Sodàna Atsimo: Afaka Ihany Nony Farany!

Ity pejy ity dia ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay momba ny  Fitsapan-kevibahoaka tany Sodàna Atsimo 2011.

Nahazo firenena vaovao i Afrika: ny Repoblikan'i Sodana Atsimo. Nanao fitsapan-kevibahoaka i Sodana Atsimo ny 9 Janoary 2011, mikasika ny hoe tokony hijanona na tsia ho faritr'i Sodana araka ny fifanarahana Fifanekena filaminana tamin'ny 2005 (2005 Comprehensive Peace Agreement) teo amin'ny governemanta foibe ao Khartoum sy ny Hetsi-bahoaka ho Fanafahana an'i Sodana (Sudan People's Liberation Movement)..

Taorian'ny fifidianana saika lanin'ny besinimaro (99%) ho an'ny fahaleovantena hiala amin'ny avaratra, dia nambara tamin'ny 9 Jolay 2011 ny fahaleovantena ofisialin'i Sodana Atsimo.

Ankizy tamin'ny fankalazana ny fahaleovantenan'i Sodàna Atsimo. Sary nahazoana alalana avy amin'i Matata Safi.

Mijery ireo ady mafy mbola hatrehin'i Sodàna Atsimo i Anthony Kamba :

Na izany aza, mbola hiatrika ady mafy ny governemanta mila amin'ny fanenjehana olona maokana ka hatrany amin'ny fanenjehna ny iray tarika mihitsy. Mila miatrika ireny tsy fahafahampo ireny amim-pitandremana izy ireo mba hahazoana toky fa tsy ho maro no handray fiadiana hiady amin'ny governemantany.

Mbola misy ihany ireo mpitarika vondrona toy ireo mpamadika George Athor, sy Abdel Bagi Ayi izay manaratsy foana ny solontena sy ny rafitry ny governemanta. Iray amin'ny olana izay mahatonga ireny vondrona ireny hihetsika hampiasa hery mba hahazoany izay tadiaviny ny kolikoly. Mila fongorin'ny Filoha Kiir izany.

Ny sefo eo an-toerana Abahala Primo dia nanondro ny kolikoly ihany koa ho zavatra tiany ho hita hiadian'ny governemanta. Te hahita ireo mpitarika taloha toa azy i Abahala mba hahazo sehatra handraisany anjara amin'ny fananganana ny fireneny.

Sainam-pirenen'ny Repoblikan'i Sodàna Atsimo.

Matoky ilay mpitoraka bilaogy Ogande Rosebell Kagumire fa teraka tamin'ny fotoana mahamety azy i Sodàna Atsimo:

Teraka tamin'ny fotoana nanaovan'i Afrika dingana lehibe teo amin'ny fandrosoany tsy toy ny tamin'ny taonan'ny 1960 i Sodàna Atsimo. Miaraka aminà vahoaka izay tsy antsasaky ny anay Oganda akory, mila ireo mpiray vodirindrina aminy izay efa nahavita sahady dingana amin'ny sehatra rehetra i  Sodàna Atsimo ary mino aho fa ho marin-toerana tsara izy. Maherin'ny 60 isan-jaton'ny olona no vehivavy any Sodàna, ary tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 80 isan-jaton'ireo. Ny fanomezana fahavitan-tena ireo vehivavy any Sodàna Atsimo no fanalahidy iray ho an'ny firenena hanatsarany haingana ny tondro matroky ny fampandrosoana .Tadidiko nifanena tamina vehivavy iray tamina fitsangantsangana iray izay aho raha ho any Sodàna ary nilaza izy ireo fa tsy te hitovy amin'ny vehivavin'ny Eritrea  “izay miady nefa any amparany atosika ivelan'ny rafitra ary lazaina fa any an-dakozia ihany no toerana ho azy ireo vantany vao nambara tamin'ny fomba ofisialy ny fahaleovantena.”

