Masedoana : niteraka fihetsiketsehana ny lazaina ho famonoan'ny polisy tovolahy iray

Olona azo refesina no nivory tao afovoan-tanànan'i Skopje ny alina lasa teo mba hanohitra ny fahafatesan'ny tovolahy iray izay nolazaina fa novonoin'ny polisy nandritra ny fankalazana ny fandresen'ny antoko politika eo amin'ny fitondrana tamin'ny fifidianana natao.

Nifanojo tamin'ny Baskerfest, fety fanao an-dalam-be ankalazaina isan-taona ao afovoan'i Skopje ny zava-nitranga.

Vnukot nandika ny fanadihadihana nataon'ny [mk] Radio MOF:

Araka ny voalazan'ny NetPress, A1, PlusInfo, MakFax ary ny Forum, tokony ho tamin'ny misasak'alina tamin'ny 06 jona 2011, tovolahy iray (antsoina hoe Daniel) tokony ho 20 taona eo ho eo no maty teo amin'ny kianja “Masedoana” ao afovoan-tanànan'i Skopje. Nilaza tao amin'ny NetPress ireo vavolombelona fa nodarohan'ny polisy iray mandra-pialan'ny ainy ao amin'ny vondrona “Alpha” ity tovolahy ity.

Milaza ny mpitondra tenin'ny ministry ny raharaha anatiny fa tsy nisy tranga nitovy tamin'ity voalaza ity notaterina tany aminy tamin'io fotoana io ary raha nisy izany dia tsy maintsy efa nanao fanadihadihana ry zareo. Ny polisy tao Spokje kosa milaza fa ny fandidiam-paty no hahalalana ny anton'ny nahafaty ity tovolahy, kanefa tsy misy marika nanaovana herisetra teny amin'ny vatany.

Miseho ho tsy mahafantatra izany ny fampitam-baovao mahazatra (ankoatra ny A1), kanefa efa miparitaka haingana be any amin'ny facebook sy ny twitter (rohy #daniel, #fontana, #park) ny vaovao, ka nahatonga ny olona ho tonga maro teo amin'ny Zaridaina ao an-tanàna hanao fihetsiketsehana taorian'ny antso navoaka tao amin'ny PlusInfo.

Sandra nandefa sary “olona eo ho eo amin'ny 200 nitangorona hanao fihetsiketsehana hanoherana ny namonoana an'i 23yo #daniel.”

I @365Eclectic koa namoaka andiana sary mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana mizotra mankany amin'ny zaridaina eo akaikin'ny tranoben'ny governemanta ao afovoan-tanàna:

Share photos on twitter with Twitpic Share photos on twitter with Twitpic

Share photos on twitter with Twitpic Share photos on twitter with Twitpic

Mpiserasera twitter sy facebook hafa nanaparitaka taratasy fanangona-tsonia [mk] mangataka ny handravana ny polisy “Alpha”, ny andraikitra manokana sy nanirahana azy ireo tamin'ireo nahavita heloka, sy ny fanaraha-maso hatao amin'ireo polisy manapatra fahefana:

Peticijata, procitajte site i rashirete! #daniel on Twitpic

Ireto sary farany ireto avy amin'i @Arangel mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana milanja sora-baventy manao hoe “Yianay i Daniel” sy hoe koa “Alpha mpamono olona”, sy ny fitokonana nataon'izy ireo eny amin'ny lalàm-be manakaiky ny zaridaina:

no comment on Twitpic

I@malaovca namoaka sarin'ireo mpitokona mibahana ny lalana eo akaikin'ny zaridaina:

Mbola tsy tena mazava tsara ny tena fizotry ny tantara sy ilay olona novonoina. Omena anareo ihany izany raha vantany vao mahazo fanampim-baovao ny namana ato amin'ny Global Voices.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.