Frantsa-Senegal: Nosamborin'ny Polisy Frantsay Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy Mankasitraka An'i Wade

Manomana ny fifidianana ny ho filoham-pireneny  i Senegal ny Febroary 2012. Valo volana tsy ahatongavan'ny latsabato, ny fiarahamonim-pirenena dia efa manohitra sahady ireo zavatra kotrehan'ny filoha, Abdoulaye Wade izay efa 85 taona, mba hiverenana eo amin'ny fitondrana indray.

Fihetsehana iray nantsoina hoe “Ampy izay tena Ampy izay” (Y en a marre) [fr] niseho voalohany tao amin'ny tranonkala ary niely tamin'ireo tanora izay nanao fihetsiketsehana tamin'ny 19 Martsa 2011, nanohitra ny tsy fisian'ny asa, fahatapahan'ny herinaratra sy ireo pôlitika ankapoben'ny governemanta Wade.

Ny 23 jona, fanoherana sy tabataba indray no nanakoako eran'i Dakar, nanohitra ny fanovàna ny lalàmpanorenana izay mety hanome vahana ny filoha ka ho lany indray amin'ny ampaham-bato 25% monja, ary mety hanome toerana vaovao ho an'ny filoha lefitra ao amin'ny fahefana mpanatanteraka.

Tamin'io andro io ihany, fihetsiketsahan'ireo teratany senegaly monina any Frantsa izay niangona nanoloana ny masoivoho Senegaly sy ny ‘consulat’. Tsy ela dia noravàn'ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana. Vokany, Madmadou, mpampiasa  Twitter iray monina ao Parisy, dia namoaka ity fanavaozam-baovao manaraka ity avy amin'ny fanoherana:

Nisambotra [fanamarihana: voasambotra] ireo mpanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny masoivoho an'i #Senegal sy teo amin'ny manodidina izay tsy nanao na inona na inona ny polisy Frantsay. Handefa sary amin'ny twitpic tsy ho ela. #ticketwade

Ao amin'ireo sary manaraka nalefanà mpampiasa iray ihany, ireo teratany Senegaly dia niangona nanoloana ny masoivoho, voahodidin'ny fiaran'ny polisy Frantsay:

Demonstration at the Senegales embassy in France, June 23, 2011. @Madmadou on Twitter.

Fanaovana fihetsiketsehana teo amin'ny masoivohon'i Senegal ao Frantsa, ny 23 Jona, 2011. @Madmadou tao amin'ny Twitter.

Tranonkalam-baovao Senegaly, Walf Fidjri [fr], nanazava fa olona 200 no voasambotra tao amin'ny masoivoho, ary 31 hafa tao amin'ny consulat.

Araka ny voalazan'ny iray amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, izay tsy nitonona anarana raha niteny, dia tsy azon'ny vahoaka hoe naninona no naka olona ho hadihadiana ny polisy Frantsay. Nanampy izy:

Il parait que même les policiers ont été étonnés de recevoir un tel ordre.

Na dia ny polisy aza dia talanjona tamin'ny nanomezana baiko toy izany.

Lahatsary iray momba ny tranga nisy tao amin'ny consulat no naseho tao amin'ny Dailymotion, etsy ambanin'ny mombamomba ny Antoko Sosialista ao Senegal. Tazana ao amin'ny consulat ireo mpanao fihetsiketsehana, ary tazana mijoro eo ambavahady ireo manampahefan'ny polisy Frantsay, manohana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra:

Occupation du Consulat du Sénégal à Paris contre… avy amin'ny socialisme-republique


Ny tomponandraikitra ao amin'ny consulat-n'i Senegal ao Parisy dia nametraka  fitrainana [fr] momba ny fahapotehana naterak'ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ny hetsika.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.