Yemen: Antony nahatara an'i Saleh!

Nanala azy ny mpisiokantsera tamin'ny fampiasana ny tenifototra #AntonynahataraaniSaleh teo am-piandrasana ny kabarin'ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh, izay nanaraka ny tatitra fa naratra tao amin'ny Lapam-panjakana izay nisy nanafika maraina tao  Sanaa.

Efa nilalao tenifototra mitovitovy aminy ny mpisiokantsera raha nahemotra ny kabarin'ny filoha Ejipsiana Hosni Mubarak – #AntonynahataraaniMubarak

Nanoratra i Ibn Adem:

#AntonynahataraaniSaleh mbola eo am-pikarakarana ny tarehiny naratra ny mpanakanto mpanolokolo ny tarehiny.

President of Yemen Ali Abdullah Saleh. Image by US Government, available in public domain.

Filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh. Saripika fitondrana Amerikana, sary efa azo alaina fotsiny.

Naneso i Marwa_G_H:

 

#ReasonsSalehIsLate ميعاد القااااااااااااااااااااااات…. استنوا شوية #Yemen
Nahazo qat izy .. andraso vetivety

Ny Qat dia zavamahadomelina mpanaitaitra, izay olona maro any Yemen, indrindra ny any Avaratra no miankina aminy. Ny fanadihadiana natao no naneho fa any Yemen, 80 isanjaton'ny lehilahy sy 45 isanjaton'ny vehivavy no fantatra fa mpampiasa qat, izay mitsakotsako azy isan'andro mandritra ny fotoana maharitra amin'ny fiainany.

Any amin'ny siokantsera hafa no marihany:

#ReasonsSalehIsLate he's dead…. waiting for the duplicate to arrive #Yemen

#Antony nahataraaniSaleh dia maty izy…. miandry ny mitovy aminy ho tonga #Yemen

Nanohy izy:

#ReasonsSalehIsLate بيغش من خطاب مبارك #Yemen
Mbola maka naoty avy amin'ny kabarin'i Mubarak izy

@Logicker dia nanatsonga ny fomba fihevitra ka niteny hoe:

#ReasonsSalehIsLate emulating #Mubarak, in real life and in terms of Twitter hashtags 😉

#AntonynahataraaniSaleh misintona izay avy amin'i #Mubarak, na amin'ny fiainana andavanandro na amin'ny fampiasana tenifototra Twitter 😉

Ary nampiany:

#ReasonsSalehIsLate playing hard-to-get like most other #Arab dictators.

#AntonynahataraaniSaleh miseho ho mafy tahaka ny Arabo mpanao didijadona hafa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.