Aompany amin'ny diany farany nankany Juba ny resany:

Tamin'ny Aprily, tany Juba aho niasa niaraka tamin'ireo mpitarika vehivavy eny ifotony. Fifangaroana olona avy amin'ny toerana maro i Juba. Ao ny avy any Atsinanana, Afrika Afovoany, no mihaona amin'ny Avaratra sy ny tendron'i Afrika. Iray amin'ireo renivohitra tena mifangaro o Afrika izay efa notsidihiko izy. Boda Boda, lehilahy eo amin'ny 20 taona eo no mpitarika ahy. Teraka tany Torit, nipetraka any Masindi any Oganda andrefana avy eo Kenya talohan'ny niverenany tany Sodàna tamin'ny farany. Mahay fiteny folo eo ho eo izy. Ilaina ny fahaiza-miteny amin'ny fifandraisana aman'olona ary indrindra fa nandany fotoana niainana tany Oganda, Kenya, ary Etiopia ny ankamaroan'ny Sodanezy. Azo lanjaina hitondra fiovàna amin'ilay repoblika vaovao izany traikefa izany. I Sodàna  Atsimo dia afaka mahazo tombontsoa amin'ny firoboroboan'ny sehatra toy ny amin'ny fanabeazana any Oganda , toerana izay maro no nahavita fianarana ambony nefa tsy manana asa efa ho an-taona maro.

“Nisy vokany tsara ihany ny 63 taona niandrasana  ny fahaleovantenan'i [Sodàna Atsimo],” hoy i Moezi Ali:

Ka toa sahala amin'ny hoe tokony ho nahazo mora foana ny fahaleovantena ny Atsimo 63 taona lasa izay, saingy nisy fiantraikany ratsy teo amin'ny firenentsika ny  fifandirana ara-poko. Amin'izao fotoana izao, na izany aza, toa hita ho nisy ihany ilay hevitry hoe te hitambatra. Mirehareha amin'ny maha-firenena azy ny Tatsimo, fa tsy hoe amin'ny mahafoko azy. Raha raisina am-po dia hoe tena nahitana vokany tsara ny 63 taona niandrasana  ny fahaleovantena.

“Raha mankalaza ny nahaterahan'ny firenentsika vaovao isika izao dia tsy maintsy mahatsiaro ny anjara asan'ny otrikarena amin'ny fanefena ny maha-olombelona antsika,”hoy i Phoebe Fletcher:

Raha mankalaza ny nahaterahan'ny firenentsika vaovao isika izao dia tsy maintsy mahatsiaro ny anjara asan'ny otrikarena amin'ny fanefena ny maha-olombelona antsika. Mila tohizantsika ny fanaraha-maso ny asan'ny fanjakana eo amin'ny fifanakalozana ara-barotra. Tsarovintsika androany ireo olona vodona tamin'izany. Mbola ambivitra kely ny mety hisian'ny ady, miaraka amin'ireo mpandalina izay efa manondro sahady iny maha an-dalam-pandrosoana ireo foto-drafitr'asa any Atsimo ary ny tati-baovao avy any Kordofana Atsimo. Hisy fiantraikany amin'i Sodàna ihany koa ny olana ara-tsakafo vao mipongatra any Afrika Atsinanana izay mahavoa olona maherin'ny 10 tapitrisa. Arahabaina teraka soa, Sodàna Atsimo: mirary anao ny tsara indrindra izahay.

Milaza fanakianana dimy nataon'ny mponina tany Avaratra Atsimo taorian'ny fitsapan-kevibahoaka ny Sudanese Optimist :

Niaraka tamin'ny fihazakazaky ny fanatonan'ny  fahaleovantenan'i Sodàna Atsimo, tonga tamina toboka iray goavana teo amin'ny tantaran'ny fireneny ihany koa ny vahoaka Sodanezy tavaratra. Ho an'ny maro, mamy mangidy ny fanohanana ny fahaleovantena, na hoe misy ifandraisany amin'ny nenina ny lasa. Tsy misaina ady ny sasany ary faly noho ny fahaleovantena, na izany aza, mety hoe vokatry ny toe-tsaina ‘Aleo ho any’, ilay hafaliana avy amin'ilay fisintahana.Nahita fihetseham-po maro sy hetsika maro momba ny fahaleovantenan'i Sodàna Atsimo teo amin'ireo mponina Sodanezy Avaratra aho, ary nametraka ireto fanamarihana manaraka ireto amin'ny modely malazan'i Kübler-Ross amin'ny fikirakirana ny fatiantoka, iaraha-mahalala amin'ny hoe ‘Ireo Dingana Dimin'ny Kiana (The Five Stages of Grief).’ Avy amin'ny fomba fijerin'ny mponina Sodanezy tavaratra irery ihany ireto fanamarihana ireto nefa kosa azoko antoka fa ny fifidianana efa manakaiky ny hoe lanin'ny besinimaro tsy ankanazava ny fisintahan'i Sodàna Atsimo dia efa porofo ampy tsara hilazana fa tsy noraisin-dry zareo ho toy ny kiana io tranga io

Vehivavy any Sodàna Atsimo mankazala ny nahaterahan'ny firenena vaovao. Sary nahazoana alalana avy amin'i Matata Safi.


