Tontolo Arabo: “Ny 2011 dia ho taona voamarika anatin'ny tantara”

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fahafatesan'i Osama Bin Laden.

Mety hoe vao volana May izao fa maro ny zava-nitranga nandritra ny volana vitsivitsy tamin'ny tontolo Arabo. Taorian'ny vaovao omaly momba ny namonoan'ny Amerikana an'i Osama Bin Laden tany Pakistana, Saodiana atidoha nikotrika ny fampihorohoroana , mandinika ny taona nodiavina ireo mpandefa tweets.

Mananihany ilay Ejiptiana Wael Ghonim :

2011 dia taona ho voamarika anatin'ny tantara. Vao volana May izao dia efa mitranga daholo izao rehetra izao! #Tunisia #Egypt #Libya #Yemen #Syria and now #OBL

Hanan Yousef, avy any Ejipta ihany koa, dia miantso:

Mba ento mora ny fandeha re ry 2011 ah! Tsy afa-miaina intsony izahay

Manamarika Ibn Omar avy any Libia :

miaraka amin'ny fahafatesan'i BinLadin… taonan'ny  #lohataona arabo ve ity sa ny #fahalavoan'ny devoly arabo?

Ary manampy i Ahmed Shihab-Eldin :

Mety hoe fahatsapàna ihany, fa tsapako fa rehefa hanao jery todika amin'ny 2011 dia ho taona niovàn'izao tontolo izao ny taona 2011. #Obama #Binladen #OBL

Farany nefa tsy kely indrindra, Ali Al Saeed, avy any Bahrain dia manamarika:

Tsy nitsahatra ny nitombo ny tranga nandritra ny volana vitsivitsy farany teo. Mankaiza izao tontolo izao? Indraindray toa anaty tafio-drivotra izany.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fahafatesan'i Osama Bin Laden.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.