Kiobà: Sambany hifampihaona ny mpisera Twitter

Nataon'i @leunamrguez (Leunam Rodríguez) ny fanambarana fisian'ny fihaonana voalohany eo amin'ny mpisera Twitter Kiobàna izay hotanterahina amin'ny voalohany volana jolay amin'ny efatra ora folakandro eo amin'ny fihaonan-dalana faha-23 sy faha-12 ao La Havanne. Ity zatovolahy 25 taona ity ankehitriny dia manana toerana ao amin'ny Radio Kiobàna momba ny fampahalalam-baovao sy ny propagandy ary izy no mpamelona ny vavahadin-tseraseran'ny Radio Kiobàna.

Ao amin'ny bolongany, Twitterencuentro [es], i Leunam no miaro ny “fampiantsoana hisian'ny fihaonana mivantana eo amin'ny mpisera Twitter,” ary mandrisika ny fananganana sehatra ho an'ny faritra rehetra sy ho amin'ny tombontsoa rehetra.  Ho an'ny mpanorina, ny filozofia mamaritra ny hetsika dia “izay mampitambatra antsika Kiobàna.”

 

Ao amin'ny lahatsoratra 16 Jona [es], ny mamaham-bolongana sady mpikarakara ny maneho ny fientanentanany ny haneken'ny maro ity fihaonana iray ity:

Se ha disparado una explosión en cadena. Desde que surgió el encuentro de twitteros en la capital de todos los cubanos: #TwittHab, los niveles de twetts y RTs se han elevado. El hashtag casi parece que llega a Trending Topic, que conste, no nos interesa pero bienvenido si sucede. La twittosfera se sacude ante un evento inédito: twitteros de #Cuba que por iniciativa propia deciden reunirse. Es increíble hasta donde hace eco la noticia, aparecen en diversos blogs todo tipo de referencias a este masivo tsunami que amenaza con rebasar los limites de la Red de redes y volverse un #twitterencuentro real. Algunos amigos del ciberespacio colaboran con sus propios Posts:

Yo estaré en #Twitthab, ¿y tú? “La Polémica Digital” de @elainediaz2003
#Twitthab para conocernos, y solo eso “Yurisander” de @yurisander

Nisesisesy ny setriny.  Hatramin'ny nanolorana ny fihaonana Twitter eo an-drenivohitry ny Kiobàna rehetra: #TwittHab, niakatra ny sandan'ny siokantsera sy ny RTs [dona miampita]. Tsy mahaliana antsika ny tenifototra ironana matetika fa faly izahay raha tontosa io. Mihontsakontsana ny tontolon'ny Twitter mialoha ity hetsika ity: mpisera Twitter avy ao #Cuba izay, noho ny fandraisana andraikitra manokana, nanapa-kevitra ny samy ho tonga miaraka.  Tsy mampino ihany koa ny fiakony tamin'ny vaovao, hita amin'ny karazana bilaogy rehetra izay ahiana hamaky ny ankoatra ny eto an-tserasera ity hetsika mirona mova tsy toy ny tsunami ity ary ny vokany dia hisy #twitterencuentro [#twittermeeting na fihaonanatwitter]. Ny namana an-tserasera sasany dia miasa amin'ny lahatsorany manokana:

Ho tonga amin'ny  #Twitthab aho, ary ianao? [es] “La Polémica Digital” [“Nomerika mampiady hevitra”] avy amin'i @elainediaz2003

#Twitthab hifampihaonana, ar ami'izany ihany [es] “Yurisander” avy amin'i @yurisander

Ankehitriny, mihoatra ny 451 ny mpisera nasaina ao amin'ny takelaka Facebook-n'ny fihaonana [es] ary 40 no nanamarika ny hahatongavany tao anatin'ny efatra ora.

Na ny Bilaogera monina ao amin'ny nosy na ny miaina ivelan'ny nosy dia samy nampiely ny vaovao tamin'ny bilaoginy.  Tahaka izany i El Yuma [es], avy amin'ny Akademia Amerikana Tavaratra Ted Henken sy i Roger Trabas [es], programmeur sady mpikambana ao amin'ny fiarahamonin'ny Bilaogera Kiobàna.

Mbola nanampy fanazavana moa ny mpikarakara ny bilaogy El trapicheo online [es] fa najoro ny sehatra [es] iray ahafahan'ny mpisera Twitter Kiobàna monina ivelan'ny nosy ahafahany manaraka ny vaovao eo noho eo.

Azonao arahana eo noho eo ny fikarakarana ny fihaonana amin'ny alalan'ny tenifototra #twitthab ao amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.