Tsy misy teny mahalaza ny hafalian'i Susan
sy ny Kenyana  namany noho ny nahazoan'i Sodàna Atsimo ny fahaleovantenany:

Maro aminay Kenyana no tsy mahita fomba hanehoana ny hafalianay ho an'ireo Sodane Tatsimo namanay izay niara-niaina taminay toy ny fianakaviana nandritra ny taona maro, sahala amin'ny Kenyana izy ireo ary efa nahazatra anay. Nanantena ary koa nivavaka ho azy ireo izahay mba hifaranan'ny tsindry hazolena mahazo azy ary hisaraka amin'izay izy ireo, tsy azo noheverina mihitsy hoe ho tanteraka izany.

Taorian'ny nanasoniavan'Itpkl Dr. John Garang mpanorina ny SPLA ny fifanarahana amin'ny filaminana teto Kenya, ary avy eo ny fahafatesana tampoka nanjo azy, toa sahala amin'ny hoe izay ihany koa no faran'ilay fifanarahana  fandriam-pahalemana ary dia niverin-dalana indray ny zavatra rehetra. Soa fa mba nisy fihatsaran-javatra kely taorian'ny fifanarahana fizarana fahefana izay niafara tamin'ny fisarahana mihitsy. Tena mampalahelo mihitsy hoe tsy velona intsony i Dr. John Garang mba ho vavolombelon’ izao vanim-potoana ara-tantara izao.

Tsy manana teny hilazana ny hafaliako sy ny hafalian'ny Kenyana maro ny tenako taorian'ny nijerena ireo tantaran'ady, fahafatesana, mpitsoa-ponenana, ny fiantraikan'ny ady tamin'ireo tra-boina, ny tsy fisian'ny fandrosoana sy ny foto-drafitr'asa any atsimo ary ireo olana maro zakain'izy ireo.

Ahoana no nahatongavantsika amin'izao fotoana manan-tantara izao? Entin'i Moezali miverina amin'ny lasa isika :

Tamin'ny voalohandohan'ny taonjato faha 20 raha mbola teo ambany fiadidian'ny fanjakana Britanika i Sodàna, dia maro no nihevitra fa navahan'ny Britanika foana ny Atsimo sy ny Avaratra. Nefa ny marina, mbola sarotra kokoa noho izany ny toe-draharaha.

Raha ny dinihana tsotra, hitan'ny Britanika ny tsy fitoviana teo amin'ny atsimo sy ny avaratry ny firenena teo amin'ny lafiny ara-endrika, kolotsaina, ary toetra ara-piaraha-monina. Noheverin'izy ireo fa ny olona avy any atsimo no misy itovizana bebe kokoa amin'ny mpiray vodirindrina tatsimo aminy, izany hoe, Oganda tavaratra, Kenya sy Congo.

Nefa koa nahita ny Britanika fa na teo aza ny hamafin'ny fizarana tamin'ireo mpiray vodirindrina tatsimo, dia tena ao anaty fari-piainana henjana tokoa ny olona any Sodàna Atsimo. Tsy azo ihoarana, izany no nanosika ny Britanika – miaraka amin'ny vesatry ny tantara mikiky ny eritreriny – hihevitra fa ny fampiraisana ny atsimo sy ny avaratra no mety hanome vintana kokoa ny tatsimo amin'ny lafiny fampandrosoana.

Ny avaratra tamin'izany fotoana izany efa nahita fahalalàna, efa nivoatra kokoa ary novolavolain'ny fanjakana mpanjanaka maro namakivaky ny tantara.

Nandaitra ity lesona ity raha an-tsoratra ihany.

Ity pejy ity dia ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay momba ny  Fitsapan-kevibahoaka tany Sodana Atsimo 2011.

Ny sarikely sy ireo sary nasondagina dia mampiseho ireo mpikambana avy ao amin'ny Hetsika ho an'ny Fanafahana ny Vahoakan'i Sodòna (Sudan Peoples’ Liberation Movement – SPLM) , raha nanomana ny fahaleovantenany i Sodàna Atsimo. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr United Nations Photo (CC BY-NC-ND 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.