Arabia Saodita: Vehivavy Eo Aorian'ny Familiana

Vehivavy Saodiana maro omaly no nandray ny familiana tao Arabia Saodita mba hankahatra ny fandraràna azy ireo tsy hitondra fiara. Natao tamin'ny Facebook ny fanetanana, ary namafisin'ireo resaka ifanakalozana tamin'ny fampahalalam-baovao ara-tsosialy hafa, toy ny vohikala fanaovana bilaogy kiritika Twitter.

Laila Sindi, avy any Jeddah, dia mizara ny niainany tanaty andianà bitsika[ar].

Hoy izy manomboka miteny:

طبعا كان إعلان المكان والتوقيت مجرد تمويه.. لم نخرج الساعة ٥ فجرا ولا كنا في منطقة العوالي.. #women2drive

Eny, fitaka fotsiny ihany ny filazana sy toerana. Tsy niainga tamin'ny 5ora izany izahay ary tsy tany amin'ny faritry Awali izany.

Ho solon'izay, tamin'ny 9 ora maraina ry zareo no niala :

خرجنا الساعة ٩ صباحا وبدأنا القيادة من حي النزهة وكانت الخطة الاستمرار حتى شارع الستين ثم الخط الدائري إلى حي الخالدية والعودة #Woemn2Drive
Niainga tamin'ny 9ora izahay ary nanomboka nitondra ny fiara teo amin'ny manodidina an'i Nuzha ka ny tanjona dia ny handeha hatrany amin'ny làlana faha 60 ary avy eo mahazo ny làla-mihodina mankany amin'ny manodidina an'i Khalidia alohan'ny hiverenana.

Niaraka tamin'ireo anadahiny sy namana iray, Laila no namily . Izy rehetra dia samy nanao saron-doha (Hijab) nefa nampiseho endrika.

Ny làlana nalalaka, nefa tsy foana:

خرجنا فعلا في الساعة ٩ تماما وبهدوء خرجنا الى شارع النزهة.. وكانت الشوارع هادئة نسبيا لكنها لم تكن خالية ورآنا بعض الناس #women2drive
Niainga tamin'ny 9ora tsy diso ary nitodi-doha moramora niazo ny lalana Nuhza..nalalaka tanteraka ny làlana nefa tsy foana fa nisy olona vitsivitsy nahita anay.

Fintinin'i Laila toy izao ny fihetsik'ireo mpandalo:

منهم من لوح لنا بالتشجيع ومنهم من أشار لنا بالعودة.. لكن لم تأكلنا أي ذئاب.. #women2drive
Ny olona sasany nanofahofa tànana ho fampaherezana raha ny sasany kosa nanao fihetsika hampijanona anay … nefa tsy nisy natahorana tany.

Folo minitra namiliana, nitranga ny tsy nampoizina:

في خلال ١٠ دقائق انتهينا من شارع الستين ووصلنا بداية الخط الدائري ولقينا نقطة تفتيش..رغم اننا تأكدنا مرارا من عدم وجود قطة هناك #women2drive
Folo minitra taty aoriana, nahavita ny làlana faha 60 izahay  ary nanomboka nahazo ny fiantombohan'ny làla-mihodina. Tratry ny fisavana izahay teo na dia efa imbetsaka nanao fanamarinana fa hoe tsy tokony hisy fisavàna eo amin'io toerana io.

Teo amin'ny toerana fisavana, niagavy azy ireo mba hanajanona ny fiara sy hivoaka tao ny manamboninahitra sy miaramila iray. Manazava i Laila :

نزلنا وطلب منا الملازم الركوب في سيارته وكانت من نوع الفورد.. ركبنا كلنا في المقعد الخلفي ولم يقل لنا شيئا لكن صادر حقائبنا #women2drive
Nivoaka izahay ary nasain'ilay manamboninahitra hiditra tao anaty fiarany, izay Ford. Nipetraka tao aoriana izahay rehetra. Tsy niteny na inona na inona izy fa nisintona ny kitaponay.

