Tonizia: Fanentanana ho Fanafahana An'i Samir Feriani Mpitsikera ny Governemanta

Ity pejy ity dia ampahany tamin'ny fanadihadiana manokana nataonay  momba ny Revôlisionan'i Tonizia ny 2011.

Ny vondron'ireo Toniziana bilaogera sy mafana fo dia nandefa fanentanana ho fanafahana an'i Samir Feriani, zokiolona manamboninahitra ambony teo aloha tao amin'ny Minisiteran’ ny Atitany  izay voafonja hatramin'ny 29 Mai 2011.

Voasambotra i Feriani  taorian'ny namoahany taratasy roa tao amin'ny gazetiboky “Al-Khabeer” ( Ilay Manampahaizana manokana) izay nilazany fa ny olona mitàna toerana ambony ao amin'ny Minisiteran’ ny Atitany no  tompon'andraikitra tamin'ny famonoana ireo mpanao fihetsiketsehana ampilaminana nandritra ny Revôlisiona Toniziana. Nanambara ihany koa izy fa ny antotan-taratasy miafina manambara ny fiaraha-miasa eo amin'ny filoha Toniziana voaongana Ben Ali sy ny sampam-pitsikilovan'i Israely, ny Mossad, dia ninian'ireo mpiasa ambony tao amin'ny ministera nosimbàna..

Ny 11 Jolay, nanoratra i Houssem Hajlaoui tao amin'ny bilaogy iraisana Nawaat fa ny tanjon'ilay fanentanana dia ny mba hampiditra ireo artista Toniziana ao aanatin'ilay resaka. Nanoratra izy:

Il n’est plus acceptable en Tunisie qu’un citoyen Tunisien soit arrêté, menacé, ou intimidé pour une position ou des propos. La liberté d’expression est une ligne rouge!Un nombre d’activistes de Nawaat, Al Machad et d’autres comme Fatma Arabica et Alé BEN ABDALLAH, nous avons lancé une action de soutien pour exiger la libération de Mr. Samir FERIANI.

Tsy azo ekena intsony ao Tonizia ny, misambotra, mandrahona na manindritsindry ireo teratany Toniziana maneho ny heviny. Tsipika mena ny fahafahana maneho hevitra! Maro ireo mafana fo avy amin'ny Nawaat, Al Machad, sy ireo hafa toy ny Fatma Arabicca, ary Alé Ben Abdallah no nanao hetsika ho fanohanana ny fanafahana an'Andriamatoa  Samir Feriani.

Ireo artista roa voalohany niroso tamin'ny fanentanana dia ireo Toniziana mpihira , Bendir Man, sy Amel Mathlouthi.
Nandritra ny fampisehoany farany tao Tunis, niakanjo misy soratra hoe “Afaho i Feriani” i Bendi Man.

Niteny tao amin'ny Twitter, Eya Turki  ny 19 Jolay:…

Sinon c'tait sympa ce concert de @bendir_man et Baaziz, surtout leur soutien à la cause #FreeFeriani !

Nahafinaritra ny fampisehoana goavana nataon'i @bendir_man indrindra ho fanohanana ny tanjona #FreeFeriani!

Amel Mathlouthi teo ambony sehatra, naneho ny fanohanany an'i Samir Feriani. Sary avy amin'ny Nawaat

Fanangonan-tsonia iray ho Fanafahana an'i Samir Feriani tao anaty aterineto [Fr] no voasonian'olona 453 tao anatin'ny dimy andro voalohany. Widget iray koa no noforonina ho an'ireo bilaogera maniry haneho ny fanohanan'izy ireo an'i  Samir Feriani. Mandritra izany dia afaka manaraka ireo vaovao farany mahakasika ny fanentanana amin'ny alalan'ny tenifototra hoe #Freeferiani ihany koa ireo mpampiasa Twitter

Ity pejy ity dia ampahany tamin'ny fanadihadiana manokana nataonay  momba ny Revôlisionan'i Tonizia ny 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.