Pero: Fitokonan'ny Mpitatitra Tao Lima: Fampielezan-Kevitra Ho Fanoherana Ny Ben'ny Tanàna?

Ny ben'ny tanànan'i Lima, Susana Villarán avy ao amin'ny antoko politika Hery Sosialy ho an'ny Fanapariahana [es], dia efa nahita karazana fanakianana maro sahady tao anatin'ny enim-bolana nitondrany; tamin'ny tsy nampiasàny afa-tsy ny 1% fotsiny tamin'ny teti-bola [es] (izay  nazavainy taty aoriana[es] mitodika amin'ny governemanta rezionaly ao Lima), ny tsy fahatanterahan'ny [es]  toky nampanantenainy tamin'ny fampielezan-kevitra ary na ny fangatahany hiala mialoha amin'ny toerany aza, ny namoronan'ny ankamaroan'ny olona anaram-petaka ho azy.

Nanampy izay ny fihemorany [es] tamin'ny fitsapan-kevitra farany teo, hita fa misy olana eo amin'ny lafiny serasera [es], ary ilay antsoin'ny mpanohana ny antoko politika Hery Sosialy ho an'ny Fanapariahana hoe [es] “Fampielezan-kevitra amin'ny fampitam-baovao sy ara-politika ho fanoherana  azy” [es]”Politika sy fampielezam-baovao manohitra azy”, ary mazava ho azy fa tsy tsara mihitsy ny toerana misy ny ben'ny tanàna amin'izao. Mba haharatsy kokoa ny raharaha, ny 13 Jolay dia niatrika ny fitokonan'ny mpitatitra izy [es], pitik'afo — araka ny lazain'ireo mpanao fihetsiketsehana — tamin'ny alàlan’ ireo fangatahana izay sarotra tanterahana, toy ny hoe fitanteram-bahoaka manara-penitra apetraky ny fiadidiana ny tanàna miandraikitra ny fitaterana an-tanan-dehibe,  zavatra izay nolavin'ny manampahefana isan'ambaratonga.
Toy ny mahazatra, karazan-kevitra maro no azontsika jerena ao amin'ny tontolon'ny bilaogy, tsy toy ny hevitra asehon'ny fampielezam-baovao sy ny hevitra ofisialy izay zara raha misy fandinihan-tena. Ohatra, i Francisco Canaza avy ao amin'ny Apuntes Peruanos dia nanakiana [es] ny amin'ny maha-ara-dalàna ny mety ho fangatahana izay navelan'ny ben'ny tanàna amin'izao fotsiny:

Más allá de cómo se evalúe a Susana Villarán -y habrá quienes por diversas causas prefieran defenderla, igual que otros tantos quienes encontrarán sus falencias- lo cierto es que el mecanismo de revocatoria de autoridades municipales existe, que es un mecanismo de participación ciudadana totalmente válido y que posee casuística en todo el país.

Ankoatran'ny hoe ahoana ny fahitantsika an'i Susana Villarán – ary misy ireo olona nisafidy ny hanohana azy noho ny antony maro, toy ireo maro hafa hisafidy ny hitsingoloka izay lesoka aminy – ny zava-misy dia izao misy ny fanalàna ireo mpiasa, ary rafitra mety izany amin'ny fandraisan'anjaran'ny mponina sady tena miantraika tanteraka any amin'ny firenena manontolo.

Susana Villarán, alcaldesa de Lima. Sary nalain'i Juan Manuel, ao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Ary Eduardo Jesús Plascencia avy ao amin'ny  BLOG PARA MAESTROS…y Estudiantes nanoratra hoe:

Ahora periodistas mercenarios insultan constantemente a Susana Villarán, hasta el mismo presidente la agredió la semana pasada, bajo pretexto que no hace “obras”. Apenas tiene 6 meses de gestión y sin embargo, quieren ver “obras” de cemento y no lo que sí se sabe que hace: En cuanto a participación social supera ampliamente a la anterior gestión, ha hecho del Cabildo Abierto una notoria participación ciudadana.