Ampiany hoe:

طلب منا الهدوء بعد أن بدأنا بالجدال والنقاش بسبب أخد حقائبنا لكن أصر على أخذها ووعدنا خيرا #women2drive
Niangavy anay ho tony izy taorian'ny nanombohanay nandresy lahatra sy nifanakalo hevitra ny amin'ny anton'ny nisintonany ny kitapo tety aminay kanefa nanindry mafy izy fa hamerina azy ireny ary nanome toky tsara anay

Ary tohizany:

لم يرد علينا أبدا في البداية.. بعد قيادة ٢٠ دقيقة تقريبا أوقف السيارة على جانب طريق الدائري ونزل منها وأغلق الأبواب وبدأ القلق #women2drive
Tsy niresaka taminay mihitsy izy teo ampihaingàna ary nanajanona ny fiara teo amin'ny sisin'ny fihodinan-dàlana noho ny afaka 20 minitra sady nivoaka ny fiara ka nohidiny tao izahay. Nanomboka niahihahy izahay teo.

Nony tao ivelany, ilay miaramila dia niresaka tamin'ny finday

نزل وتكلم بجواله ثم عاد وأخذ حقائبنا وخرجبدأ في تفتيشها خارج السيارة.. أعترف أنني بدأت أصرخ وأشتم وصديقتنا انهارت وتبكي #women2drive

Nidina ny fiara izy ary niresaka tamin'ny findainy, niverina izy avy eo, naka ny entanay ary nanomboka nisava izany tao ivelan'ny fiara. Nihaiky aho fa niatsoantso sy nanompa ary nihantatra nitomany koa ny namako.

15 minitra teo noho eo no lasa,  niverina tao anaty fiara ilay miaramila, nitondra an-tànana ny entan'ireo tovovavy, kanefa nalainy ny findainy mba tsy ahafahan'izy ireo miantso ny havany sy handraketany zavatra hafa.

Manazava i Laila fa:

هددته بالفضيحة والمقاضاة فلم يرد وقالت له سناء بنت عمي أن والدها سيرفع دعوى فلم يرد وقاد السيارة الى طريق العابدية وقلقنا جدا #women2drive

Nampihorohoroako izy fa ho halaiko baraka ary ho toriko any amin'ny fitsarana. Nolazain'i Sana rahavaviko fa mpisolovava ny rainy ka hametraka fitoriana fiampangana azy kanefa tsy namaly izy. Nentiny tany amin'ny làlana Abidiya ny fiara ka vao maika niahihahy mafy izahay.

Ary mbola  notohizany:

وهو يقود السيارة قال لنا أن هدأتوا ستكون التمور بخير وطبعا لم نسكت ولم نتوقف عن التهديد وفجأة أوقف السيارة وصرخ: وربي انا معكم #women2drive
Teo am-pamiliana ny fiara dia nilaza taminay izy mba ho tony dia handeha ho azy ny raharaha. Eny, tsy nety nangina izahay na nijanona nihorohoro. Najanony tampoka ny fiara ary niteny mafy anay fa:”miniana amin'Andriamanitra aho fa eo anilanareo.”

Ary manampy izy hoe

قال لنا أن شخصا ما رآنا وأبلغ عنا بالاتصال على رقم النجدة وبلغه النداء فوصل إلينا أولا واتفق مع الجندي على “تهريبنا” #women2drive
Nilaza taminay izy fa nisy olona nahita anay ary nitaraina noho ny aminay tany amin'ny polisy. Rehefa azon'izy ireo ny filazana, nifanaiky izy sy ilay miaramila hafa handefa azy ireo mangingina.

Mibitsika i Laila fa hoe niteny ilay miaramila hoe teo mba hanampy azy ireo ry zareo.

وقال انه من “عيال مكة” وان لو قبض علينا راح يصير لنا شيء مو طيب ابدا فقرر يساعدنا.. طبعا ما صدقته واصريت اكلم والدي #women2drive

Nilaza taminay izy fa avy any Lameka ka raha misambotra anay izy, dia hisy loza hanjo anay, ka naleony nanampy anay. Tsy natoky azy anefa aho mazava loatra ka nisisika niantso ny raiko.

Marihany koa :

شرح لنا أن دوريته انتهت وأن رسميا هو والجندي ليسوا على رأس للعمل فهو في أمان لكن لو اتصلنا بلغنا احد سيتضرر #women2drive
Nazavainy anay fa tapitra ny fetr'ora fiasàny ka noho izany dia tsy miasa izy sy ilay miaramila izao ka azo itokisana..nefa raha mbola miantso olona ihany izahay, dia ho tezitra izy.

Ary tohizany:

قال ان الخيار بيدنا.. يرجعنا للسيارة ونتحمل مخاطرة البلاغ والبحث أو ننتظر في سيارته ساعتين ثم يرجعنا لبيوتنا #women2drive
Nilaza taminay izy fa eo an-tànanay ny safidy..naveriny tao anatin'ny fiara izahay ka handray ny andraikitray noho ny fitarainana sy fikarohana, na miandry ao anaty fiara mandritra ny adiny ora mandrapandefany anay mody.

