Bangladesh: Bilaogera Nosamborina Fa Nanao Hetsi-Panoherana Nanohitra Ny Fifanarahana Ara-Angovo

Mponin'ny aterineto maro tao Bangladesh no nitroatran-katezerana satria sambany teto amin'ny firenena no nisy bilaogera sy mafàna fo voasambotra niaraka tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana raha iny ry zareo nanao hetsi-panoherana  iny indrindra hanoherany ny Fifanarahana Fizaràna ny Famokarana Angovo na Production Sharing Contract (PSC) teo amin'ilay orinasa goavana amerikana mpamokatra angovo ConocoPhillips sy ny governemanta ao Bangladesh mikasika ny fitrandrahana ireo entona any an-dranomasina any.

Raikitra ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao hetsi-panoherana nandritra ny ilay fitokonana 6 ora nanentanan'ny Komitim-pirenena ho Fiarovana ny Solika, ny Entona ary ny Harena an-kibon'ny tany, ny herinaratra ary ny Seranana manohitra nila Fifanarahana fiaraha-mitrandraka entona anaty ranomasina eo amin'ny governemanta sy ny ConocoPhillips. Sary avy amin'i Suvra Kanti Das. Fizakà-manana Demotix. 3 Jolay 2011.

Ny fitokonana tapak'andro androany nentanin'ny  Komitim-pirenena ho Fiarovana  ny Solika, ny Entona ary ny Harena an-kibon'ny tany, ny herinaratra ary ny Seranana [National Committee to Protect Oil, Gas, Mineral Resources, Power and Ports (NCPOGMR)], vondron'olona iray ahitàna mpikambana avy amin'ny elatra ankavia, dia nanelingelina ny fiainan'i Dhaka renivohitra satria ny ankamaroan'ireo trano fivarotana, ny toerana fandraharahàna ary sekoly dia nikatona avokoa ary vitsy ny fiara teny an-dalambe. Nodarohan'ny polisy tsy nisy indrafo ny sasany tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana ary tratry ny fisamborana faobe ry zareo. Ilay mpaaka sary fanao an-gazety sady bilaogera, Shahidul Alam, dia nanavao hatrany ny fitantarany nandritra iny andro iny miaraka aminà sary) tao amin'ny bilaoginy:

 

 

 

Tatitry ny vaolombelona nanatri-maso avy amin'i  Nasrin Siraj:

Anu Muhammad, mpampianatra toekarena ao amin'ny Anjerimanontolon'i Jahangirnagar sady sekretera mpikambana ao amin'ilay (NCPOGMR) [National Committee to protect oil-gas-mineral resources, power and port]  dia voasambotra tany Paltan androany (3 Jolay) tamin'ny  6:53 maraina. Raha iny izy nandeha nizotra ho any amin'ny biraon'ny Antoko Kaominista ao Bangladesh iny, hamonjy ireo mafàna fo hafa avy amin'ilay Komitim-pirenena ho famaliana ny antso fitokonana, dia polisy teo amin'ny 40 raha kely no tamy nanatona, nibeda azy ary nitondra azy niditra ny fiara fitondràna gadra. Nandritra ny fisamborana dia tsy niloa-bava izy. [..]

Androany, vao mangiran-dratsy, dia nanomboka nisambotra ireo mafàna fo avy ao amin'ny Komitim-pirenena ny polisy. Voalohany, tamin'ny 5:45 maraina, ny mpitarika ny Fikambanan'ny Mpianatra ao  amin'ny Anjerimanontolon'i  Jahangirnagar no nosamborina tao Paltan. Ny birao foibe rehetra amin'ireo  antokon'ny elatra havia tao  Topkhana Road sy Paltan dia samy voahodidin'ny polisy vao maraim-be avokoa. Ny ankabeazan'ireo mpitarika foibe ao amin'ilay Komitim-pirenena no eo ambany fanaraha-mason'ny polisy amin'izao fotoana izao….

Vaovao vao nilatsaka: voasambotra koa i Nasrin Siraj.

Nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana ireo bilaogera Bangladeshi ho fanoherana ilay fifanarahana momba ny angovo, na teo anatin'ny aterineto izany, na ivelany. Betsaka ireo bilaogera tonga nanatevin-daharana ny fitokonana omaly izay azo jerena ato anatin’ity lahatsary ityOnnoMonosko Sharat dia mandefa saripika misy ny hets-panoheran'ireo bilaogera sady manoratra hoe:

ব্লগের টোকাইরা দলে দলে হাজির হইছিল বিকালে। তাগোরে কেউ পয়সা দেয় নাই। আপ‌্যায়নও করে নাই। নিজে নিজেই আইছে। সমাবেশ করছে, সংহতি জানাইছে। একজন ব্লগারের সাথে থাকে ১০০ ভার্চুয়াল ব্লগার। কারো কারো সাথে থাকে আরো বেশি। কেউ কারও চেয়ে আগাইয়া বা পিছাইয়া নাই..সমান্তরাল।

Bilaogera nanatevin-daharana ny fitokonana. Sary nampindramin'i Sharat Chowdhury

Tonga maro tokoa ireo bilaogera tamin'ny  tolakandro. Tsy nisy nanarama azy ireo, na nandrisika azy. Tonga fotsiny tamin'ny nahim-pony ry zareo, nifamory, naneho fanohanana. Misy bilaogera virtoaly 100 ao an-damosin'ireo bilaogera taza-maso teny. Be mpanjohy ny sasany. Tsy misy hoe iza no lohany….mitovy daholo.

Bilaogera sady mpandika teny ao amin'ny GV Bangla Lingua i Kowshik, nanavao ho antsika ny fitokonana nisy androany ao amin'ny bilaoginy Somewhereinblog.net [bn]:

আপনারা জানেন বাংলা ব্লগের খ্যাতিমান ব্লগার দিনমজুর নামে মূলত তিনজন তরুন প্রকৌশলী লিখে থাকেন যাদের মধ্যে অন্যতম অনুপম সৈকত শান্ত। তেল-গ্যাস নিয়ে তার বিশ্লেষণধর্মী লেখা আমাদের অনেক চরম সত্যের মুখোমুখি করেছে। একটু আগে প্রখ্যাত এই ব্লগার কনোকো ফিলিপসের সাথে অন্যায্য চুক্তির প্রতিবাদ করতে গিয়ে গ্রেফতার হলেন। এখন তিনি শাহবাগ থানায় আছেন।

Inoako fa fantatrareo hoe ny bilaogy Bangla malaza Dinmazur dia tanora telo samy injeniera no manoratra azy ary iray amin'ireny i  Anupam Saikat Shanto. Ny lahatsoratra fanadihadiany mikasika ny solika sy ny tahirin'entona dia nanokatra ny mason'ny maro tamintsika. Tsy ela izay dia nosamborina ity bilaogera ity raha nanohitra ny tsy rariny tamin'ilay fifanarahana natao tamin'ny ConocoPhillips. Ao amin'ny tobin'ny polisy ao  Shahbag izy amin'izao fotoana.

A protester inside a prison van. Image by Suvra Kanti Das. Copyright Demotix. July 3, 2011

বাংলা ব্লগোস্ফিয়ারের ইতিহাসে প্রথম কোনো ব্লগার গ্রেফতার হলেন। শান্তর গ্রেফতারের তীব্র প্রতিবাদ জানাই। একজন শান্তকে গ্রেফতার করে আন্দোলন স্তিমিত করা যাবে না – বাংলা ব্লগোস্ফিয়ার এখন অনেক সমৃদ্ধ এবং প্রায় সবাই সোচ্চার এই দমন-পীড়ন আর দেশ বিক্রির চুক্তির বিরুদ্ধে।

Voalohany teo amin'ny tantaran'i tontolon'ny fitorahana bilaogy Bangla ny hoe nisy bialogera iray nosamborina. Toherinay mafy ny fihazonana an'i Shanto. Tsy hahasakana ny hetsi-panoherana raha izay fisamboranareo an'i  Shanto – tenq loharanom-baovao tokoa ny tontolon'ny fitorahana bilaogy  Bangla amin'izao fotoana izao – saiky ny olona tsirairay no miresaka momba ity famoretana ity sy ny fivarotana ny tombontsoam-pirenena.

Fantsom-pahitalavitra iray ao an-toerana no njitatitra fa  bialogera 24 no voasambotra ny androtr'iny, 23 tamin'izy ireo no efa navotsotra hatreto. Nisy ny resaka nandeha fa hoe helohina noho ny fiokona hanongam-panjakana ireo mpanao hetsi-panoherana voasambotra. Nandritr yn andro dia nameno ny sehatra samihafa fitorahana bilaogy ireo olon-tsotra mitatitra fisamborana bilaogera/mafàna fo. Biloagera maro toa an'i Ayon sy Choturmatrik no nandefa tatitra fijoroana vavolombelona arahana saripika.

Sary anaty aterineto mangataka ny hamotsorana an'i Dinmazur (Shanto). Sary nampindramin'i Kowshik.

