Ejipta: Manampy ny governemanta mitsikilo ny mafana fo ireo orinasa

Iray amin'ireo fangatahan'ny revolisiona Ejiptiana ny fandravàna ny iray amin'ireo rafi-pitsikilovana malaza, dia ny Fikarohana momba ny Fandriampahaleman'ny Firenena na ny State Security Investigations (SSI) izany, sy ny fitsaràna ireo tompon'andraikitra ao aminy noho ny fampijaliana, fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona ary fitsikilovana ny mahery fo.

Herinandro vitsivitsy lasa izay rehefa tsy namaly  teo noho eo ny fangatahan'ny vahoaka ny manampahefàna, maro ireo Ejiptiana no nanalokaloka tany amin'ny foiben'ny SSI mba hiaro ireo porofo miampanga ny biraon'ny SSI (anisan'izany ny fitaovana fampijaliana sy antontan-taratasy). Anisan'ireo antontan-taratasy ireo ny fifandraisana teo amin'ireo fikambanan'ny SSI mifandraika amin'ny fanasivanana, ny fifehezana ny zavatra mivoaka amin'ny aterineto, ny fifehezana ny solosaina, ary koa ny fampiatoana ny tolotra ara-pifandraisana.

Ireo vaovao SSI mitete ireo dia manome fanazavana maro izay inoako fa tokony ho takatra sady fantatry ny olona sy fikambanana rehetra miasa amin'ny sehatry ny zon'ny tsiambaratelo sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Nanomboka tamin'ny fitokonana voalohany tamin'ny 6 Aprily tany Ejipta tamin'ny 2008, nanapa-kevitra ny sampan-draharaha sy ny olona misahana ny fitsikilovana fa hifantoka kokoa amin'ny fifandraisan'ny mahery fo amin'ny aterineto sy amin'ny findain'izy ireo. Nametraka Rantsana miasahana ny Hamehana ny SSI, ka anisan'ny tanjony amin'izany ny:

  • Hanapaka ny aterineto any amin'ny tanàna, fari-piadidiana iray na maro.
  • Hanàkana vohikala voafaritra.
  • Hahazo ny mombamomba ny mpampiasa aterineto.
  • Hanapaka ny tolotra amin'ny finday any amin'ireo orinasam-pifandraisan-davitra.
  • Hampiato ny tolotra Bulk-SMS.
  • Hahazo antoka fa afaka mamaly avy hatrany ny fitakian'ny manampahefana momba ny resaka fandriampahalemana ireo orinasam-pifandraisan-davitra.

Nanao fihaonana maro ny SSI niaraka tamin'ny solotenan'ny Ministeran'ny Atitany, ny Sampam-pitsikilovana, Ministeran'ny Fiarovana, Ministeran'ny Fifandraisam-bahoaka, Ministeran'ny Fifandraisana sy ny Teknolojia, ary ny orinasam-pifandraisan-davitra telo any Ejipta (Vodafone, Mobinil, Etisalat).

Tamin'ny 2009 -ary mety tamin'ny voalohandohany- nipetraka ny fifandraisana teo amin'ny orinasa iray any Eoropa izay any Royaume-Uni ny foibeny, antsoina hoe Vondrona iraisam-pirenena Gamma sy ny SSI any Ejipta, ka naanolotra azy ireo rindram-baiko izay nofaritan'ny fikambanan'ny SSI tao amin'ny fifandraisana anatiny tamin'ny Aogositra 2009 hoe “rafi-pitsikilovana avo lenta izay manana andraikitra tsy hita any amin'ny rafitra hafa, ny andraikitra lehibe indrindra dia ny fitsikilovana any anatin'ny kaonty Skype, fitsikilovana ny kaonty mailaka mifandraika amin'ny Hotmail, Yahoo ary Gmail, ary ny fifehezana tanteraka ny solosaina voakendry” ary tao anatina fampandrenesana iray hafa tamin'ny Desambra 2010 “mandrakitra resaka am-peo sy amin'ny lahatsary, mandrakitra ny asa eo an-dalam-pahatanterahana manodidina ny solosaina tsikilovina miaraka amin'ny kamera ary mandika ny vontoatiny”.

Ao anatin'izany fifandraisana eo amin'ny fikambanana SSI izany, ny vidin'ity rindram-baiko antsoina hoe Finfisher ity dia voalaza fa 2 tapitrisa amin'ny vola  Ejiptiana.

Toa izao ny hanoritsoritan'ny Vondrona Iraisam-pirenena Gamma ny tenany ao amin'ny vohikalanymanome fanaraha-maso ara-teknika raitra sy manome vahaolana ary tolo-tànana iraisam-pirenena any amin'ny Departemantam-pitsikilovan'ny Fitondràna sy ny Firenana ary ny Sampana momba ny fanamafisan-dalàna.

Ny fifandraisana farany indrindra dia tatitra nivoaka tamin'ny 1 Janoary 2011 avy amin'ny IT, rantsana iray ao amin'ny SSI rehefa avy nampiasa ny dika andrana tsy andoavam-bola amin'io rindrambaiko io.

Ireny karazana rindrambaiko amboarin'ny Gamma Iraisam-pirenena sy ny orinasa hafa mitovy aminy ireny dia manome alalana ny governemanta sy ny sampam-pitsikilovan'ny fitondràna mahefa hisikotra ny tsiambaratelon'ny tsirairay, hifehy ny asan'ny olon-drehetra sy hametraka ny sivana. Noho izany, ny fanampiana ny governemanta hanamboatra tranga miampanga ny mafana fo ara-politika sy ny mpiaro ny zon'olombelona hanamelohana azy ireo ho “manakorotana ny filaminana”, “maniratsira ireo mpitondra fanjakàna”, “manely tsaho ho fanonganam-panjakana” ary fanamelohana maro hafa natao hanamaivanana ny asan'ny fiarahamonina sivily sy ny mafana fo mandeha mankamin'ny  toetoetry ny zon'olombelona tsaratsara kokoa.

Toe-javatra mitovy amin'izany miaraka amin'ireo orinasam-pifandraisan-davitra any Ejipta izay niara-niasa tamin'ny fitondràn'i Mubarak mba hanome ny mombamomba ireo mafana fo, sy hanapaka ny tolotra.

Azonao atao ny mamaky sy misintona ny vaovaon'ny SSI voalaza ato anatin'ity lahatsoratra ity amin'ny alalan'ireto rohy ireto:

  • - Fifandraisana anatin'ny Sampam-pitsikilovam-panjakana momba ny Finfisher – Rohy [Teny Arabo].
  • - Tolotra ara-barotra avy amin'ny Gamma Iraisam-pirenena ho an'ny Sampam-pitsikilovam-panjakana – Rohy [Teny Anglisy]
  • - Fifandraisana anatin'ny Sampam-pitsikilovam-panjakana momba ny fifehezana ny SMS – Rohy [Teny Arabo]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.