Pakistana: Mangataka Hitsaràna Ny Raharaha Saleem Shahzad

Volana iray taorian'ny May 2011 nakàna an-keriny sy namonoana ilay Pakistane mpanao gazety Syed Saleem Shahzad,  tompon'andraikitry ny biraon'ny Asia Online na Azia anaty aterineto, ny vaomieram-pitsarana napetraka hanadihady momba ilay vono olona dia nitaraina noho ny tsy fahampian'ny fanampiana tonga.

Maro ireo niahiahy ny sampam-pitsikilovana eto amin'ny firenena ho ao ambadik'io fakàna an-keriny an'i Shahzad, ahiahy mety hitombina nozarainy tamin'ireo mpiara-miasa aminy matetika.  Ali Dayan,  Talen'ny Fanaraha-maso ny Zon'Olombelona, na Human Rights Watch (HRW),   no olona voalohany nilaza ny mety ho fahamarinan'ny fidiran'ny Inter-sServices Intelligence agency (ISI) Sampam-pitsikilovana Iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny Twitter :

@AliDayan: mpanao gazety Saleem Shahzad natahotra ny fakàna an-keriny ataon'ny #ISI.  ka nametraka fanambarana tamin'ny#HRW raha sanatria misy fakàna an-keriny azy. #FreeSaleemShahzad

People hold placards demanding an investigation into the killing of Saleem Shahzad. Image by Rajput Yasir, copyright Demotix (01/07/2011).)

Nitazona sora-baventy ny olona ho fangatahana fanadihadiana mikasika ny famonoana an'i Saleem Shahzad. Sary nalain'i Rajput Yasir, copyright Demotix (01/07/2011).).

Tao amin'ny tatitra naparitaka ora vitsy talohan'ny nahitana ny vata-mangatsiakan'i Shahzad, Omar Warraich dia nandalina ny mety ho fahamarinan'ny fidiran'ny ISI amin'io. Ilay fanambarana navoakan'ny HRW dia notehirizin'i Hameed Haroon, Filohan'ny Orinasan-Gazety Rehetra ao Pakistan.

Nanomboka tamin'ny nisehoan'ny vatan'i Shahzad feno ratra narahan'ny fandevenana malaky nataon'ny polisy,  tsy nisy fampandrenesana ny fianakaviana, dia mpanao gazety sy mpiaro ny zon'olombelona maro no nanambara mazava ny fanamelohana ny ISI tamin'ilay famonoana.  Ninoana fa ny valin-teny avy amin'ny sampam-pitsikilovana dia nahakivy sy tsy nahafa-po.

Nanoratra hamaliana ny fihetsiky ny ISI tamin'ny famonoana an'i Shahazad, nanandrana ny hifantoka amin'ny tranga toy izany aho taloha tao amin'ny bilaogiko:

Nahataitra mafy ahy ny fandrenesana ny fidiran'ny ISI ao anaty fampihorohoroana sy fanaovana antso fampitahorana amin'ny mpanao gazety lazaina fa miaraka amin'ny fanoherana. Sahala amin'ny hoe mety —  na dia mitondra any amin'ny fahafatesana aza ny fampijaliana,  miampy fandevenana miafina.  Tena mampalahelo hoe mipetraka izany fanontaniana izany,  indrindra ny fahafantarana fa tsy tranga tokana ny fampijaliana nitarika ny fahafatesan'i Shahzad. Maty novonoina amperin'asa koa ny mpanao gazety toa an-dry Wali Khan Babar,  Zaman Ali ary Hayat Ullah Khan

Ilay fanambarana navoakan'ny ISI dia taratry ny fifandraisan'ny sampam-pitsikilovana sy ny vahoaka.  Miantomboka amin'ny fandàvana ny maha-voarohirohy azy,  fanehoana fiaraha-miory amin'ireo fianakaviana ary miafara amin'ny feo efa mahazatra loatra; ny fiarovan-tena.

Manoratra momba ny tena loza atrehan'ireo mpanao gazety,  Kalsoom Lakhani nizara ny  fiainany manokana:

Mpanao gazety ny rahavaviko.  Nilaza foana izy fa ny fihetsika voajanaharin'olombelona dia ny mitsoaka rehefa tojo loza , fanafihana na fipoahana baomba.  Mifanohitra amin'izany ny mpanao gazety.  Mihazakazaka any amin'ilay loza izy ireo. Ataony mihoatra noho ny ainy ilay tantara. Ny fahazotoany sy ny faharisihany mazana no mahatonga ny olona hahara-baovao amin'ilay resaka, hananantsika ny balan'ny fahafaha-mametraka ny fanontaniana tokony hipetraka. Fahabangana lehibe ny nahafatesan'i Saleem Shahzad ho an'ny mpanao gazety izay mbola hanohy ny fanadihadihana eo anoloan'ny sivana,  fandrahonana ,  ary herisetra. Tena fahabangana lehibe ho antsika rehetra. MANDRIA AM-PIADANANA.

Kala Kawa, mpitoraka bilaogy, dia nanoratra kiana maharary:

Nanomboka ny 2 May, tsy hita ny Mpitondra sy ny Mpifehy ny miaramilantsika. Rikoriko sy hatezerana ny valin-teniny. Toy ny inona moa ny fieboebon'i Nauman Bashir, Komandin'ny Ekipan'ny Tantsambo, raha nanazava taminay fa “tsy resaka tsy fahombiazan'ny fitandroana filaminana” ireny fanafihana ny PNS Mehran ireny?…Ever since the 2nd of May, our military Lords and Masters have been on the back foot. Their response has been indignation. How else to explain the arrogance of Chief of Naval Staff Nauman Bashir in informing us that the brazen attack on PNS Mehran was “not a security failure”?

Ny etika novolena tao amin'ny sehatra ambony mibaiko ny mpitandro filaminantsika antsika dia tsy ny hoe ” arovy ny vahoaka”,  fa ny hoe “afaka mitsoaka na aiza na aiza ianao miaraka amin'izay tianao”.  Ary raha mitaky famonoana ny vahoaka izay nianiananao ho arovana ny fandosiranao;  dia meteza ho izany. Zavatra kely foana efa mety haharikoriko.

Fanambarana vao tsy ela avy amin'ny Amiraly  Mike Mullen no nilaza fa manameloka ny famonoana an'i Shahzad ny governemanta ,  nefa tsy manome porofo mazava na malelabelatra ny maha-tafiditra ao anatin'io resaka io ny ISI. Ali Dayan avy ao amin'ny HRW dia niantso an'i Etazonia hanome vaovao.  Etsy ankilany nandà ny fiahiahiana azy ireo manampahefana Pakistane.

@AliDayan#SaleemShahzad dia sady Ray,  vady no mpanao gazety.  Tokony hamoaka ampahibemaso ny resaka izay mety hanampy amin'ny fahitana ny antony  nahafahafatesany ny USG hoy ny @HRW….

Teo anatrehan'ny vaovao farany sy ahiahy navoakan'ny vaomieram-pitsarana,  ny fanadihadiana momba ny nahafatesan'i Saleem Shahzad dia toa hoe mbola manjavozavo tsy hita faritra.  Raha tsy hoe misy porofo mazava sy mivaingana haseho, dia toa tsy maintsy hitarazoka elabe ny fitsarana ho an'ny fianakavian'i Shahzad.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.