Syria: Izy Voatifitra Ihany Ve no Naka Nandrakitra an-Dahatsary Ny Fitifirana Azy?

Ny lahatsarin'olon-tsotra manaraka ity izay nalefan'i syria7ra mpampiasa YouTube, nahitàna sahala amin'ny hoe misy olon-tsotra mpizara vaovao iray teo am-pakàna sary ny korontana tao Syria no nandrakitra ny fotoana nahafatesany tao anatin'ny lahatsariny, dia nampametra-panontaniana ny gazety sy ireo mpampiasa aterineto ny tena mety ho fahamarinan'ilay sary.

http://youtu.be/cp_ajN7Kqvc

Ny gazety The Guardian any UK dia nandrakotra ny tantara tamin'ny famaritana an'ilay lahatsary sy ny antsipirihany  azon'izy ireo nalaina, ho toy ny lahatsary avy any an-tanànan'ny Homs; ilay mpitantara dia manomboka amin'ny fanoritsoritana ny hoe ahoana, tamin'ny 01 jolay 2011, no hisy olona hitifitra ny vahoaka tany amin'ny faritr'i Karm al-Sham na dia tsy nisy fihetsiketsehana na antony mazava hanaovana izany aza tany. Na izany aza dia manambara mazava ilay gazety fa tsy fantatra ny mombamomba ilay naka ny lahatsary ary tsy vitan'izy ireo ny manamarina ny momba azy na ny fahamarina'ilay lahatsary.

Amin'ireo fanehoan-kevitra ao amin'ny YouTube, tsinjo ny ahiahy tahaka izany:

Manoratra i JohnyR82:

Tsy azoko antoka loatra na marina io na diso, fa dia mipetraka tokoa aloha ny fanontaniana. Ohatra hoe iza marina moa ilay olona? Iza no anarany? Ary taiza sy  oviana no nitrangan'io zavatra io?

Ny tiako ambara dia hoe io lahatsary nalainy tamin'ny findainy io tsy tafakatra fotsiny tamin'izao ho ao amin'ny YouTube. Tsy maintsy nisy olona naka ny fidainy, namindra ny lahatsary ho anaty solosaina ka avy eo nandefa izany tao amin'ny YouTube. Amin'io tranga io dia tsy maintsy misy ny pitsopitsony momba ilay olona maty, ny ora, ny toerana sy ny sisa. Tsy ampy ny hoe lahatsary manjavozavo fotsiny tsy misy ny fanazavana ny manodidina azy.

I Tahabali dia manampy amin'ny fandikana teny amin'ny Anglisy mba ahenona tsara ny zavatra tenenina ao amin'ilay lahatsary.

Teny nadika: Teny ampiandohana dia niteny izy hoe: “mitifitra ny olona ao amin'ny faritra manodidina an'i Karm al-Shami ny mpitandro filaminana [ao afovoan-tanàna Siriana ao Homs], tsy amin'antony, na dia tsy nisy fihetsiketsehana aza, androany 1 jolay 2011. ” Rehefa avy voatifitra, dia toa nisy namana iray nanantona ka nahita izay zavatra nanjo azy sady nanontany hoe :”Ary tena tany amin'ny lohanao mihintsy no voatifitra? Tompo o! Tompo o!”. Ka avy eo, sarotra nohenoina ihany, tsy nitsahatra niteny izy hoe “malaky, malaky,” angamba sady manondro zavatra. Farany ilay namany miteny hoe: “Tianao haka sary ve aho?”

nerophyte koa mamaly:

Mampihoron-koditra be izao! Na tsy manaiky an'ireo fanehoan-kevitra milaza azy io ho sandoka aza aho, dia hita fa variana be sy nisavoritaka ilay tovolahy naka an'ilay izy  ka tsy nahatsikaritra ilay olona nikendry hitifitra azy,  2.5 segondra talohan'ilay lahatsary. Tamin'ny voalohany nahitako an'io lahatsary io dia voamariko ilay zanak'alika nikendry ny fakantsary. Izaho kosa aloha dia manaiky ny  fanamarihana milaza hoe tsy tafahetsika ianao rehefa misy olona manambana basy anao, nefa koa heveriko fa hoe ilay tsy fahampian'ny fihetsika mailaka dia avy amin'ny fisavoritahan-tsaina/fahavarimbarinana naterak'ireo tantara be ireo.

Th3a5 dia iray amin'ireo mino fa fandrebirebena ihany ilay lahatsary:

SANDOKA ! Izaho dia tsy mahita mihitsy tselatra avy amin'ilay fitaovam-piadiana ary ilay fakantsary koa dia afeninana nefa raha tena tokony ho izy dia tokony hianjera ilay fakantsary…Zavatra iray sandoka entina hanakorontanana sy hampisy olana indray io.

Ary ibs9rwbb maneho hevitra amim-pisafotofotoana ny amin'izay azo atao hanampiana ireo any ivelan'ny fifandirana:

Mampalahelo fa tokony hanao zavatra ho an'i Syria mihitsy ny fiombonambe iraisam-pirenena nefa sarotra ny hilaza hoe inona. Ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra moa dia kidaladala daholo, io rangahy io dia niezaka ny nanao zavatra mendri-piderana teo amin'ny fiainany ary dia nanefa ny sanda lafo indrindra. Mbola be herim-po lavitra noho ianareo izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.