Manompa tsy mitsahatra an'i Susana Villarán koa amin'izao ireo mpanao gazety mpikarama an'ady, na dia ny filoham-pirenena aza namely azy tamin'ny filazany fa tsy manao ny “asa ho an'ny vahoaka” izy. Enim-bolana ihany izy no tao amin'ny biraony, kanefa, mitaky “asa mivaingana ho an'ny vahoaka ” sahady ry zareo fa tsy izay efa fantatsika ho zavatra nataony: Fanampiana ara-sosialy tao amin'ny fiadidiany izay nahavita lavitra noho ny teo aloha, ilay fivoriana misokatra ho an'ny rehetra  ary nahasarika fandraisan'anjaran'olona maro.

Misy hevitra maro isan-karazany koa nivoaka momba ilay resaka fitaterana. Ireo mpanao fihetsiketsehana dia nitondra sora-baventy misy ny soratra hoe”Fitokonana ny 13 Jolay fanoherana ny fanararaotam-pahefana ataon'ny Fiadidiana ny tananan'i Lima”, saingy tsy nahafaly ny olona loatra ny sendika noho ny fisian'ny loza matetika [es] sy fanararaotana [es] ataon'ireo mpitatitra tsy ara-dalàna toy ny itsikeran'i Sonia Luz Carrillo[es] azy tao amin'ny bilaogy  Habla Sonia Luz:

Inconcientes de la gravedad de la situación calamitosa del servicio del transporte masivo y en defensa de su ‘derecho’ a seguir contaminando gravemente el ambiente; maltratar al usuario al hacerlo viajar en condiciones infrahumanas (agresiones, inseguridad, estrechez, suciedad, ruidos molestos) ; continuar con el caos en las rutas; hacer lo que les da la gana en las pistas, infiernizando la ciudad, algunos transportistas aseguran que paralizarán Lima.

Tsy tonga saina amin'ny fahasarotan'ny raharahan'ny sampan-draharaham-pitaterana sy ny fiarovany ny “zony” hanohy hatrany hamotika ny tontolo iainana; fampijaliana ireo mpandeha amin'ny fitaterana azy ireo toy ny biby  (herisetra, tsy fisian'ny fandriam-pahalemana, fanaovana taingim-be, halotoana, feo mankarenina); mitohy ny korontana eny an-dalàna; manao izay tiany atao  eny an-dalana, mandefa ny tanàna ho any amin'ny afobe,  nanome toky ireo mpitatitra sasany fa hanao izay handemena an'i Lima.

Ary raha ny sasany amin'ireo filazam-baovao nanao filazana [es] fa 85%ny mpitatitra dia hanatevina ilay fitokonana ao LIma, ny sasany  nananamarika [es] fa resaka politika ilay fitokonana ary ny Filohan'ny  Fikambanana  Nasionalin'ny Fandraharahàna sy ny fitaterana ao Pero (Conet) fotsiny dia manana efa ho ny 20% -ny mpitatitra ao Lima. Mandritra izany, ny “Fikambanan'ny Mpiasan'ny Fitaterana an-Tanety ao Pero  SINTRATTP” dia nanely tao amin'ny bilaoginy fa fitokonan'ny fandraharahàna iny fa tsy fitokonan'ny mpiasan'ny fitaterana an-fanety:

Estos empresarios buscan llevar agua para su molino y quiere que los trabajadores del transporte y propietarios luchen en forma gratuita para que los integrantes de su asociación empresarial sean los únicos beneficiados por la Alcaldesa Villarán. Los trabajadores y propietarios no deben dejarse manipular, por el contrario deben organizarse para que el transporte urbano de pasajeros sea resuelto con inclusión social.

Ireo mpanao fandraharahàna ireo dia mitady hamily ny rano ho any amin'ny fitotoan-kobany sy mikasa hampiady maimaimpoana ny mpiasa sy ny tompona fitaterana amin'izay ny mpikambana ao amin'ny fikambanam-pandraharahan-dry zareo no hany hahazo tombotsoa amin'ny ben'ny tanàna Villarán. Ireo mpiasa sy mpampiasa  tsy tokony hanaiky hatao fitaovana,  mifanohitra amin'izay aza, tokony hahay hifandamina izy ireo, amin'izay ho voavaha miaraka amin'ny fidirana ao anatin'ny fiarahamonina ny olan'ny fitaterana ireo mpandeha an-drenivohitra.

Nizara ny heviny ireo mpampiasa Twitter, na talohan'ny nanombohan'ny fitokonana aza. Jose Carlos Aldama (@josecarlosaldam) nanoratra hoe :

Osea que los transportistas no quieren multas, no quieren orden, no quieren control, les gusta el caos y encima amenazan con disturbios !

