Espana: Olona an-jatony Manao Fihetsiketsehana Manohitra Ny Fitondràna Siriana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

Anjatony maro ireo olona nanao fihetsiketsehana tao Madrid ny Alahady teo ho fanehoana fanohanana ny vahoaka Siriana. Nanofà fiara vaventy fitateram-bahoaka mihitsy mba hitondràna ireo olona avy any amin'ny tanàna Espaniola hafa , toa an'i  Valencia sy  Granada. Nangatahan-dry zareo ny hampodiana ny masoivoho Siriana ao Espana, ny ny hamaizan'ny governemanta Espaniola ny governemanta Siriana, tompon'antoky ny fanampenam-bava lehibe indrindra mahazo ireo mafàna fo Siriana nandritra ny taompolo maro.

Nanomboka tao amin'ny kianja Puerta del Sol ao Madrid ny fihetsiketsehana, taoriana kely, nony maraina, dia nihisaka nankany amin'ny Ministera Espaniola momba ny Raharaham-bahiny, ary nifàrana tao amin'ny masoivoho Siriana.

Hetsi-panoherana tao Madrid, Espana, ho fanohanana ny vahoaka Siriana. Sary avy amin'i sy nampindramin'i Sara Díaz Gómez.

Ireo mpanao fihetsiketsehana dia niventy ny teny faneva amin'ny teny Espaniola, miaraka aminà hafatra toy ny hoe “Mivoa-drà i Sirya ary mitazam-potsiny izao tontolo izao”, “Aiza ianareo, Trinidad (Ministeran'ny Raharaham-bahivy) mandritra ny famonoana tsy misy indrafo ny Siriana?” ary koa amin'ny teny Arabo, avy amin'ireo vondron'olona Siriana: “Tian'ny vahoaka hoesorina ny fitondrana” sy ny  “Tokana ary tokana monja. Tokana ny vahoaka Siriana”.

Nahasarika ny fifantohan-tsain'ireo mpampahalala vaovao maro ilay hetsika ary tena nifampizaràna be tokoa tao amin'ny aterineto. Democracia Real Ya, ilay vondrona izay nikarakara ilay hetsika goavana tamin'ny 15 May, izay niofo taty aoriana ho filasiana nanerana ny firenena, dia nizara vaovao tao amin'ny pejiny ao amin'ny  Facebook [es]. Nahazo fanamarihana sy fanehoan-kevitra an'arivony ilay lahatsoratra.

Hetsi-panoherana tao Madrid, Espana, ho fanohanana ny vahoaka Siriana. Sary avy amin'i sy nampindramin'i Sara Díaz Gómez.

Hetsi-panoherana tao Madrid, Espana, ho fanohanana ny vahoaka Siriana. Sary avy amin'i sy nampindramin'i Sara Díaz Gómez.

Hetsi-panoherana tao Madrid, Espana, ho fanohanana ny vahoaka Siriana. Sary avy amin'i sy nampindramin'i Sara Díaz Gómez.

Ny tabataba noforonina tao amin'ny Twitter dia tena nifandray betsaka tamin'ny tenifototra #spainwithsyria, izay lohahevitra noresahana betsaka tao Madrid,  Barelona, ary Espana tamin'ny ankapobeny, tamin'ny fotoana samihafa teo anelanelan'ny 25 sy 26 Jona:

@TrendsMadrid: ‘campeooooneeeesss’, ‘venezuela’ y #spainwithsyria es ahora una tendencia en #Madrid http://trendsmap.com/es/madrid

@TrendsMadrid: ‘champioooooonsssss’, ‘venezuela’ sy #spainwithsyria ankehitriny no lohahevitra ao  #Madrid http://trendsmap.com/es/madrid

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.