Maromaro ireo Sinoa mpiondana aterineto no nitatitra fa nanomboka tamin'ny 6 May 2011 dia najary tena sarotra tokoa ny mitsidika ireo vohikala vahiny avy amin'ny alalan'ny tolotry ny China Telecom sy China Unicom. Tamin'ity indray mitoraka ity ny fahatapahana dia nahazo indrindra indrindra ny fifandraisan'ireo vondron'orinasa, tafiditra anatin'izany ny anjerimanontolo, raha toa kosa ka nandeha tsara ny ADSL tany amin'ny isan-tokantrano.
Ny sasantsasany tamin'ireo mpitoraka bilaogy mikasika ny teknolojia dia nanasongadina fa ny Great Fire Wall izao dia afaka manara-maso ny votoatin-javatra atosaka amin'ireo adiresy IP ao an-toerana ary mametraka sakantsakana rehefa mahita fidirana maromaro mankany amina adiresy IP vahiny. Manahy ny sasany fa hoe ilay rafitra dia mety hiafara amin'ny famoronana lisitra fotsy misy ireo vohikala vahiny fotsiny amin'izao .
Ny fifandraisan'ireo vondron'orinasa sy anjerimanontolo tratra
Mpitoraka bilaogy iray momba ny teknolojia be mpanaraka tokoa i William Long manasongadina fa ny fanakanana tamin'ity indray mitoraka ity dia nikendrena ireo mpampiasa avy amina vondron'orinasa mba hanakanana ny olona tsy hitsidika vohikala vahiny miainga avy amin'ny fifandraisana sy ny tambajotran'ny vondrona.
Nanao andrana avy ao amin'ny biraony izy tao Shenzhen ary nahita fa tsy afaka miditra amina adiresy IP vahiny sasantsasany (119.145.47.102). Ity ambany ity no maneho ny valin'ilay andrana :
Ny Anjerimanontolo Fianarana Ho Mpitsabo any Atsimo ihany koa dia nijaly noho izay fahatapahana izay ary nanazava ny toe-draharaha tamin'ny hoe i China Telecom no nametraka sakantsakana tamin'ny adiresy IP an'ny anjerimanontolo mankany amin'ireo vohikala vahiny. Ny anjerimanontolon'i Zhejiang koa dia tratry ny olana tahaka izany [zh], ny tambajotra VPN-n'ny sekoly mifandray amin'ny any ivelany no tapaka. (via William Long)
Tsikilovina ny votoatim-pifandraisana
Tao amin'ny Sina Microblog, maro no namerina nanaparitaka ity vaovao manaraka ity:
国内各大互联网公司纷纷出现网络问题,目前已知的包括百度、腾讯、阿里巴巴和若干子公司,对于国外网站的访问受限,其中包括苹果的app store也无法正常连接。有人分析说这次断网可能是因为墙已经具有了探测和分析大量加密流量,并对IP地址执行封锁,各大互联网公司的出口被封也在其中。
Voarara ny VPN sy ny fitaovana fandinganana
Mba hamahana io olana io,. ny departemanta misahana ny infaormatika sy ny teknolojia (IT) any amin'ny vondron'orinasa sasany dia namoaka fampitandremana toy ireto: (tamin'ny anarana mpampiasa Twitter @yegle)
“建議大家在訪問國外網站時,只訪問和工作有關的網站,不要使用「翻牆」之類的軟件。
仔细看了IT的邮件,在最后IT说了,访问国外网站需要提供域名,IP地址以及访问原因。
原文转载:各位同学, 请大家在使用公司内部网络时,不要使用翻墙工具和VPN等方式访问境外网络信息。 此行为可能导致公司网络出口被封(如:google,msn等正常境外网络访问不稳定),并会为公司和个人带来不必要的麻烦。 请大家在日常工作中一定注意避免。
Fampitandrema iray avy amin'ny Akademia Sinoa momba ny Siansa dia nanamafy ny resaben'ireo mpiondana aterineto:
中科院IHEP: 这两天我所网络连续发生短暂无法访问国外资源的现象,经检查确认我所部分用户使用翻墙技术访问非法资源导致网安部门将我所IP地址临时列入黑名单。在此再次提醒大家严格遵守网络使用规范,不要使用非法手段访问敏感/非法网络资源!