Milaza i Laila  fa nisafidy ny hino azy ry zareo ka nalefa nody tany an-tranony avy.

Nipetraka tao aorinan'ny fiara ireo tovovavy nandritra ny adin'ny roa. Manoratra iLaila :

جلسنا محشورات في مقعد سيارته أكثر من ساعتين وما كلمنا أبدا.. بنت عمي تحتاج دوا ورفض اننا نخرج او انه يتركنا لجلب الدوا #women2drive
Nahatsiro-tena ho irery izahay tao anatin'ny fiarany nandritra ny adin'ny roa mahery, tsy nanao na inona na inona izy na dia ny niteny taminay aza. Nila fanafody ny anadahiko nefa tsy navelany niala ny fiara hitady izany izahay.

Manohy izy:

يعني هو قرر يحمينا من الحبس لكن من غير ما يسبب لنفسه ضرر او احراج.. وهذا شي متفهم طبعا #women2drive
Midika izany fa niaro anay amin'ny famonjàna izy ary koa tsy hampidi-doza na hanahirana azy, izay takatray tsara .

Afaka adin'ny iray, ilay miaramila niteny taminy fa tiany raha tafaverina mody any an-trano ry zareo mandritra ny fotoam-bavaka mitatao vovonana, rehefa nalalaka ny làlana. Manazava izy:

وفعلا جلسنا في سيارته اكثر من ساعتين وبعد اقامة صلاة الجمعة بدا في السواقة في اتجاه بيت بنت عمي والجندي يسوق سيارتنا #women2drive

Maherin'ny adin'ny roa no nipetrahanay tao anatin'ny fiarany ary taorinan'ny fanombohan'ny fivavahana, nentiny ny fiara ka nankany amin'ny tranon'i dadatoanay, ary ilay miaramila nanaraka nitondra ny fiaranay avy ao aoriana.

Niova lasa tsara fanahy ilay manamboninahitra.

طلبت رقم جواله عشان يشكره اهالينا فرفض وقال انا ما شفتكم ولا اعرفكم وانتو ما شفتوني ولا تعرفوني #women2drive
Nangatahako ny nomeraon'ny findainy mba hahafahan'ny fianakaviako misaotra azy nefa tsy nekeny. Nilaza izy fa tsy nahita ary tsy mahafantatra anay ary izahay koa tsy nahita sy tsy mahafantatra azy.

Nefa na izany aza dia nitazona ny findain-dry zareo ilay manamboninahitra :

وصلنا بيت عمي ونزلنا وشكرناه وراح هو والجندي وطبعا صادر الجوالات احتياطا واعتذر وقال انسوا جوالاتكم #women2drive

Tonga tany amin'ny tranon'i dadatoako izahay dia nivoaka ny fiara sy nisaotra azy ary dia lasa nandeha izy sy ilay miaramila. Nentiny ny findainay ary niala tsiny sy  niangavy anay mba hanadino ny momba azy ireo.

Faranany hoe:

هذا مجمل اللي حصل وسامحوني على التويتات الكثيرة.. اعترف ان جسمي ما زال يتنافض من كثر القلق والفجعة #women2drive
Izay no famitinana ny zava-niseho ka miala tsiny noho ny fahalavan'ny bitsiko. Tsapako tena mbola mangorintsin'ny ahiahy sy horohoro ny tenako.

Lahatsary maro no nalefa tany amin'ny YouTube, mampiseho ireo vehivavy mitondra ny fiarany ao amin'ny Fanjakana. Vinavinaina ho teo anelanelan'ny 20 ka hatramin'ny 50 ny vehivavy nanohitra ny fandraràna ny fahazoana mitondra fiara ka nandray ny familiana. Norasin'ireo tambajotra sosialy ny vaovao, ka tamin'izany na dia ny tompom-bady aza dia nampiseho ny fahaizam-badiny mitondra fiara.

Aziza134 mizara ity lahatsary mampiseho vehivavy mitondra fiara ity:

Ao amin'ny Storify, PaulTOwen mizara ato ity fantina fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter momba ny vehivavy mandray ny familiana any Arabia Saodita ity.

Raha hijery fanehoan-kevitra maro ao amin'ny Twitter, araho ny tenifototra Women2Drive

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.