Iran: “Eny rehetra eny izahay” fanentanana hanoherana ny tsy fankasitrahana pelaka

Arsham Parsi no mpanorina ny Fikambanan'ny Pelaka Iraniana manana ny foibeny any Toronto, Canada. Tamin'ny 2008,  niteny tao amin'ny Global Voices izy fa “fanomezana tsara ho azy ireo ny aterineto.”

Tamin'ity taona ity, tamin'ny 17 may, Andro Iraisam-pirenena hitsipahana ny tsy fankasitrahana pelaka,Iraniana maro no nampiasa ity “fanomezana” ity hanandratana indray ny feon'izy ireo amin'ny fanaovana fanentanana  “Eny rehetra eny izahay” , ao amin'ny YouTube, Facebook sy ny bilaogy maro manerantany manohitra ny tsy fankasitrahana ny pelaka.

Any Iran, voaheloka ho faty ny pelaka.

Ilay bilaogera Iraniana Pesar (midika hoe “ankizilahy” amin'ny teny Persiana) manoratra [fa]:

Androany no andro manerantany hitsipahana ny tsy fankasitrahana ny pelaka. Faly aho mahita fa bilaogera marobe no namoaka lahatsoratra sy nandefa ny vaovaony androany. Inoako fa indray andro any dia afaka lazaina am-pahibemaso any amin'ny media rehetra ny ady hevitra momba ity resaka ity fa tsy voafetra ho amin'ny toerana sasany ihany. Inoako fa indray andro any raha milaza aho fa pelaka, dia tsy sokajiana ho mpanota na hanaovana herisetra.

Eny rehetra eny izahay

Ao amin'ny Facebook Iraniana marobe no manambara ny maha pelaka azy ireo tsy voateritery ary tsy manafina endrika.

Ao amin'ity sary miaina ity i Shokoofe, vehivavy mitia vehivavy anankiray, milaza[fa]:

Ny nahatsapako ny maha lesbiana ahy dia tamin'ny fotoana nitiavako olona iray ary ataoko fa afaka miaina izany daholo ny olona rehetra manerantany. Ny zavatra hafahafa dia heverin'ny olona manodidina ahy fa misangisangy aho kanefa nijaly aho. Ny tena zavatra mampalahelo indrindra dia ny tsy fahafahako miresaka amin'ny olona tena akaiky ahy ny momba ahy. Afaka miteny aho, fa tsy misy mihaino. Inoako fa afaka miaina ao anaty tontolo tsaratsara kokoa izahay, izay tsy hifanandrinana amin'ny fahafatesana satria nitia olona iray. Iriako raha miposaka ny masoandronay, misy havana sy fitiavana afaka lazaina fa tsy atahorana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.