не хочется его обижать. Или хвастаешься другом, который парится в парилке с личным сантехником Его Величества. Шугаешься коллег или сокурсников, которые связаны с оппозицией. Думаю, что здесь, в бай-политикс собрались те, которые, возможно, ничего такого не делали. Но все же. [—] И теперь вопрос каждому: что ты лично сделал для того, чтобы в Беларуси воцарился диктатор?

Ahoana no namelomantsika mpanao didy jadona ? Izany no fanontaniana apetrako matetika amin'ny tenako ihany. Mampalahelo ny mieritreritra hoe ahoana sy oviana , aho, no nampandroso io mpanao jadona io. Mino marina aho fa amin'ny lahatra tsirairay, misy ny fotoana hikimpiana amin'ny ratsy satria fotsiny hoe miasa ao amin'ny KGB ny rahalahinao, ary lehilahy mahafinaritra izy ka tsy tianao ny hanafintonhina azy.  Na mba te-hipoera ianao hoe manana namana niray ny trano fikarakaram-batana tamin'ny Mpanjaka. Haratsiana ny namana sy mpiara-miasa mifanerasera amin'ny mpanohitra. Mino aho fa ato, ato – amin'ny tontolo politika, nivondrona ireo tsy mbola nanao toy izany. Farany. Ary ankehitriny dia fanontaniana iray ho an'ny rehetra sy ny tsirairay : Inona ny zavatra nataonao manokana mety nahatonga io mpanao jadona io hanjaka ao Belarosia?

Koa , raha tafakatra amin'ny fetra avo indrindra ny feo maranitr'ireo mpitia an'i Lukashenko sy ireo mafàna fo mpanohitra, angamba mety misy feo miafina any ho any manontany tena raha mety mba hisy hanaiky ny fisian'izy ireo eto, ny “tuteishi”, ka hiaina ara-dalàna tahaka ny olona rehetra eo anelanelan'ny Rosia sy Eraopa.

Ilay tononkalo malazan'i Kipling momba ny  Antsinanana sy Andrefana dia tsy dia misy mahay izay niafaràny  : “Fa tsy misy na ny Atsinanana na ny Andrefana, na Sisintany,  na fihaviana, na fahaterahana, Rehefa  lehilahy roa matanjaka no mifanatrika,  na ho avy amin'izy ireo aza ny fara-andro!”

Noho izany , na dia hoe mianatra ny mifanaja toy ny lehilahy roa matanjaka aza i Rosia sy Eraopa, aiza no amin'izany no hipetrahan'i Belarosia fa tsy ho ao anaty faritra mena foana?  Angamba, ho an'ny Belarosiana maro, ny Atsinanana dia Atsinanana ary ny Andrefana dia Andrefana, ary tsy misy toerana ho an'ny hafa intsony, eo anelanelany eo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.