Taiwan: Mpitoraka Blaogy Voasazy Nandoa Onitra 7000 dollars Noho Ny Fanoratana Tsikeran-tsakafo

Taiwanais mpitoraka blaogy iray no voasazy 30 andro an-tranomaizina sy fanaraha-maso roa taona ary onitra TWD200 000 (USD 7 000 eo ho eo) noho ny nanoratany tsikera momba ny sakafo tao amin'ny blaoginy. Nanambara ny fitsaràna any Taichung fa tsy nifototra tamin'ny tranga mijoro tsara / tsy miangatra ny tsikerany no sady nanala baràka. Heloka ny fanapariahana vaovao tsy marina any Taiwan.

Araka ny tatitra any an-toeraana tamin'ny Jona 2011, mpitsara toeram-pisakafoanana sy tolotra natao ho an'ny daholobe ilay mpitoraka blaogy Miss Lau. Manoratra tsikera momba ny fanaingoana trano sy fomba fiaina koa izy. Tany amin'ny Jolay 2008 no nosoratana ity tsikeran-tsakafo “manala baràka” ity, izay nitsikerany ny toerana sy ny kalitaon'ny sakafo tao amin'ny fivarotana lasopin'omby ao an-tanànan'i Taichung. Milaza izany tsikera izany fa “masira loatra ny sakafo, misy kadradraka ao amin'ny toeram-pivarotana ary tsy dia madio loatra. Ankoatr'izay dia avelan'ny tompom-pivarotana manajanona fiara milahadahatra eo ivelaan'ny fivarotana ireo mpanjifa, tahaka ny jiolahimboto.

Tamin'ny fitsaràna voalohany (tamin'ny voalohandohan'ny taona 2010), nanambara ny fitsaràn'ny distrika fa tsy marina ny tsikeran'i Lau ary nanasazy azy 30 andro an-tranomaizina. Tamin'ny fiantsoana azy, nilaza izy fa nifototra tamin'ny zavatra niainany ny tsikerany momba ny tsiron-kanina ary ny tsikerany momba ilay toerana kosa dia nifototra tamin'ny zava-nisy. Na izany aza, tsy nahita kadradraka tao amin'ilay mpivarotra lasopy ny mpanara-maso ny fahadiovana avy amin'ny governemanta any an-toerana , ka nanambara ny fitsaràna fa tsy misy porofo ny fiarovan-tenan'i Lau. Ny fitsaràna avon'ny distrika dia nampanao raharaham-pihavanana teo amin'izy roa tonta ka tsy maintsy niala tsiny tamin'ilay fivarotan-dasopy i Miss Lau ary nandoa onitra TWD200 000. Nahazo fanaraha-maso roa taona kosa izy ho an'ireo 30 andro an-tranomaisina. (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: ny fanaraha-maso resahana eto dia milaza sazy mihantona, tsy hihatra raha tsy misy heloka vaovao hanenjehana ny voapanga)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.