Makedonia: Fihetsiketseham-panoherana ny Herisetra Afenina Ataon'ny Polisy

Tanora Masedoanina sy manam-pahaizana sasantsasany efa lazondazony no nanao fihetsiketsehana nandritra ny dimy andro tao amin'ny aterineto sy ivelan'ny serasera tao Skopje, mba handrisika ny manampahefana “handravona” ny raharaha mikasika ny famonoana nataona polisy mpiambina tompon'andraikitra ambony an'ilay tovolahy nandritra ny famoriam-bahoaka notontosain'ny antokon'ny fitondrana  taorian'ny fifidianana. Tamin'ny Zoma teo dia nidina an-dalambe ihany koa ny tanora avy amin'ny tanàna hafa, tahaka an'i Bitola, Strumica, ary i Kochani.

Ireo tenifototra malaza ao amin'ny Twitter amin'izany dia ahitana ny  #Martin#protestiram (”Manohitra aho”) ary #Bitola.

Vnukot nanome tati-baovao mafonja sy miavaka tsara amin'ny teny anglisy mikasika ny fihetsiketsehana an-dalambe  (Andro voalohanyAndro faharoa, Andro fahateloAndro fahaefatra). Nahazo fahazoan-dalana avy aminy ny Global Voices hampita ny lahatsoratra nataony ny Andro fahadimy :

Nitohy androany ny fihetsiketsehana manohitra ny herisetran'ny polisy izay nanomboka taorian'ny famonoana an'i Martin Neshkoski, ary manerana ny tanàna maro ao Makedonia izany androany.

Vahoaka maro no nanao fihetsiketsehana tao amin'ny Skopje, notombanan'ireo polisy mandamina ny fifamoivozana fa maherin'ny 3.000 ireo vahoaka tonga tao. Mety ambony kely ihany ny isa, saingy taorian'ny fangalana ny sary, tsy misy olona afaka mandà ny habetsahan'ny olona tamin'ny fihetsiketsehana.

Araka ny voalazan'ny Fahitalavitra A1 , namonjy ny fihetsiketsehana ihany koa ny rahalahiny sy ny naman'i Martin Neshkovski ilay namoy ny ainy, sady milanja ny sariny izy ireo.

Sary HQ marobe tamin'ny fihetsiketsehana tao Skopje, zon'ny mpamorona  Creative Commons, afaka jerena ao amin'ny momba ny Flickr FOSIM.

Taorian'i Skopje tonga dia tao Bitola indray, izay nahitana  vahoaka marobe izay tsy izy nanao fihetsiketsehana mba hanafoanana ny herisetran'ny polisy. Ireo vahoaka mahery fon'i Strumica sy i Kochani nampiseho ny mariky ny fanampiany amin'izao tolona izao.

Tamin'ny fiezahana  tsy hanome lanjany ny fihetsiketsehana (fa hoe misy ambadika politika ny hetsika) nataon'ny fampahalalam-baovao manohana ny governemanta, nanohitra izany ireo mpanao fihetsiketsehana ka nanoratra izy ireo hoe: “Tsy anaty antoko politika izahay”, “Fiainana > antoko politika” sns. Tamin'ny fiafaran'ny fihetsiketsehana, teo anoloan'ny Parlemanta Repoblikan'i Makedonia, nihoraka ny vahoaka hoe: “Ao amin'ny parlemanta, mitovy daholo ianareo!”

Tamin'ny andro fahadimin'ny fihetsiketsehana, tsy ny tanàna sasany tao Makedonia ihany no nitsangana, fa nanomboka niala tamin'ny fiforetana koa ireo tanora ao Skopje.

Tamin'ny fanombohan'ny fihetsiketsehana, tao ao anatin'ny vahoaka marobe ny ralahin'i Martin Neshkovski sy ny namany. Kanefa mbola feno alahelo izy ireo ka mety tsy afaka handeha lavitra any amin'ny toerana namonoana azy an-kerisetra.

Nisy fotoana nipoitra tampoka avy any andian-tanora manafin-tava. Hisorohana ny mety ho herisetra avy amin'izy ireo dia marobe ireo olona no naka sary azy ireo.

Ny fiaraha-mientana no nanjaka nandritra ny tontolo andro, na dia teo aza ny fihetsehampo rehetra, na dia teo koa aza ny habetsahan'ny vahoaka. Nisosa tsara araka ny tanjona ny fihetsiketsehana – tao anatin'ny filaminana tanteraka.

Famantarana vaovao no nitsangana tamin'ny andro fahadimy – saina miloko mainty no narantiranty ambony sy natsangan'ny vahoaka, ho fampatsiahivina ny fiafarana tsy misy lanjany ny fiainan'ny tanora anankiray .

Tamin'ity, lalana marobe no nobahanan'ireo mpanao fihetsiketsehana (maherin'ny 6 kilometatra), ary nandritra ny tontolo andro, naverina ny sary famantarana voalohany – mipetraka isaky ny misy fiolanana, bahanana ary manokana minitra vitsy fahanginana ho fahatsiarovana.

Nandritra ny fotoana, nitombo hatrany ny isan'ireo mpanao gazety vahiny naka ny sary nandritra ny fihetsiketsehana…

Nofaranana teo anoloan'ny Parlemantan'ny Repoblikan'i Makedonia ny fihetsiketsehana.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.