Manoratra ilay bilaogera  Jobaen Sondhi :

 

কনোকোফিলিপস চুক্তি বিরোধী আন্দোলনে দেশের অনলাইন কমিউনিটির যুক্ত হওয়া চলমান আন্দোলনে নতুন মাত্রা যোগ করেছে তাতে কোন সন্দেহ নেই। অনেকে অপবাদ দিয়ে বলেন ব্লগাররা মনিটরের সামনে বসে অলস সময় কাটায়। কিন্তু তাদের বক্তব্যকে মিথ্যা প্রমাণ করে ব্লগাররা দেখিয়ে দিল প্রয়োজনে তারা রাজপথেও যুদ্ধ করতে সক্ষম। এই আন্দোলন সমগ্র অনলাইন বিশ্বে ছড়িয়ে পড়বে এবং অনলাইনের সংগ্রামে সকলে অংশ নিবেন এটাও প্রত্যাশা করছি।

Ny fanentanana hanoherana  ny fifanarahana amin'ny ConocoPhillips dia nanome sehatra midadasika ho an'ny hafanam-po amin'izao fotoana ho an'ireo vondrom-piarahamonina ao anaty aterineto eto amina'ny firenena. Maro no milaza fa mandany andro fotsiny manoloan ny fàfana ny bilaogera. Saingy hanaporofoana amin'izy ireny fa diso ry zareo dia  nasehon'ny bilaogera fa  afaka koa mandray andraikitra ivelan'ny aterineto ry zareo. Antenainay fa hanana ny lanjany eo imason'izao tontolo izao ity hetsi-panoherana ity ary dia hahazo fanohanana beb kokoa izahay.

বর্তমান শাসক ও বিরোধী উভয় দলই সাম্রাজ্যবাদ ও তাদের বিদেশী প্রভুদের পা লেহনে সিদ্ধহস্ত এটা প্রমাণ হলো এবার। ব্লগারদের উচিত এইসব ‘দেশপ্রেমিক’ নেতাদের স্বরূপ উন্মোচনের পাশাপাশি জনগণকে সঠিক পথে অগ্রসর হওয়ার পথ নির্দেশ ও প্রেরণা দেয়া

Na ny antokon'ny mpitondra, na ny mpanohitra dia samy manao izay hahafa-po ireo vahiny sy mpanjanaka tompoiny avokoa. Tsy maintsy mamoaka ny tena endrika marin'ireo mpitantana ny bilaogera  ary mitondra ny firenena ho any amin'ny làlana mahitsy.

Vaskar ao amin'ny  Amra Bandhu dia mamafy fahatsapana tahaka izay ihany:

আজকের হরতাল আওয়ামি-বিএনপি'র ক্ষমতালিপ্সু রাজনীতিবিদদের প্রতি হুশিয়ারী।

Fampitandremana ho an'ireo mpitarika mpibodo fahefana avy ao amin'ny Awami League sy ny BNP (fnamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: ny antokon'ny mpitondra sy ny mpanohitra) ny fitokonana androany

Mahfuz Jewel ao amin'ny sehatra fitorahana bilaogy  Unmochon dia mahita fanantenana ao anatin'ireny hetsi-panoherana ireny:

আধাজ্বর নিয়ে সকাল থেকে আমিও পল্টনে ছিলাম আজকের আধাবেলা হরতালে। [..] হরতাল যখন শেষ হলো দেখলাম পুরো দেশের যন্ত্রণা আমার মাথায় চলে এসেছে। চোখে ঝাপসা দেখছি, কিন্তু এই ঝাপসা চোখেও দেখছি আশার আলো। মানুষ জেগেছে। দেশপ্রেমিক জেগেছে। জাতির বিবেক জেগে উঠছে। জেগে উঠছে সময়ের সাহসী সন্তানেরা!

Nanavy aho saingy tonga teny an-kianja tao Paltan nandritra ilay fitokonana tapak'andro. Rehefa nifarana ny Hartal (fitokonana) dia tsaroako ny hirifirin'ny firenena manontolo nitambesatra teo antampon-dohako. Nanjavona ny fijeriko, saingy nahita fnantenana aho tanatin'ireo masoko nanjavona  ireo.  Nijoro  ny vahoaka. Nijoro ny tia tanindrazana. Nifoah ny fahatsiarovan-tenan'ny firenena. Miroso ireo tanora feno fahasahiana.

YAzonao jerena ny angona lahatsoratra am-bilaogy [bn] mikasika ity resaka ity nalefan'i Haseeb.

vaovao farany nalefan'i Vaskar: nafahana i Dinmozur.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.