Hijab: “Hosalorana ve sa Hoesorina?”

Somary midadasika ihany ny lohahevitra noresahina mikasika ny “tontolon'ny Hijab” [sarondoha fisalotry ny vehivavy Arabo], saingy vao haingana, dia nisy lahatsoratra bilaogy hafa mifandraika amin'izany izay miresaka lohahevitra manokana somary sarotsarotra: inona no mety hitranga raha manapa-kevitra hanala ny hijab-ny ny vehivavy iray.

Voalohany, nampisy fikorontanana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ny lahatsoratra navoakan'ilay vehivavy bilaogera Ejyptiana Nadia Elawady ny faran'ny volana mey lasa teo, ka niteraka fanehoan-kevitra an-jatony. Nanambara ny ” tsiambaratelony hafahafa” i Nadita tao amin'ny nosoratany:

Nisy zavatra niainako tamin'ny herinandro lasa teo. Nalako ny hijab– saron-doha fitondran'ny Vehivavy Miozolomana maro hanaronana ny volo.

Nanomboka nisaron-doha aho raha niditra ny fahatanorana 25 taona lasa izay, fony aho 17 taona tamin'izany. Raha ny taonan'ny olombelona dia lava tokoa izany.

Nesoriko ny saron-dohako nandritra ny diako vao haingana tany Eoropa. Tiako ho fantatro fotsiny hoe manao ahoana izany manala saron-doha izany. Te hahalala aho raha miova ny fomba fijerin'ny olona ahy, sy ny fomba fahitako ny tenako raha misy fiovana na tsia.

Woman in desert near Sharm el Sheik, Egypt. Image by Flickr user DavidDennisPhotos.com (CC BY-SA 2.0).

Vehivavy any an'efitra ao akaikin'i Sharm el Sheik, Ejipta. Sary avy amin'ny Flickr, DavidDennisPhotos.com (CC BY-SA 2.0).

Nanohy nanazava i Nadia ny amin'ny antony nanapahany hevitra sy ny fomba nahatsapany izany, nanazava fohifohy ny antony nahatonga azy nanao toy izany izy. Nofeheziny hoe:

Niverina nody tao Kairo aho, ary nitafy hijab. Tsy nanenenako ny zavatra nataoko farany teo. Ary ankehitriny tsy mieritreritra ny hanala ny hijab mandrakizay aho. Maro ny antony. Tsy manantena ny olona fantatro hiarahaba na handrisika na tsy manan-kevitra rehefa tsy misalotra hijab eto Ejipta aho. Hisy tantara be eo ary tsy fantatro na vonona hiatrika izany aho na tsia. Mbola misy ihany ao anatiko aho milaza fa tsy maintsy isalorana ny hijab. Angamba Andriamanitra mihitsy no mitady ahy ho voasarona hatrany an-tampondoha ka hatrany am-paladia. Mbola mila mamolaka izany aho.

Vao haingana koa i Fatma Emam tao Kairo, nanoratra mikasika ny fanesorany amin'izay ny hijab.  Nitantara ny antony nahatonga azy nanapakevitra i Fatma nanazava hoe:

Nahatsiaro  voagadra anaty fomba fijery ety dia ety aho, ary nijery izao tontolo izao, ny fifandanjan-kery, ny fanetre-tena sy ny fomba fijery ny vehivavy tamin'ny fahateren-tsaina, nahatsapa filàna hahalala ny fomba fijery hafa aho, nialoha izany fotoana izany dia tsy nisy eritreritra tao amiko tao fa hahatonga ahy amin'izao fanapahan-kevitra izao ny finoana nananako, tolona mafy tamiko tokoa izany mba hanaporofona fa misy ny fahasamihafan-kevitra islamika .

Mahazo tsara ny tsapan'izy ireny noho ny maro i Shani Pathan. Tao anaty lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Misalasala amin'ny fanesorana Hijab: Salorana… Esorina… Salorana…” Nitantara ny nahatonga azy hisalotra indray ny hijab efa nesoriny iray volana izy. Nanazava i Shani avy eo fa tsy mifanaraka ny asam-pisalorana hijab sy ny hevitra momba ny fanetre-tena:

Mieritrereta tsara mialoha ny hiheverana hitondra hijab, na dia tsy maintsy atao aza ny mitafy feno fanetre-tena ary na dia didin'ny Mpaminany SAW aza. Afaka mampiseho ny fitondrana Hijab amin'ny fomba mendrika ve ianao? Hahavita manova ny fomba mahazatra anao ary hisalotra izany amin'ny tena antony ve ianao.

Tsy misy antony tokony hisalorana hijab mba hanaronana ny loha fotsiny raha toa ka tsy manana fitondratenan'ny vehivavy maotina sy mendrika ianao. Mety tsy mampiseho ny endrika araka ny finoana amin'ny zavatra rehetra aho saingy ny zavatra fantatro dia afaka mandeha amim-pireherehana eny an-dalana aho no sady maotina no tsy manamavo ny lanjan'ny Hijab.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.