TED Talk avy amin'ny mpiara-manorina ny Global Voices Rtoa Rebecca MacKinnon

Niteny ny mpiara-manorina ny  Global Voices Rebecca MacKinnon fa tokony hanorina orinasa tompon'andraikitra hahatonga ny aterineto hivelatra mankamin'ny fomban’ “olom-pirenena” ny olo-tsotra. Nandritra ny TED talk tamin'ny 12 Jolay 2011 tany Edinburgh, Ekaosy no namoaboasany fa lasa fantsom-pifandraisana voalohany eo amin'ny olo-tsotra sy ny fitondram-panjakana ny aterineto saingy nampitandremany fa misy ny andian'orinasa “mpanjakan'ny aterineto” manelanelana ny roa tonta.

Koa satria ny orinasa tsy voasakana handoto [hanasaritaka] ny tontolo na hampiasa tanora araka izay tiany, hoy ny filazany, dia tsy azo itokisana ry zareo hampandroso na hitandro ny aterineto ho sehatra misokatra sy mahaaro ny fahalalaham-pitenenana . Efa hitantsika [kely] ny fanaovana ny governemanta ho tompon'andraikitra saingy tahaka ny ahoana kosa ny fiarovana ny mpanjifa sy ny olom-pirenena manana ifandraisana amin'ny aterineto?

Nandalina momba izany lohahevitra izany i Rebecca any amin'ny boky hivoaka tsy ho ela Consent of the Networked [Faneken'ny tafaraikitra amin'ny serasera].

Ilay mpiara-manorina faharoa Ethan Zuckerman kosa efa nahavita TED Talk tamin'ny Jolay 2010 antsoina hoe “Listening to global voices” [mihaino ny global voices]. Na i Ethan na i Rebecca dia samy anatin'ny Filankevi-pitantanana mitarika ny Global Voices.

TED moa dia avy amin'ny hoe “Technology Entertainment and Design” [Haitao Fialamboly ary Haibika] ary ny valandresaka ao aminy kosa dia natao ho “ideas worth sharing” [hevitra mendrika hozaraina]. Ny famelabelarana amin'ny alalan'ny lahatsary tokanamantany atolotry ny olobe navoakan'ny TED moa dia ifampizarana an-tserasera ka jeren'ny olona anapitrisany manerantany. Manoratra ny dikany kosa ny mpanolotena ho amin'ny fiteny samihafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.