Zeorzia: Governemanta 2.0

Sampan-draharaham-panjakana sy mpitondra ambony Zeorziana maro no mirona miditra amin'ny valan-tserasera sy ny fitaovan-tserasera web 2.0 mba hifandraisany amin'ny mponina efa maro manana solosaina ao amin'ny firenena. Mihamivoatra ny teknolojia ary mihamaro ny Zeorziana no miditra valantserasera, miharihary fa te-hifandray mivantana amin'ny olom-pireneny ny fitondrana. Manaraka ny fironana manerantany mankamin'ny fampiasana ny nomerika sy ny fampiasana ny e-governemanta mazava an-tserasera ny mpitari-dalana amin'ny fanavaozana ao amin'ny faritra: Zeorzia.

Ohatra, afaka misintona ny fanadinana fanomanana hanamory fiarakodia ao amin'ny vohikalan'ny Minisiteran'ny Raharaha Anatiny ny olom-pirenena, Afaka misoratra sy manambara ny fananany ao amin'ny tranonkalan'ny sampan-draharahan'ny Hetra ary, tamin'ny volana Febroary tamin'ity taona ity, ny Transparency International Georgia, miaraka amin'ny fanohanan'ny Eurasia Partnership Foundation ao Zeorzia, no namoaka ny Chemikucha.ge, izay mitovy amin'ny an'ny BritanikaFixMyStreet.com, sehatra an-tserasera ahafahan'ny olona mitatitra olana tahaka ny lavadavaka an'arabe sy ny fanangonam-pako.

Chemikucha.ge – chemi kucha izay midika hoe “lalantsika” – no narafitra hanampiana sy handrisihana ny mponin'i Tbilisi raha hitatitra ny olana hita eny amin'ny arabeny any amin'ny Lapan'ny Tanàna. Tondroina eo amin'ny sarintany ny tatitra mba ho hita sy horesahin'ny mponina, ny mpandray anjara sy ny solontenan'ny fitondrana mahefa. Ny sehatra, nalefa tamin'ny alalan'ny tetikasa herintaona, no ahafahan'ny besinimaro manaramaso ny valiny ataon'ny fitondrana mahefa amin'izay voasoratra rehefa misy ny mitatitra raharaha iray. Chekikucha dia avy amin'ny fampifanarahan'ny fomban'ny open-source FixMyStreet ary azo idirana ihany koa hatrao amin'ny FixMyStreet.ge.

[…]

Ny tanjon'ny www.chemikucha.ge dia ny hananganana sehatra an-tserasera manamora ny fifandraisana mivantana eo amin'ny mponina sy ny mpitondra ao an-tanànan'i Tbilisi momba ny olana ao an-toerana. Fanampin'izany, tianay ampirisihana koa ny olona hitatitra izay manahirana eny amin'ny manodidina azy ireo mba hampidina ny sakantsakana ahafahana miasa, hizara sy hiresaka ny olana miaraka amin'ny hafa ary hanara-maso ny valiny na izay ataon'ny mpitondra.

Vokatr'izany, ny tanjon'ny tetikasa dia ny hanentana ny olona sy hiresahany ny olana mampidi-doza eny an-araben'i Tbilisi. Amin'ny fitondrana ny fanahian'ny olona momba ny olana ao an-toerana eny amin'ny sehatra an-kalalahana no anantenanay hahaizan'ny mpitondra mahefa fahaiza-mamaly sy ny famahany ny olana haingana sy mahomby kokoa.

Ny fitaterana ny olana eny an'arabe ao an-drenivohitra no hahatonga ny tompon'nadraikitry ny Lapan'ny Tanàna ho faingana kokoa amin'ny famahana ny olana taterin'ny mponina.

Tonga dia mivantana any amin'ny Monisipaliten'i Tbilisi ny tatitra ary olana 556 no efa voatatitra hatreto, ka efa voavaha ny 344. Araka ny efa nomarihana etsy ambony dia efa mazotozoto ao amin'ny valantserasera tsindraindray ny governemanta Zeorziana. Vao Farany teo, tamin'ny 9 Jona, dia nanao valandresaka mivantana tamin'ny alalan'ny LiveStream ny Ben'ny Tanànan'i Tbilisi Atoa Gigi Ugulava. Afaka nanontany ny Ben'ny tanàna tamin'ny alalan'ny pejy Facebook ofisialin'ny Ben'ny Tanàna ny olona. Manodidina ny 500-600 ny olona nijery ny valandresaka mivantana, ny voalohany amin'ny toy itony teo amin'ny firenena ary misy ny fampanantenana hisian'ny toy izany amin'ny manaraka.

Ugulava dia manana kaonty Twitter ihany koa. Nalefa tamin'ny volana Mey, siokantsera 113 no efa nalefa ary 194 ny isan'ny mpanaraka tamin'ny fotoana nanoratana.

Tsy irery i Ugulava ao amin'ny Twitter. Ny Praiminitra, Nika Gilauri, sy ny Minisitry ny Fanabeazana sy ny Siansa ihany koa dia manana kaonty Twitter. Ny vadin'ny filohan'i Zeorzia, Sandra Roelofs, ihany koa dia iray amin'ireo mampiasa valan-tserasera, roa androlasa izay dia namoaka ity sary mampihomehy ity tamin'ny Facebook izy.

"Fantatrareo fa manentana momba ny ARO LOZA FIFAMOIVOIZANA aho, fa tamin'ny alahady teo dia nisaritaka aho raha nahita ity tamin'ny lalana mampitohy an'i Gori amin'i Tbilisi….. OMBIVAVY ANATY LADA 07 !!"

Manana ny kaonty Twitter ny pejy Facebook ihany koa ny Minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana ary raha jerena ho mitovy aza ny mpitantana azy ireny raha jerena ny votoaty zaraina dia mamoaka vaovao isan'andro izy ireny. Tsy dia mandrisika adihevitra loatra ny ankamaroan'ireny kaonty ireny na izany aza. Iray amin'ny manana endrika tanora indrindra ao amin'ny governemanta ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fampandrosoana Maharitra Rtoa Vera Kobalia fa namoaka filazana tolotr'asa ao amin'ny takelaka Facebook -ny, izay ahitana namana  4143  ary 907 ny mpanaraka ao amin'ny Twitter.

@VeraKobalia: Ato amin'ny fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro. Tsy misy wifi na aiza na aiza ato! saingy loha misaina maro 🙂

Tsara ny manamarika fa ny takelaka Facebook ny mpikambana ao amin'ny governemanta dia misy dokambarotra ambanina rohy mpanohana:

David Bakardze, Filohan'ny Parlemanta Zeorziana.

Tsy fantatra hoe nahoana ny Filoha, Mikheil Saakashvili, no tsy manaraka ny ataon'ny mitovy aminy Azerbaijani , Ilham Aliyev, izay nanokatra kaonty Twitter na Facebook, fa raha jerena ny lazan'ny valantserasera eo amin'ny faritra dia mety hisy ny fiovany. Amin'ny fananana mpisera Facebook 621.640 ao amin'ny firenena, Zeorzia no tafiditra lalina indrindra amin'ity valantserasera ity eo amin'ny faritra. Facebook no vohikala malaza araka ny Alexa.com ary ny Twitter any amin'ny faha-13. Ny tahan'ny fidirana amin'ny aterineto dia heverina ho mihoatra ny 40 isan-jato na dia monina ao an-drenivohitra Tbilisi ny ankamaroan'ny mpisera.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.