Yemen: Fotoana Fisakafoanana Eo Amin'ireo Ankolafin'ny Mpomba Ny Fiovàna Sy Ny Mpomba ny Fitondràna

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Yemen 2011 ity lahatsoratra ity.

Telo volana lasa izay no nanomboka ireo hetsi-panoherana manohitra ny fitondran'i Ali Abdulla Saleh any Yemen, ary mbola manohy ny hatezerana satria miantso ny famaranana ny 32 taona nitondrany ireo mpanohitra.

Hita vatana ihany koa ireo mpomba an'i Saleh, an'aliny, nilahatra mba hanohana ny filohan'ny Yemeni, ary matetika dia mifampikatro-doha amin'ireo mpanohitra.

Ity lahatsary ity, avy amin'i la7jpress , mampiseho ny fotoana fisakafoanana ao amin'ireo ankolafy roa, ao Sanaa renivohitra.

http://www.youtube.com/watch?v=CLH1EC8Ekv8

Ity ny vakin'ilay famariparitana:

الفرق بين مؤيدي الرئيس اليمني والمطالبين باسقاط النظام وقت الغداء
Ny tsy fitoviana misy eo amin'ireo mpanohana ny filoha Yemeni sy ireo miantso ny fanonganana ny fitondrany nandritra ny fotoana fisakafoanana.

Ny ampahany voalohan'ilay lahatsary dia mampiseho ireo arabe feno loto, ary ireo antsoina ho mpanohana an'i Saleh dia miady ampahan-tsakafo. Amina fotoana voatondro iray, najanona ilay lahatsary mitahiry ny zava-nitranga ary nangatahana ny tsy hotohizana intsony.

Ny ampahany faharoan'ilay lahatsary dia mampiseho ny filaharana mirindran'ireo mpanohitra, mihinan-kanina, ary avy eo manadio rehefa vita ny fihinanan'izy ireo.

Ny tanjon'ilay lahatsary dia ny hampiseho ny tsy fitoviana misy eo amin'ireo ankolafy roa.

Nitsikera ny lahatsary i Kammal2005 ka miteny:

يؤيدون الرئيس على شان وجبه غداء

يعني لو المعارضه تدفع لهم مثل ما يدفع النظام الفاسد لكان الكل مع المعارضه بس النظام ساقط لا محاله

ولو نقارن بين شباب التغيير والمعارضه من جهه ومن الحزب الظالم من جهه اخرى تعرف الفرق

شباب التغير لا يعطون اي متظاهر اي شي انما يجي بس لتكلم بصوت الحق

مؤيدين الرئيس فقط للاكل والشرب واستلام نهائيه اليوم الراتب

الشباب بكل محافضه مع التغيير

والمؤيدين لرئيس يالله يجمعهم بميدان السبعين كمان بعد ما يخرجون من صلاه الجمعه يروحو بمواصلات

بس رح يعرفون من الصح
kammal2005 21 ora lasa

Manohana ny filoha Saleh izy ireo mba hahazoana sakafo. Midika izany fa raha nanome vola azy ireo tahaka ny nataon'ny fitondrana ny mpanohitra, dia niaraka tamin'ny mpanohitra daholo ny rehetra. Nefa ity fitondrana ity dia manao kolikoly.
Raha ataontsika ny fanavahana eo amin'ireo tanora mpomba ny fiovàna sy ny mpanohitra, amin'ny ankilany, ary ny fitondrana mpanao famoretana, amin'ny andaniny, ho hitantsika ny fahasamihafany.
Tsy manome na inona ny inona ireo mpanohitra ny tanora mpomba ny fiovana. Mitodika amin'ny fitenenana amin'ny feon'ny fahamarinana fotsiny ihany izy ireo.
Ireo mpanohana ny filoha dia tonga eny fotsiny ho an'ny sakafo sy ny zava-pisotro, sy ny fakana ny karamany rehefa hariva ny andro.
Ireo tanora any amin'ny fari-piadidiana tsirairay dia mpomba ny fiovàna raha tsy mivondrona afa-tsy any amin'ny Kianja faha-70 kosa ireo mpanohana ny filoha , aorian'ny vavaka isaky ny Zoma, ary avy eo taterana rehefa miala eo.
Ho fantatr'izy ireo tsy ho ela ny tena marina.

Famakiana lalindalina kokoa:
Reuters: Timeline: Protesters demand Saleh step down as Yemen ruler
Wikipedia: 2011 Yemeni protests

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Yemen 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.