Ka dia tsy sazy (lamandy) ireo mpitatitra, tsy mila baiko, tsy mila fanaraha-maso, tian'izy ireo ny korontana ary ny faran-tampon'izay dia ny fandrahonan-dry zareo hanao hetsika!

Torak'izany, Carlos Salina Ruiz (@crsalinas92) dia naneho ny heviny :

Linda manera de protestar #NoAlParo como si los transportistas estuvieran metidos en twitter para leer a la gente a ver que dicen.

Ny fomba tsara indrindra hanoherana #NoAlParo [Tsy mila fitokonana] tahaka ny hoe nisy tao amin'ny Twitter ka namaky izay nosoratan'ny olona iny ery ireo mpitatitra.

Vao marana be ny 13 Jolay dia efa nisy nahita tweets momba ilay fitokonana sahady. Aldo Arnao (@aldoelio) nitatitra :

En el cono sur de Lima todas las líneas de transporte acatan el paro. Taxis y colectivos aprovechan la situación para subir tarifas

Any amin'ny tendro atsimon'i Lima, ny zotram-pitaterana rehetra dia mitokona. Manararaotra izany ireo fiara karetsaka sy ny fiara fitateram-bahoaka ka mampiakatra ny saram-pitaterany.

Nitodika tamin'ny ben'ny tanàna ilay mpampiasa twitter @pitugatocalato:

@susanavillaran cómo vas a subir el 100% de las multas? eso es 1 de las cosas por el cual habrá paro hoy…

@susanavillaran ahoana no hahavitanao hampiakatra ny sazy ho 100%? izay zavatra izay no antony iray hisian'ny fitokonana anio…

Toa an'i Vlado Barr (@tllevo):

@susanavillaran La felicito por enfrentarse con autoridad a los transportistas. Ya es hora de que den un servicio decente y digno.

@susanavillaran miarahaba anao aho ny amin'ny fiatrehanao amim-pahefana ny mpiasan'ny fitaterana. Fotoana izao tokony hanoloran-dry zareo  asa tsara sy mendrika.

Nanomboka nitatitra olana isan-karazany ireo mpampiasa twitter, miaraka amin'ny sary mifandraika aminy, tahaka an'i Eduardo Juarez (@ ejuarez_capital). Afaka mahita fanehoan-kevitra isankarazany ianao, sary sy fampitam-baovao avy amin'olon-tsotra ao amin'ny Storify [es]

Farany,  Geraldo Gutierrez Risce avy ao amin'ny bilaogy Derecho, Arbitraje Y Conciliación Extrajudicial naneho hoe [es]:

Lo que debemos esperar de los profesionales que tienen la importante tarea de manejar o implementar medidas o proyectos de mejoras en la forma de vivir de la sociedad es que sean i) buenos comunicadores, ii) buenos mediadores y iii) buenos vendedores. […] En conclusión, señores del gobierno (local, regional y central) por favor, cultivemos esta cultura, nos va a ayudar a todos, no solo a los usuarios frustrados que tendrán dificultades para movilizarse, no solo a los transportistas que encontraran a una aparato estatal más atento y no solo a la autoridad que tendrá un pasivo menos en su gestión, sino más bien al Perú que no perderá la movilidad diaria que tanta falta nos hace por estas épocas para que la economía siga rotando positivamente.

Ny zavatra tokony andrasantsika avy amin'ireo manam-pahaizana izay manana andraikitra lehibe amin'ny fandrindrana na fametrahana tetikasa hanatsarana ny lalàm-piainan'ny fiarahamonina dia ry zareo i) manana fahaizana miserasera, ii) mahay manelanelana ary iii) mahay mivarotra. […] Ho famintinana, o ry zalahy mpahalala fomba ao amin'ny  governemanta a, (distrika, faritra ary foibe) miangavy aho, ndao mba izany fiainana izany no ho volena, fa hanampy antsika, tsy ny mpandeha tsy milamin-tsaina izay manana olana amin'ny fandrisihana ny tenanay manokana ihany, tsy ireo mpitatitra izay ahita fanjakana mahay mihaino kokoa ary tsy ny  manampahefana izay hanana olona malemy eo ambany fifehezany, fa ny rehetra manerana an'i Pero tsy handany ny andavan'androm-piainany izay ilaintsika rehetra amin'izao andro izao ka dia hihodina tsara ny ara-toekarentsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.